Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2016
Nahitana Fitaovana Mampiahiahy Tao Amin'ny Biraon'ny Mpandini-dRaharaham-Pirenena Hongroà Iray Ka Nahatonga Ahiahy Fitsikilovan'ny Fanjakana
Nosavaina ny biraon'ny Ekint taorian'ny nilazan'ny lehiben'ny biraon'ny Praiminisitra fa manodikodina ny politikan'ny fifindra-monin'ny firenena amin'ny alalan'ny fikambanana naoriny ilay mpandraharaha Hongroà-Amerikana George Soros.
Miteraka Resabe Ny Fikarohana Solitany An-dranomasina Ao Portiogaly
Mampiahiahy an'ireo mpiaro ny tontolo iainana ny fitadiavana solika sy etona natoraly ao Algarve. Misy ny hetsika tontosain'izy ireo ho fanoherana izany.
Varotra Zava-mahadomelina, Politika Sy Asa Fanaovana Gazety: Iza No Manompo An'iza Ao Anatin'ny Fampielezankevitra Peroviana?
Andro maro nialoha ny fifidianana ho filoha tao Però, nisy ny ampamoaka nilaza fa noho ny resaka fanadiovana vola maloto dia anaovan'ny DEA fanadihadiana ny sekretera jeneralin'ny antoko Fuerza Popular, ilay antoko politika niavian'ilay mpirotsaka Keiko Fujimori.
Inona No Niteraka ilay Korontana Tany Yan Zhou?: Misongadina Ny Tsy Fahampian'ny Fampahalalam-baovao Any Shina
"Nanjary zazalahy tsara fanahy izay niezaka ny hampitsahatra ady ilay mpaka an-keriny [ ... ] Iza no jamba? Ny olona avy any Yan Zhou sa ny mediam-panjakana?"
Namelona Indray Ny Realisma Sosialista Tsy Misy Ny Sosialisma Ny Antoko Mitondra Ao Makedonia
Nanambara ny fampitam-baovao tsy miankina iray fa nanao komandy sary hosodoko mihoatra ny 50 ny antoko eo amin'ny fitondrana ao amin'ity firenena ity.
Voalaza Fa Nisy Olona Nitam-piadiana Nanafika Ny Mpitarika Ny Mpanohitra Kolombiana, Izay Mampalemy Ny Dinika Ho Amin'ny Fandriampahalemana
Tsy dia mazava loatra ny antony, kanefa nisy nanafika ny iray amin'ireo mpitarika antoko ao Kolombia tamin'ny volana lasa teo. Tsy maty fo aman'aina izy, nefa tsy azo lazaina amin'ny dinika ho an'ny fandriampahalemana ao amin'ny firenena izany.
Tanzania : Lehilahy Iray Mety Higadra Telo Taona Noho Ny “Faniratsiràna” Ny Filoha Tao Amin'ny Facebook
Nitontona tamin'ny voalazan'ny lalàna mifehy ny heloka atao amin'ny alàlan'ny aterineto nolaniana tamin'ny 2015, izay ilazàn'ireo mpanohitra fa manome fahefana be loatra -- tsy misy fanarahamaso-- ireo mpitandro filaminana ilay raharaha.
Tsy Mahasakana ny “Revolisiona Maroloko” Ao Makedonia Ny Fandrahonana Fiampangana Heloka Bevava
Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny "Revolisiona Maroloko" ao Makedonia fa tsy atahorany ny fanambaran'ny polisy milaza fa hiampanga noho ny heloka bevava amin'ireo sahisahy indrindra amin'izy ireo ny polisy.
Mihetsika Hiady Amin'ny Fifindramonina Tsy Ara-Dalàna Avy Any Bangladesh i India, Nanidy Ny Sisintany ao Assam
Milaza i India fa te-hanidy ny sisintany ifanolorana amin'i Bangladesh ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanana ao Assam. Nilaza ny BJP fa ilaina izao fepetra izao hiadiana amin'ny ffindramonina tsy ara-dalàna avy any Bangladesh.
Gineana Maromaro Miantso Ny Fialan'ny Filohan'ny Repoblika
Nisy vondron'olompirenena nanangana fanangona-tsonia an-tserasera mba hanesorana amin'ny asany ny Filohan'ny Repoblikan'i Ginea-Bissau, José Mário Vaz, noho ny fiheverana fa izy no fototra miteraka ny savorovoro politika andalovan'i Ginea-Bissau.