Nahitana Fitaovana Mampiahiahy Tao Amin'ny Biraon'ny Mpandini-dRaharaham-Pirenena Hongroà Iray Ka Nahatonga Ahiahy Fitsikilovan'ny Fanjakana

Images from Ekint Facebook post.

Sary avy amin'ny Facebook Ekint .

Nanambara tao amin'ny lahatsoratra Facebook  ny Ivontoerana Eötvös Károly (Ekint), vondrona liberaly mpandini-draharaham-pirenena iray sady fikambanana mpanara-maso ny zo sy ny olan'ny tsirairay ao Hongria,  fa nahita fitaovana mampiahiahy izy ireo tao amin'ny biraony izay ninoany fa nitsikilo ny fifandraisany.

Nandefa sary amin'ny lafiny roa ny Ekint. Mampiseho ny fitaovana mampiahiahy izay hitany nifandray tamin'ny tamba-taribin'ny fifandraisandavitra tao amin'ny ny biraony ny sary eo ankavia. Araka ny hita eo amin'ny sary , hita ilay fitaovana fa toa efa simba, ary avy eo norakofana ventin-javatra toa godorao (tara). Nitatitra ny Ekint fa nisy tohilanin-drian'aratra maro tao ambanin'ilay godorao. Mampiseho ilay fitaovana rehefa tsy misy fahasimbana kosa ny sary eo ankavanana.

Indray andro,  nahatsikaritra ireo mpiasa mpikambana tao amin'ny Ekint  fa mavesatra tsy tahaka ny mahazatra ireo tamba-tariby raha teo ampanitsiana ny toeran'ny tamba-taribin'ny fifandraisandavitra izy ireo. Tamin'izay no nahitana ilay fitaovana.

Nilaza tamin'ny Ekint ny manam-pahaizana tsy nitonona anarana fa afaka mampita ny lahatahiry ilay fitaovana mampiahiahy. Nilaza ny Ekint tetsy andaniny tao amin'ny lahatsoratra Facebook fa:

Nem tudjuk, hogy a szerkezet kitől származik és hogyan került az irodánkba, mindenesetre biztosan állíthatjuk, hogy nincs senki előtt titkolnivalónk. Honlapunkon az összes tevékenységünkről, elkészült anyagainkról és gazdasági beszámolóinkról találsz információt.

Tsy fantatray izay nihavian'ilay fitaovana, na ny fomba nahatongavany tao amin'ny biraonay, fa afaka milaza soa aman-tsara izahay fa tsy manana na inona na inona hafenina. Afaka mijery ny tranonkalanay ianareo mikasika ny fampahafantarana  momba ny asanay rehetra, ireo tahirin-kevitra avoakanay sy ireo tatitra momba ny fitantanana kaonty.

Tao amin'ny andianà fanehoan-kevitra, nanontany ny mpisera Facebook  sasany  raha tena fitaovana fanaraha-maso tokoa, araka ny filazany, ilay hitan'ny Ekint fa tsy fitaovana natao mba hanivanana ny fifanojoan'ny elektromanetika na ny “kasaosaoka” fotsiny.

Niteny ny Ekint fa nilaza tamin'izy ireo ihany koa ilay manam-pahaizana tsy voalaza anarana fa sarotra ho an'ny olon-tsotra ny fahazoana ilay fitaovana. Kanefa nilaza tamin'ny fanambarana tao amin'ny  tranonkalam-baovao 444 ny Minisitry ny Atitany  fa mora vidiana eny amin'ny mpivarotra antsinjarany ilay fitaovana. Tsy niresaka izy ireo na tafiditra amin'ny fanaraha -mason'ny Ekint na tsia, nanampy anefa fa tsy mividy zavatra toy izany avy amin'ny tranonkala na mpivarotra antsinjarany ny fikambanana misahana ny sampandraharahan'ny fitsikilovana.

Nilaza tatỳ aoriana ny mpanolo-tsaina ara-piarovan'ny Praiminisitra Viktor Orbán, nandritra ny valan-dresaka nataony tamin'ny gazety fa tsy ny sampandraharahan'ny fitsikilovana no nametraka ilay fitaovana tao. Nilaza izy  fa tsy tokony ho mora hita ilay izy raha izay no nitranga.

Nilaza tamin'ireo tranonkalam-baovao Hongroà Index ny talen'ny Ekint, Bernadette Somody, fa nanapa-kevitra izy ireo ny hanao savahao ny trano taorian'ny nilazan'i János Lazar, lehiben'ny biraon'ny Praiminisitra fa taterin'ireo mpitsikilo ho manodikodina ny politikan'ny fifindramonin'ny firenena amin'ny alalan'ny andiana fikambanana miasa ao ilay mpandraharaha Hongroà-Amerikana George Soros. Nahazo tsikera tao anatiny sy ivelan'ny firenena ny governemanta ao Hongria noho ny antso avo manohitra ny fifindra-monina tamin'ny krizin'ny mpitsoa-ponenana  any Eoropa.

Araka ny pejin'ny mombamomba ny fikambanana dia noforonin'ny Orina Mpanasoa Soros “mba hametrahana firafitra andrim-pikambanana hamolavolana ny raharaham-panjakana ara-demokratika ao Hongria” ny Ekint tamin'ny 2003. Nanome famatsiana ara-bola ho an'ny fikambanana tsy miankina ao Hongria ihany koa ny Open Society Foundations (OSF) naorin'i Soros.

(Fanambaran'ny tonia: mandray fanohanana avy amin'ny Open Society Foundations [ihany koa] ny Global Voices. Nandray anjara amin'ny Atlatszo.hu izay tranonkalan-gazety mpanao fanadihadiana, izay  efa nahazo famatsiam-bola avy amin'ny OSF ihany koa ny mpanoratra ity lahatsoratra ity.)

Na dia mbola tsy azo antoka aza izay ambadik'ilay fitaovana hita tao amin'ny biraon'ny Ekint ,dia ireo ONG no efa lasibatry ny manam-pahefana  faramparany teo. Tamin'ny 2014, nisy fanentanana niampanga ireo ONG mpiaro zon'olombelona ho nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Norway Grants – fiaraha-miasan'i Norvezy, Islandy ary Liechtenstein manana tetikasam-panohanana mikendry ny fampihenana ny elanelana ara-toekarena sy ara-tsosialy any Eoropa – ho mitsabaka ara-politika. Nisava ny biraon'ny ONG iray izay nizara ireo fanomezana ireo ny polisy.

Nanasongadina ny fanapahan-kevitra lehibe nataon'ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona hirona any amin'ireo Hongroà roa izay mpiasa mpikambana ao amin'ny Ekint ihany koa ny fahitan'ny Ekint ilay fitaovana. Nitaraina izy ireo fa namela ny Foibe Miady amin'ny Fampihorohoroana ao Hongria hanao asa fitsikilovana tsy nisy fankatoavana na fiantohana avy any ivelan'[ny hotsikilovina] ny lalàna nampidirina tamin'ny taona 2010.

Nanambara ny fitsarana tamin'ny Janoary fa nandika ny andininy faha-8 ao amin'ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona ny rafitra ara-pitsaran'i Hongria, ​​izay mivaky toy izao :

  1. Everyone has the right to respect for his private and family life, his home and his correspondence.
  2. There shall be no interference by a public authority with the exercise of this right except such as is in accordance with the law and is necessary in a democratic society in the interests of national security, public safety or the economic well-being of the country, for the prevention of disorder or crime, for the protection of health or morals, or for the protection of the rights and freedoms of others.

1. Manan-jo ny rehetra hohajaina amin'ny fianany manokana sy ny fiainam-pianakaviany manokana, ny tranony ary ny fifandraisany.
2.Tsy hisy ny fitsabahan'ny manam-pahefana ny fampiasana izany zo izany afa-tsy izay araka ny lalàna sy ilaina amin'ny fiaraha-monina demokratika ho amin'ny tombontsoan'ny fiarovam-pirenena, ny filaminam-bahoaka na ny fahavitantena ara-ekonomikan'ny firenena, ho fisorohana ny fikorontanana na heloka bevava, ho an'ny fiarovana ara-pahasalamana na ara-maoraly, na ho amin'ny fiarovana ny zo sy ny fahalalahan'ny hafa.

Nanaovana fitarainana tamin'ny 2014 ilay raharaha antsoina hoe Szabó sy Vissy mifanandrina amin'i Hongria. Ankehitriny, tale ao amin'ny Sendikan'ny Fahalalahan'Olompirenena Hongroà i Máté Szabó. Nanao fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook izy andro vitsy lasa izay manao hoe resy tamin'ny fampakarana ny raharaha manohitra ny didim-pitsarana ny governemanta hongroà . Midika izany fa mila manova ny fitsipika mba hanome fiarovana tsara ho an'ny olom-pirenena ny governemanta Hongroà.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.