Voalaza Fa Nisy Olona Nitam-piadiana Nanafika Ny Mpitarika Ny Mpanohitra Kolombiana, Izay Mampalemy Ny Dinika Ho Amin'ny Fandriampahalemana

Imelda Daza en entrevista hecha a su regreso a Colombia. Captura de pantalla del video compartido por el usuario de Youtube Jonathan Fortich.

Imelda Daza nandritra ny resadresaka natao taorian'ny fiverenany tany Kolombia. Sary: Youtube / Jonathan Fortich

Tamin'ny voalohan'ny volana lasa teo, nisy olona nitam-piadiana nandrava ny fihaonana niaraka tamin'i Imelda Daza, ilay mpitarika ny antoko Fiombonan'ny Tia Tanindrazana nahatonga fikorontanan'ny dingana fandriampahalemana iray izay efa sarotra sy mikendry ny hamarana ny disadisa mitam-piadiana izay efa nampijaly an'i Kolombia nanomboka tamin'ny 1960. Nitranga tao Cartagena ny fanafihana tamin'ny 6 May, ka nisy olona nitam-piadiana niditra tao amin'ny biraon'ny sendika izay nisy ny fivorian'ny vondron'antoko ankavia isan-karazany. Naneho ny ahiahiny momba ny fanafihana ny Fiombonan'ny Tia Tanindrazana ka nanameloka ny hetsika ho toy ny ” figafiana ny dingan'ny fandriampahalemana “:

[Tao anatin'ny sioka: notafihana tamin'ny fitaovam-piadiana ny foiben-toeran'ny SUTIMAC-Sendikan'ny Mpiasan'ny Fanorenana sy ny Fananganan-Tao-zava-Baventy nandritra ny fihaonana nataon'i Imelda Daza sy UP -ny Antoko Fiombonan'ny Tia Tanindrazana -, ny PCC- ny Antoko Komonista ao Kolombia – sy ny JUCO -Hetsiky Ny Tanora Komonista-. Nanohitra ny mpiambina , nifamaly ny poa-basy ,naratra ny mpiambina iray. Miangavy anareo mba hampandre sy ho mailo.] Fanafihana mamely ny fandriampahalemana ny fanafihana atao amin'i @ImeldaDaza sy ny mpitarika ara-tsosialy ao Cartagena. Hoy i @JuanManSantospic.twitter.com/vSMw0flWvA

Toa mikendry an'i Imelda Daza avy amin'ny Puf ny fanafihana voasakana nataon'ny olona voakarama

Tany an-tsesitany nandritra ny telopolo taona i Imelda Daza, 67 taona, ary niverina nankany Kolombia tamin'ny herintaona. Tamin'ny 1985, nofidin'i hetsika Tombontsoa Iombonana izy mba ho mpanolontsaina monisipaly tao amin'ny departemanta avaratra atsinanan'i César, ary avy eo niditra tao amin'ny fiombonan'ny Tia Tanindrazana. Kanefa tsy nandray ny toerany mihitsy izy, noho ny fandrahonana ho faty izay nanomboka taoriana kelin'ny fifidianana. Noho izany, dia nifindra tany Bogotá izy, ary tatỳ aoriana nandao ny firenena. Afaka nanavotra ny ainy ilay mpanolontsaina monisipaly, kanefa ny toe-draharaha ara-politika tao an-toerana niharatsy hatrany . Nisy namono ny 13 tamin'ireo mpikambana  tao amin'ny mpiray antoko aminy. Niha-nahery fihetsika ireo hafa ka nanatevin-daharana ny Tafika Revolisionera ao Kolombia (FARC).

Miresaka momba ny zava-tsarotra tany an-tsesitany tamin'ny asa hanorenana ny fandriampahalemana niaraka tamin'ny @Marcodhes sy ny mpitarika ny Pu @ImeldaDaza. pic.twitter.com/e073QGQeli

Niteraka hatezerana tamin'ny mpanao politika maro sy ireo mpitarika ara-tsosialy izay manome tsiny ny antoko farany havanana ao amin'ny firenena ny fanafihana tao Cartagena, mitanisa ny anjara asany nigafy ireo ezaka natao teo aloha handravana ny fandriampahalemana. Ny fiombonan'ny Tia Tanindrazana no mpandray anjara mavitrika tamin'io dingana io nanomboka tamin'ny 2013, rehefa nahazo indray ny satany ho antoko politika voasoratra ary nahazo fankatoavana ho ” niharam-boinan'ny famonoana faobe ,” noho ny fanjavonan'ny mpikambana an'arivony tao aminy.

Ho an'ny vondrona mitam-piadiana avy amin'ny farany havanana, hoy izahay hoe: Tsy misy hanakana anay amin'ny fitadiavana ny fihavanana. Tsy ireo mpamono olona voakarama, na ny fandrahonana, na ny fanafihana no hahavita izany.

Mpikambana ao amin'ny vondrona mitam-piadiana, matoatoa araka ny filazan'ny governemanta, no nanafika tao amin'ny fivorian'ny Pu tao Cartagena izay nanaovan'i Imelda Daza sy ireo mpitarika sendika dinidinika.

Fandavana sy fanamelohana tamin'ny fanafihana an'i Imelda Daza!

Tsy afaka hanimba ny fanantenana ho amin'ny Fandriampahalemana ny fanafihana an'i Imelda Daza[ #Paz ] izay misy ao #Kolombia amin'izao fotoana izao. Antsika rehetra ny fiaraha-mientana sy ny fanoloran-tena.

Na izany aza, tsy mazava araka an'i Imelda manokana ny toe-javatra manodidina ny fanafihana, an-takonana ny fivoriana , ary tena vitsy ny olona nahalala izany. Misy tatitra ihany koa milaza fa ny fidirana tao tsy fanafihana akory, fa fikasana handroba .

Milaza ny polisy fa ny fanafihana an'i Imelda Daza dia mety ho fikasana handroba.

Taorian'izay, ireo fakan-tsary fitsikilovana nahazo ny sarin'ny iray tamin'ireo mpanafika;

Ao Cartagena, voasambotra ilay olona nanafika an'ilay mpitarika Pu Imelda Daza sy ireo mpitarika sendika hafa.

Nandritra ny valan-dresaka taorian'ny fanafihana,  nangataka antoka tamin'ny Filoha Santos ho an'ny olom-pirenena ahafahany mampiasa ny zony ara-politika i Imelda Daza, ary nanindry fa tokony horavana ny paramilitarisma. Ao anatin'ny antsoina hoe “pedagôjian'ny fandriampahalemana” ireo fitakiana ireo. Nanome toky ny fitondram-panjakana mandritra izany fa ” handray anjara amin'ny fanarenana i Kolombia aorian'ny gidragidra.

Tao amin'ny Twitter, raha mitady ny tenirohy #TodosSomosImelda ( Imelda Isika Rehetra ), hitanao ao ny hevitra isan- karazany momba an'i Imelda Daza amin'ny ankapobeny sy ny fanafihana manokana. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, nilaza ny governemanta Kolombiana fa hanome fiarovana ho an'i Daza sy ny mpandray anjara hafa ao amin'ny diniky ny fandriampahalemana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.