Gineana Maromaro Miantso Ny Fialan'ny Filohan'ny Repoblika

A Guiné quer Paz. Foto de Sofia da Palma Rodrigues no blog Brancon'pelele (usada com permissão)

“Mila Fandriampahalemana i Ginea”. Saripika tahiry GV: Sofia da Palma Rodrigues ao amin'ny bilaogy Brancon'pelele (nahazoana alalana)

Nisy vondron'olompirenena nanangana fanangona-tsonia an-tserasera mba hanesorana amin'ny asany ny Filohan'ny Repoblikan'i Ginea-Bissau, José Mário Vaz, noho ny fiheverana fa izy no fototra miteraka ny savorovoro politika andalovan'i Ginea-Bissau amin'izao fotoana izao, ary araka ny fanangonan-tsonia:

Os últimos atos do Sr. José Mário Vaz têm sido extremamente lesivos para o povo guineense e para o país em geral.

Nanimba tanteraka ny vahoaka gineana sy ny firenena amin'ny ankapobeny ireo fihetsika farany indrindra nataon'Atoa José Mário Vaz.

Ao amin'ny fanambarana, nampiarahana tamin'ny fanangonan-tsonia, ihany koa ny filazana fa tsy nandray anjara lotra tamin'ny fampandrosoana ny firenena ny Filoha:

No último ano, desde as últimas eleições gerais, a Guiné-Bissau apresentou um crescimento acentuado de esperança: 1. Das pessoas, num futuro melhor; 2.Das empresas, em condições favoráveis de investimento; e 3. Da comunidade internacional, na credibilização internacional do país.

Qual foi a contribuição do Presidente da República para o alcance dessas metas? NENHUMA!

Entretanto, sem provas objectivas, o Presidente da República acusou o Governo e o seu Primeiro-Ministro de corrupção, gestão danosa e falta de transparência. NÓS, O POVO, sentimos precisamente o contrário e por esse motivo, pedimos a todos que o poder de decisão volte ao POVO para que NÓS possamos decidir quem queremos ver nos comandos do destino da Guiné-Bissau.

Assinamos assim esta petição e pedimos a DESTITUIÇÃO do Sr. José Mário Vaz como Presidente da República

Tamin'ny herintaona, hatramin'ny fifidianana ankapobeny farany, nahitana fitomboan'ny fanantenana teto Ginea-Bissau: 1. Ny olona, mankany amin'ny hoavy tsaratsara kokoa; 2.Ny orinasa, mety hanaovana fampiasam-bola ny toe-draharaha; ary 3. Ny fiarahamonina iraisampirenena, atokisan'ny iraisampirenena ny tanindrazana.

Inona ny fandraisana anjaran'ny Filoha tamin'ny fanatanterahana ireo tanjona ireo? TSY MISY!

Mandritra izany fotoana izany anefa dia miampanga ny governemanta sy ny praiminisitra ho manao kolikoly, tsy mahay mitantana ary tsy misy mangarahara, tsy misy porofo, ny filoha. Isika, vahoaka, mahatsapa ny mifanohitra indrindra amin'izany ary noho izay antony izay, mangataka ny hamerenana amin'ny vahoaka ny fahefana manapa-kevitra izahay mba ahafahantsika manapa-kevitra izay tiantsika ho eo amin'ny fitantanana an'i Ginea-Bissau.

Noho izany dia manasonia amin'ity fanangonan-tsonia ity izahay ary mangataka ny FIALAN'Atoa José Mário Vaz amin'ny maha-filoha azy

Efa mihoatra ny 700 ny Gineana nanao sonia ny taratasy ary nandeha tany amin'ny media sosialy hilaza ny antony nanaovany izany, niteny i Reinaldo Ampasuntil Utical, tao amin'ny kaonty Facebook-ny fa:

Este senhor não merece ser o nosso Presidente, porque não está [à] altura [do cargo] e é incompetente.

Tsy mendrika ny ho filohantsika io lehilahy io, satria sady tsy manana ny haavom-pahaizana no tsy mahavita azy.

Telmo Correia nanampy fa tsy fananan'i José Mário Vaz i Ginea-Bissau:

Assinei incondicionalmente…Amo a minha terra e tenho noção do perigo Jomav na presidência por isso assino esta petição. BASTA!
QUEREMOS ELEIÇÕES GERAIS!
A GUINÉ-BISSAU NÃO É PROPRIEDADE PRIVADA DO JOSÉ MÁRIO VAZ

Voasonia tsy ilaina fepetra … Tiako ny tanindrazako ary hitako ny loza mety ho vitan'i Jomav eo amin'ny prezidansa ka nahatonga ahy nanasonia. AOKA IZAY!
MILA FIFIDIANANA ANKAPOBENY!
GINEA-BISSAU TSY FANANANA MANOKAN'I MARIO JOSEPH VAZ

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.