Mihetsika Hiady Amin'ny Fifindramonina Tsy Ara-Dalàna Avy Any Bangladesh i India, Nanidy Ny Sisintany ao Assam

Mpitandro ny filaminana mpiaro sisintany sy ny fefy tariby mandratra amin'ny sisintany ifanoloran'i India sy i Bangladesh. Sary avy amin'i Sanjeev Syal. Copyright Demotix.

Milaza i India fa te-hanidy ny sisintany ifanolorana amin'i Bangladesh ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanana ao Assam. Nanome fehim-potoana ny miaramila hatramin'ny Jona 2017 ny governemantan'i India, tarihin'ny Bhartiya Janta Party (BJP), hamitana azy. Nilaza ny BJP fa ilaina izao fepetra izao hiadiana amin'ny ffindramonina tsy ara-dalàna avy any Bangladesh.

Nangataka tamin'ny Herim-piarovana sisintany (BSF) i Sarbananda Sonowal—Lohan'ny Minisitra vaovao ao Assam, sady manana toerana ambony ao amin'ny BJP— ny hamitana haingana ny asa fanidiana tanteraka ny sisintany. Ny fahombiazana tsy mbola nisy toy izany azon'ny BJP tamin'ny fifidianana tao Assam dia noho ny fampanantenana natao nandritra ny fanentanana fa ho mafy kokoa eo amin'ny sehatry ny fifindramonina ny governemanta tarihin'ny BJP. Ho famaliana ny fitakian'i Sonowal, nanambara ny Minisitry ny Firaisambe Anatiny Rajnath Singh fa hokendren'ny mpitandro ny filaminana ny hanakatona ny sisintany ifanolorana amin'i Bangladesh ao Assam alohan'ny Jona 2017, ao anatin'ny herintaona.

Aah taorian'ny taona maro niandrasana! nametraka ny hanidiana ny sisintany ifanoloran'i India sy i Bangladesh ao Assam ny governemanta- The Times of India https://t.co/8rJiwCe27z via @timesofindia

Ny refin'ny sisintany manontolo ifanoloran'i India sy i Bangladesh dia 4096 kilaometatra, ary tokony ho 7 isanjaton'izany no ao anatin'i Assam. Araka ny nolazain'ny Minisiteran'ny Raharaha Anatiny, dia fefy mirefy 224-kilaometatra no efa voatsangana amin'ny sisintany, saingy mbola misy ny toerana 122 amin'ny sisintany 61-kilaometatra no mbola banga ny sakana hita maso, izay mahatonga ny toerana mora iampitan'ny mpifindramonina. Araka ny planina vaovao napetraky ny governemanta, farafahakeliny 100 amin'ireo toerana ireo no hahazo fefy, ary hametraka karazana sakana maro ny BSF amin'ireo toerana ambiny.

Araka ny tatitry ny gazety, nampanantena hanampy manokana ny BSF i Sonowal hahatonga ity asa goavana ity ho azo tanterahina. (misy 42-kilaometatra ao amin'ny zana-paritr'i Dhubri heverina ho tena sarotra ho an'ny ekipam-pananganana.)

@siddharth3 mifampizara korianan-drenirano 54 eo ho eo i India sy i Bangladesh, ahoana no hanidiana tanteraka izany sisintany mora gorobaka be izany?

Nanoratra i Ikhtisad Ahmed ao amin'ny Scroll.in:

The Assamese backlash against Bangladeshi refugees and migrants took off in 1979, when the electoral rolls showed a disproportionate rise in registered voters. The concern from the local populace, which was concentrating on tribal autonomy at the time, was that the large influx of Bengali Muslims would change the outcome of the election and divert from the state’s political demands.

Ny tsy itiavan'ny Assamey ireo Bangladeshi mpitsoa-ponenana sy mpifindramonina dia nanomboka tamin'ny 1979, raha nahitana fiakarana be loatra tsy araka ny tokony ho izy ireo mpifidy voasoratra anarana. Ny ahiahin'ny mponina ao an-toerana, izay nanana fizakantena ara-poko tamin'izany fotoana izany, dia mety hanova ny valim-pifidianana ny fidiran'ny Miozolomana Bengali betsaka ary hanova ny tinady ara-politikan'ny fanjakana.

Nanampy i Ahmed:

Assam’s crucial role in the renewed hostilities by virtue of the geography of the Brahmaputra River, and the Bangladeshi government’s failure to cultivate regional kinship and encourage mutually beneficial development in the neighbourhood, make Sonowal’s promise into a deeper predicament for Bangladesh.

Ny anjara toerana manokan'i Assam amin'ny fiverenan'ny gidragidra avy amin'ny hatsaran'ny jeografian’ny renirano Brahmaputra, sy ny tsy nahavitan'ny governemanta Bangladeshi hanolokolo ny firaisam-bolo[poko] ara-paritra sy ny fandrisihana  fampandrosoana iarahan'ny mpifanolobodirindrina misitraka no mahatonga ny fampanatenan'i Sonowal mametraka ho amin'ny toerana ratsy kokoa an'i Bangladesh.

Manontany amim-panoherana ny antony ambadiky ny fanapahan-kevitra ny mpisera Twitter Kanchan Gupta:

Ny fefy tsara mametraka mpifanolobodi-rindrina tsara. Saingy ny hany mahatsara ny fefy dia rehefa tianao ho izay ilay izy. Ny marina, mahamenatra ny fomba fitantarana ny sisintany atsinanan'i India

Shahanaz Parbin Ritu, kosa etsy ankilan'izany, nandray tsara ny fanapahan-kevitra ary nanoratra tao amin'ny Facebook:

ভারত বাংলা বর্ডার সীল হলে আসামের বংগভাষী মুছলমানরা কয়েকদিন পর পর নাগরিত্বর প্রমান দিতে হবে না।

Raha vao mikatona tanteraka ny sisintany ifanoloran'i India sy i Bangladesh, dia tsy ho sasatry ny hitakiana ny fanaporofoana ny mari-panondroana azy ireo intsony ny Miozolomana miteny Bengali any India.

Efa ela no namaky loha ny fiarovam-pirenen'i India ny sisinitany gorobaka ifanolorana amin'i Bangladesh, ary efa nandroso dingana maromaro nandritra ny taona maro ny governemantan'i India hananganana karazana sakana amin'ny fifindramonina tsy ara-dalàna, anisan'izany ny fefy vy mandratra sy jiro mazava dia mazava mahajambena eny amin'ny toeram-pitazanana. Efa nametraka ny politikan'ny sisintany mampiady hevitra amin'ny “tifiro izay hita” ihany koa ny BSF. Ny drafitra vaovao hanamafisana manda bebe kokoa ny sisintany dia hita ho mariky ny fomba vaovao, matotra kokoa, ampidinan'ny governemanta ny fifindramonina tsy ara-dalàna mankao Assam.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.