Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Filankevitra Vaovao Mpanaramaso ao amin'ny Facebook, tsy maintsy hanaisotra votoaty an'ilay milisy sodaney malaza

Mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta ao Sodàna. Sorabaventy mivaky hoe ”Telopolo taona namoretana.” Sary: Hind Mekki tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0).

Tamin'ny  Aprily 2019, naongan'ny vahoaka sodaney ilay miaramila mpanao jadona Omar al-Bashir, izay nitondra ny firenena nandritra ny 30 taona. Kanefa, toy ny aminà tranga marobe rehefa misy fiovàna goavana eo amin'ny tantara, misy ampahany tavela amin'ireo teo amin'ny fitondrana teo aloha — eto dia ny  Rapid Support Forces (RSF).

Ny Rapid Support Forces dia anarana vaovao nampisalorina ny “Janjaweed militia,” malaza noho ireo heloka nataony tamin'ny sivily tao Darfur. Marobe ireo tatitra mirakitra ireny heloka bevava ireny no navoakan'ireo fikambanana iraisampirenena. Tafiditra anatin'ireny tatitra ireny ny “Ireo lehilahy tsy misy antra,” avy amin'ny Human Rights Watch (HRW). 

Ny milisy RSF, teraka sy novelomina nandritra ny taona maro avy ao anatin'ilay fitondrana naongana, dia mbola velona sy mavitrika eo amin'ny sehatra pôlitika ao amin'ny faritra. Mbola mavitrika ara-pisiana ihany koa ao amin'ny Facebook.

Ny tena akaiky indrindra, voarohirohy ilay milisy ho nampiasa ankizy nanao miaramila tamin'ny ady tany Yemen. Ny mpitarika azy, Mohamed Hamdan Dagagalo (fantatra kokoa amin'ny hoe Hemeti), dia hita ao anatin'ny “lisitra ampahany amin'ireo olona tsy maintsy hohadihadian'ny Fitsarana Iraisampirenena.”

Kanefa, tsy hoe fotsiny miriaria malalaka ao Sodàna i Hemeti, fa mbola mitàna ihany koa anjara toerana fototra eo amin'ny fitantanana ny fanjakàna. Izy no lefitry ny filohan'ny Filankevitry ny Fiandrianampirenena, nanao fianianana tamin'ny taona lasa tao anatin'ny fifanarahana fiaraha-mitantana ny fitondràna an'i Sodàna mandritra ny telo taona tetezamita mankany amin'ny fitondràna sivily.

Taorian'ny fionganan'i Al-Bashir, voampanga ny RSF ho nikotrika sy nanatontosa famoretana mahery setra tamin'ny 3 Jona 2019 natao tamin'ireo mpanao hetsipanoherana nifamory nandritra ny fitorevahana iray nitakiana ny hitsaharan'ny fitondràna miaramila. Ampolony mahery ireo mpanao fihetsiketsehana no voaolana, an-jatony no maty ireo mpanao hetsipanoherana am-pilaminana, ary natsipy tany anatin'ny renirano Nil ny faty sasany.

Ny ampitson'ilay famoretana, nantsoina taty aoriana hoe “ilay fandripahana tao Khartoum”— ireo vondrona iraisampirenena mpiaro zon'olombelona, toy ny Human Rights Watch sy ny Amnesty International dia namoaka tatitra nanome antsipirihany ireo porofo manondro ireo andiana fanitsakitsahana vitan'ny milisy RSF.

Andro vitsivitsy taorian'ny niparitahan'ireo olona nandray anjara tamin'ilay fitorevahana, nisy orinasa ejiptiana iray antsoina hoe “New Waves” nandefa fanentanana iray nahery vika tety anaty media sôsialy—isan'izany ny tao amin'iireo sehatra fifampiresahana an'ny Facebook sy ny Instagram— nikendry ny hanolotra sy hanatsara ny sarin'ny milisy RSF sy ireo mpitarika azy. 

Na teo aza ireo fanitsakitsahana nahatsiravina, mbola hita ao amin'ny Facebook hatrany ny RSF, izay tena sehatra fototra fampiasan'ilay milisy mba hanapariahana ny hafatra alefany sy hakàny ny fon'ny olona mba hilalaovany azy. Ny pejy ofisialin'ny mpitarika ny RSF sy ny pejy ofisialin'ilay milisy dia samy mbola mavitrika amin'ny fandefasana votoaty momba ireo hetsika ataon'ilay milisy sy ireo kabary nataon'ny mpitarika azy. Misy ihany koa pejy hafa marobe tsy ofisialy manohana an'i Hemeti. Tohanan'ilay sehatra ny hoe tsy nofoanany ilay pejy satria olom-panjakana i Hemeti, na dia nesoriny aza, tany aloha tany, ireo kaonty anà manampahefana sasantsasany teo amin'ny fitondràna, isan'izany ny an'ilay jeneraly sangany tao Myanmar. 

Efa ho taona iray mahery, nandrindra tetikasa iray aho, izay ikendrena ny fanesorana ireo votoaty an'ny milisy RSF tsy ho ety anaty aterineto. Hatreto, mihoatra ny 20.000 ireo vahoaka sodaney nanao sonia ny fanangonantsonia iray ety anaty aterineto mangataka ny Facebook hanaisotra ireo pejy. Voalaza betsaka ao amin'ny faritra natao hanehoana hevitra ao amin'ilay fanangonantsonia ny momba ny hatezeran'ny olona manohitra ny fanomezana habaka ilay milisy ao anatina sehatra manandanja be tahaka izany. 

Hatreto aloha dia tsy mbola nanaisotra ilay votoaty ny Facebook, na misy aza ny fanairana tsy mitsahatra atao amin'ny alàlan'ilay rafitra natao ho fitorohana ao amin'ilay sehatra

Milaza mazava tsara ny Fenitra ara-Piarahamonina ao amin'ny Facebook fa “tsy avelan-dry zareo hisy ao amin'ny Facebook ireo fikambanana na olontsotra manindrahindra fanirahana hanao herisetra na fidirana amin'ny fanaovana herisetra.” Ilay fenitra dia mamaritra ho herisetra ny “vono olona faobe (tafiditra amin'izany ny fikasàna) na famonoana olona maro” ary “ny hetsika fanaovana heloka bevava na herisetra niomanana.” 

Noho ireo fanitsakitsahana vitany tany aloha, sy ireo heloka bevava an'ady voarakitr'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona sy ny Firenena Mikambana, mahita tranga vitsivitsy aho izay mifanaraka tsara kokoa amin'ny famaritana tetsy aloha fa tsy toy ny an'ny milisy RSF. Mivandravandra ihany koa amin'ny be sy ny maro fa ny tombontsoa itazonana anaty fotoana lavabe ny RSF dia ny hanozongozonana ny ao amin'ny faritra Afovoany-Atsinanana, mihetsika arakaraky ny filàn'ireo izay mandoa ny karaman-dry zareo hanohy ny fandraisana miaramila, hatramin'ny ankizy, mba handeha hiady any rehetra any ao amin'ilay faritra.  

Ny fametrahana ilay Filankevitra Mpanaramaso ao amin'ny Facebook, izay hanomboka hiasa amin'ny faramparan'ity taona ity, dia hanome ny fanentanana ataonay rafitra iray hahafahana manao fampakarana (fanoherana didy) amin'ny fanapahankevitra noraisin'ilay iray goavan'ny tambajotra sôsialy hoe tsy hanaisotra ireo pejy sy votoaty an'ny milisy RSF. Ananan'ilay filankevitra fahefana ny hitsipaka ny Facebook amin'ireo fanapahankevitra fandrindràna mifandraika amina votoaty mampifanolana. Vantany vao misokatra io dingana io, eritreretinay ny hanao fampakarana any amin'ilay filankevitra, ary mifandray amin'io, ho angatahako ny hanajàny ireo fenitra ara-piarahamonina sy hanesorany ilay milisy tsy ho hita intsony  ao amin'ilay sehatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.