Ny tantara mahatsiravin'ny fanarahamaso faobe sy fitsikilovana ao Roandà

Tao anatin'ny Herinandron'ny Firoboroboana Maitso 2017 tao Roandà, mpandray anjara iray manadihady momba ireo fitaovana fanorenana tsy ahitàna ‘karbôna’, sary an'ny Rwanda Green Fund tao amin'ny Flickr CC BY-ND 2.0.
Ity dia anisan'ny lahatsoratra anatin'ny UPROAR, hetsika santatra iray an'ny “Small Media” manainga ireo governemanta mba hiatrika ny fanambin'ny zo nomerika mandritra ny Universal Periodic Review (UPR).
Mijoro ambonina fitantaràna roa mifanohitra ny fanjakàna ao Roandà.
Etsy ankilany, “zaza iangaran'ny tandrefana ” i Roandà, tondroina ho ohatra mamiratra amin'ny fandrosoana ao Afrika, indrindra fa raha resaka fivoaran'ny aterineto sy ny fiovàn'ny nomerika no resahana. Nahazo dera tamin'izao tontolo izao i Roandà noho ny fitàrana be tamin'ny fandrakofany tambajotra finday, ny fandrakofana 4G nampitolagaga ary ny famokarany “smartphone” vita ao an-toerana ihany.
Etsy andaniny, mihodina taoy ny fanjakàna tsy refesimandidy manana ny fahefana faratampony, tena azo ambara ho mivangongo any amin'ny foibe. Ny antoko “Rwandan Patriotic Front (RPF)” eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao dia naka toerana ho toy ny hany mpiahy ny fandriampahalemana, ny fiarovana ary ny fampandrosoana, taorian'ny niainan'ny firenena tao anaty politika tetezamita tamin'ny lafiny rehetra taorian'ny fandripahana sy ny ady an-trano tamin'ny 1994, izay marobe ireo pôlitisiana, mpanao gazety, ary mpisehatra sivily no maty, nafindra toerana na nalàna baràka nandritra izany.
Entin'ny fanjakana manamarina ny fanarahamaso henjana ataony amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny fampanginana ireo tsy mitovy hevitra aminy, ary ny habibiana atao amin'ny mpanohitra ny resaka firaisankinam-pirenena, ny fiarovana, izay ikendrena indrindra indrindra ireo politisiàna any am-pielezana nandositra an'i Roandà mba hiaina an-tsesitany taorian'ilay ady, isan'ireny ireo mpikambana fahiny tamin'ireo hetsiky ny mpihoko nanana ny tobiny tany atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, hatramin'ireo endrika fahiny fantabahoaka tao anatin'ny governemanta ka nandositra an'i Roandà mba hanatevina laharana ireo antoko pôlitika tany Eorôpa sy Etazonia.
Miainga avy amin'ny tantaran'ny firenena momba ireo herisetra nampisarantsaraka ny foko, nandrafitra tetipanorona be pitsopitsony entina manara-maso mavitrika sy hamotehana ireo feon'ny mpanohtra ny governemanta, tamin'ny alàlan'ny fanarahamaso ny tontolon'ny aterineto, ny fampirohorohoana ary ny herisetra — tsy hoe fotsiny tao anatin'ny faritry ny Farihy Lehibe (Great Lakes) fa koa manerana ny tany.
Nandritra ireo telo taona farany, nitarin'ny fanjakana ihany koa ireo fotodrafitrasa fanarahamaso faobe teo an-tànany, miaraka amin'ny fametrahana tsy ela akory izay ireo tambajotrana ‘camera’ CCTV manerana ireo tanàna mifanolo-bodirindrina amin'i Kigakli renivohitra.
Betsaka ireo ohatra azo raisina tamin'ny voalaza fa nanaparitahan'ny fanjakàna ireo teknolojia hamelezana ny tsy mitovy hevitra aminy sy ireo mpikambana avy amina'ny mpanohitra, araka ireo porofo hita amin'ny trangam-pitsaràna marobe izay anoloran'ny mpiampanga ny dika avy amin'ireo resaka manokana nalaina avy amin'ireo fampiasa ifampiresahana anaty finday.
Tamin'ny Septambra 2017, vaky masoandro ny porofo hoe nampiasa tety anaty aterneto ny teknolojia sy rindrambaiko hafa fijiriana ireo sampandraharaham-piarovana sy fitsikilovana, mba hanarahana ireo hetsiky ny tsy mitovy hevitra aminy sy ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra.
Ohatra, vao volana vitsy monja izay, taorian'ny nanambaran'ilay pôlitisiàna Diane Rwigara ny firotsahany hofidiana ho filohampirenana tamin'ny 2017, nosamborina izy, niaraka tamin'ny reniny sy ny rahavaviny, tamin'ny fampiasàna fiampangàna sandoka ho nandositra hetra ary fihaikàna olona hankahàla ny fitondrana. Nandritra ny fakàna am-bavany savaranonando, rakipeo avy tao amin'ny WhatsApp nolazaina fa azo tamin'ny finday an'i Rwagara sy ny reniny no naroson'ny fampanoavana ho porofo miampanga azy ireo. Heverina ho ny fampiasàna rindrambaiko fitsikilovana no nahafahan'ny manmpahefana nahazo ireo hafatra ireo.
Tamin'ny 2019, nisy tatitra iray fanadihadiana lalina avy amin'ny Financial Times nitondra fanazavanana misimisy kokoa momba ny fironan'ny fanjakàna mankany amin'ny fanarahamaso akaiky ny fampiasàana ireo media sôsialin'olontsotra. Naborak'ilay tatitra ny mety ho fampiasàn'ny fanjakana ny rindrambaiko fitsikilovana Pegasus, novokarin'ny orinasa Israeliàna momba ny teknolojia.
Noho ny rindrambaiko Pegasus, azon'ireo masoivohom-piarovana atao ny manangona rakitra avy any amin'ireo findain'ny olontsotra, tsy ahitàna soritra, tafiditra anatin'izany ireo antso an-telefaona, ny olona ifandraisana, ny tenimiafina ary izay rehetra angondrakitra ifandefasana amin'ny alàlan'ny WhatsApp na Skype.
Ny zo hanana fiainana manokan'ny teny dia voarakitra ao anatin'ny lalàm-panorenan'ny Repoblikan'i Roadnà, ary koa ao anatin'ny Fifanarahana Iraisampirenena mifandraika amin'ny Zo Sivily sty Pôlitika (ICCPR) izay nosoniavin'i Roandà.
Fa noho ny resaka filaminam-pirenena, ny lalàna laharana 60/2013 mifehy ny fipaingorana fifandraisana dia maniome alàlana ny fampanoavana hamoaka “baiko am-bava” ho an'ireo sampandraharaha misahana ny fiarovam-pirenena sy ny fitsikilovana mba hijery, hipaingotra ary hamboraka ireo torohay rehetra novokarina, nampitaina, azo na voatahiry any anatin'ireo solosaina rehetra.
Mbola lavidavitra kokoa hono izay, ny tsy fisian'ny lalàna manokana miaro ny angondrakitra momba ny tena manokana dia manome vahana ireo sampandraharaha roandey misahana ny fiarovana mba hanangona tsy amin'ahiahy ireo angondrakitra.
Rehefa tafahoatra loatra ny fampiasàn'ny fanjakàna ireo fitaovana fanarahamaso, tandindonin-doza daholo ny olom-pirenena tsirairay. Ankehitriny i Roandà dia tsy ampy rafitra araka ny lalàna mifanaraka tsara natao ho taridàlana amin'ny fampiasàna ireo teknolojia ety anaty aterineto, amin'ny resaka fiarovana sy filaminam-pirenena.
Tsy maintsy jeren'ny fanjakana izay fomba handrindràna ny fampiasàna sy fampiharana ireny teknolohjia vaovao ireny. Ny fanomezana alàlana dia tokony hifototra aminà porofo tsy mitanila avy aminà mpitsara iray na rafitra tsy mainkina iray araka ny lalàna. Fanampin'izay, tokony raràn'ny fanjakana ny fanangonana an-jambany ireo angondrakitra mahakasika fiainana manokan'ny tena, tsy fanomezana alàlana raha tsy aminà tranga tena tsy maintsy ilàna ny fanaovana izany.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...