Andro iray taorian'ny nanesoran’ny Filankevi-pirenena ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Ffilaminana ny lalàna miaramila tao Thailand, voalaza fa nisambotra mpianatra 22 avy ao amin'ny Oniveriste Princess of Naradhiwax ao amin'ny faritany Narathiwat rotidrotiky ny ady ireo polisy manampahefana.
Namoaka fanambarana miantso ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo nosamborina sy ny hanesoran'ny jadona miaramila ny lalàna miaramila “mbola mitohy” ao Patani, Yala ary Narathiwat, antsoina mahazatra ho faritra “farany atsimo” be Miozolomana ny Federasionan'ny Mpianatra sy ny Tanora Patani (PerMAS).
Ravan'ny fiokoana, ny fahantrana ary ny fanjakazakan'ny miaramila nandritra ny folo taona farany ireo faritany atsimo ireo. Niantraika tamin'ny fiainan'ireo olon-tsotra marobe izay matetika ampangain'ny tafi-panjakana ho miray fo na manohana ireo hery mpikomy ny fifanandrinana.
Mandritra izany fotoana izany, nampandre ny Global Voices ny Free Voice, drafitr'asam-pampitam-baovao tantanin'ireo mpianatra Patani fa nisy ireo mpianatra nosamborina nandritra ny fanenjehan'ny miaramila tao amin'ny trano lehibe fatorian'ireo mpianatra marobe ao amin'ny Hopitaly Narathiwat Rajnakharin, Kampong Tako ‘, Polytenic College, ary Lorong Narakul.
Araka ny filazan'ny Free Voice, naneho ny ahiahiny mikasika ny ain'ireo gadra ny mpianatra sy ny tanora. Maro ireo niezaka ny hihaona sy miantso ny manampahefanan'ny tafika mba hamotsotra azy ireo. Nilaza ihany koa izy fa mpianatra 11 tamin'ireo 20 no notànan'ny manampahefana ao amin'ny toby miaramila Julaporn, toby miaramila Kaotanyong ary toby (miaramila) Pileng.
Rehefa nanontaniana mikasika ny fihetsiky ny vahoaka, dia nilaza ny Free Voice fa nahazo fanohanana avy ao Bangkok sy ireo firenena manodidina ihany koa ny fiarahamonina :
We see a small but growing movement for justice as far as Aceh, Indonesia and Malaysia. We hope to see more calling for the freedom of our fellow students.
Hitanay ny hadiniky ny hetsika saingy miha-mitombo mitaky ny rariny tonga hatrany Aceh, Indonezia ary Malezia. Manantena hahita antso maro mitaky ny fanafahana ireo mpiara-mianatra aminay izahay.
Mponina maro, indrindra ao amin'ny fiarahamonina Miozolomana no mahatsiaro voahilik'ireo faritany hafa ara-tsosialy sy ara-toekarena. Mety hisy fiantraikany amin'ny fizotry ny fifampiresahana hoavy eo amin'ireo mpioko sy ny fitondrana miaramila ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fandrahonana atrehin'ny fiarahamonina, miampy ity fitànana am-ponja vao haingana ity.