· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2019

Brunei: Twestival Mampiray ny Mpiondana Aterineto

  11 Janoary 2019

Nahavory ireo bilaogera sangany sy mpisehatra aterineto avy amin'ny lafivalon'ny firenena ilay Twestival Brunei voalohany ho fanohanana ny Ivontoerana Fampivoarana ny Ankizy, vondrona iray izay manome fanohanana ho an'ireo ankizy manana filàna manokana.

Ejypta: Mpanao gazety iray hafa voaroaka

Mba hanohizana ireo andiana fanorisorenana na fandroahana mpanao gazety any Ejipta, tahaka an'i Travis Randall, Philip Rizk sy Wael Abbas; dia notazonina tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo taorian'ny nahatongavany i Per Bjorklund, mpanao gazety Soedoà sady bilaogera. Nosakanan'ny polisy izy ary naverina tany Prague tsy misy fanazavana; nolazaina taminy fotsiny fa "ao anatin'ny solosaina ny anaranao."

Serbia: Belgrade ho an'ny Monopoly

Iray amin'ireo kilalao lalaovina amin'ny boritra malaza indrindra eran-tany ny Monopoly, ary misy fifidianana ireo tanàna 24 izay ampidirina anatin'ny Fanontana Manerantany an'ity kilalao ity mandeha amin'izao. Nikarakara hetsipanentanana ireo bilaogera Serba mba hanampiana ny renivohiny, Belgrade, hahazo toerana iray anatin'ny lisitry ny Monopoly.