Afrika: Manolo ny Zava-drehetra ny Fanantenana
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)
Tia mizara ny traikefany sy maneho ny heviny ny vehivavy, saingy tsy hisy mihitsy famantaranandro hiandry azy ireo hipetraka sy hifampizara ny antsipiriam-piainany – na ataony anatin'ny bilaoginy aza izany. Tsy maintsy mitohy ny fiainana.
Ny Fiainana dia ny enjikenjika sy ny tabataba amin'ireo hetsika andavanandro, ny bitabitaka manoloana ireo zava-baovao, ary ireo fanaintainan'ny fitomboana izay mahatonga antsika te hihanjo eo, kanefa mampianatra antsika kosa fa mila mandroso hatrany isika, na inona na inona miseho manodidina antsika. Rehefa vitantsika ny mizara izay rehetra nianarantsika, hitantsika fa mihoatra ireo sisintany sy kolontsaina ireo traikefa. Tsy vitan'ny hoe afaka mandray lesona avy amin'ny tsirairay isika, fa koa afaka mahatsapa fifandraisana amin'ny tsirairay.
“Voaorina tsara ny fiainana hany ka tsy mifanaraka, ary tsy hifanaraka, amin'ny fanantenana ny zava-mitranga,” hoy i Charlotte Bronte, ary, raha jerena amin'ireo zavatra avoakan'ireo vehivavy Afrikana Kristiana ao amin'ny bilaogin-dry zareo dia mitombina io fanambarana io.
Raiso ho ohatra i Favored Girl. Taorian'ny fihatony nandritra ny telo volana, nanaitra ireo mpankafy azy tamin'ny fomba nahafinaritra izy, miaraka aminà fanavaozam-baovao. Manohy mitantara ny A Girl’s Journey Down the Aisle (Ny Fitsangatsangam-behivavy iray any amin'ny Lalantsara) izy. Toa nivoatra tsikelikely ny bilaoginy, ka lasa Ny Fitsangatsanganam-behivavy iray Ivelan'ny Lalantsara.
Mitantara amintsika ireo “zava-manahirana” tsy maintsy nekeny noho ny fanambadiana i Favored Girl:
Nanara-po niantsena izaho sy ny namako ary nony reraka; nankany aminà toerana fisotroana kafe mba hisakafo kely sy hitafatafa. Raha iny izahay nipetraka iny, nitodika taty amiko izy ary nanontany, “Hono ho'aho ry FG, nisy zavatra tiako hanontaniana anao. Ahoana izany fiainana anaty tokantrano izany?”
Te hamaly ny fanontaniany amin-kitsimpo aho, koa niteny azy fa manome fahafinaretana maro dia maro ny fiainana anaty tokantrano, kanefa misy fanitsiana maro tsy maintsy atao. Nanontany ahy ny momba ireo fanitsiana ireo izy, ary niteny taminy aho fa misy ireo zavatra tsy noeritreretinao mihitsy fony ianao mbola mpitovo niaina irery sy tsy nitontaly afa-tsy ny tenanao manokana. Hoy aho taminy, “Ohatra, tamintsika niantsena teo, tsy maintsy nieritreritra momba ireo akanjo sy atinakanjo novidiako aho, satria misy olona miraharaha ny momba azy ireny”. Nahita izany ho mahatsikaiky tokoa izy ary nilaza fa tsy vitany ny hieritreritra ny hampahafantatra olona iray hafa ireo fanapahankevitra rehetra faran'izay bitika ataony toy ireo akanjo novidiany na izay anaovany anatin'ny akanjony. Nihomehy aho ary niteny taminy fa mila fotoana maharitra vao zatra…
Tsy izay fotsiny. Anivon'ireo zavatra hafa:
Taitra aho indray andro rehefa, tahaka ny mahazatra, naka fahafinaretana indray tolakandro no tonga tao amin'ny efitra fandraisam-bahiny Ramose ary nilaza fa nikotaba aho ary nila fahanginana sy fandriampahalemana kely izy. Novandravandrako toy ny hoe miteniteny foana izy. Amin'ny fomba ahoana no nahafahany niantso ny hirako ho “kotaba” sy nangataka ahy hamono izany? Tsy fantany angaha fa isan'ireo zavatra tiako indrindra ny mihaino hira? Nifamaly naharitra izahay saingy mbola tsy nahita vahaolana ihany. Tsy azoko an-tsaina tsotra izao ny hamela ny fihainoko hira noho ny aminy. Nanome sosokevitra ny hanaovako écouteurs izy. Nanaiky tsy sazoka aho kanefa tsy nitovy tsotra izao ny fahatsapana azo avy amin'izany. Amin'izao kosa anefa, nianatra namela ny efitrano misy azy aho rehefa mandeha ny hirako. Manararaotra tsara aho rehefa tsy ato an-trano izy ary afaka alefako mafy be araka izay tiako ny hira!
Kay izany olana! Kanefa inona no ratsy kokoa: Olana, sa Fahadisoam-panantenana?
Miresaka momba ny fahadisoana tsapan'ny olona momba ilay antsoiny hoe “fahadisoam-panantenana mitaiza” i mystoriesmytestimonies:
Toa mandroso avokoa ny olon-drehetra. Inona ny olana amiko? Mahatsiaro tena ho diso isika momba ny fahadisoam-panantenana mitaiza antsika. Maninona aho no tsy afaka mianatra hifaly kokoa anatin'ny asako, anatin'ny tokantranoko, anatin'ny trano fivavahako, anatin'ny vondron'ny namako? Hitanao, na dia manao zavatra hafa aza isika, “mandroso amin'ny fiainana”, mbola mibanjina foana ilay fiainana tiantsika an-tsokosoko.
Dia ahoana ny momba ny Henatra sy ny Fanarabiana – mety ho ireo ve no sedra ratsy indrindra eto ambonin'ny tany? Toa miteny i The Girl With A Fro rehefa miresaka momba ireo olana roa ireo fa tsy maninona izany – ny zavatra iombonan'izy roa ireo dia izy samy mankarary.
Miverina aminà toerana nankarary ahy indray aho amin'izao fotoana izao. Toedraharaha iray tany amin'ny lasako izay nandratran'olona iray ahy tokoa, sy ireo fihetsehampo manodidina izay tranga izay…nahatonga ahy harefo dia harefo io fotoana io – ary koa nahatsapa ho tena tsy tiana noho ireo fihetsik'io olona io…
Tsy minia tsy mahita aho fa teo foana Andriamanitra ho ahy ary mbola eo, ary Izy irery ihany no nahafaka ahy tanatin'izany. Ny zavatra toa tsy vitako amin'izao dia ny firosoana amin'ny fiainana. Saika tsapako fa raha tsy resahina indray mandeha tsy miverina ity tranga ity, dia hitaritarika mandrakizay…ary efa an-taona maro izay. Ny fanaovana izany ho toy ny tsy misy dia tsy hanova ny fisiany ary nefa dia izany no ezahan'ilay olona iray hafa hatao…Tsy afaka miaina toy izany aho.
Manana fahendrena vitsivitsy hozaraina i Believer. Manamarika izy fa tsy tokony hitoetra ela amin'ny zavatra lalovantsika isika – écouteurs, fanoharana sy aretimpo – fa kosa amin'ilay FANANTENANA miharihary izay mitsiry amin'ny fahafantarana Ilay tokana ninoantsika ho Mahatoky:
Manontany tena ny zavatra mety ho niseho aho raha….
tsy nanamboatra ilay sambo-fiara i Noa satria nihomehezan'ny olona (Hebreo 11:7)
niraharaha ny taonany i Sarah (Genesisy 21:1-3)
leo i Joba (Joba 14:14)
nisafidy ny tsy hanakatra ny hevitry ny nofin'ilay mpanompo lahy i Josefa (Genesisy 40:6-14)
nifampisakambina tamin'i Orpa i Rota ary niverina tany Moaba (Rota 1:16-17)
tsy nitondra ny fanangonantsoniany teo alohan'ny mpanjaka i Estera (Estera 4:15-16)…
“Aza matahotra satria hisy farany ireo olana atrehintsika ary tsy ho fongana mihitsy ireo fanantenantsika,” hoy izy nanoro tamim-pahendrena. “Ny hany ilaintsika dia ny mihazona amin'Andriamanitra. Marina ny Teniny ary nanome teny ho anao Izy momba ny zavatra iray, tsy mandiso fanantenana mihitsy Izy, na oviana na oviana na oviana.”
Tsy ho vitako mihitsy na oviana na oviana na oviana ny haneho izany tsara kokoa.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...