Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2016
Rosiana Mpijirika No Tao Ambadiky Ny Fanapahana Herinaratra Tao Okraina, Hoy Ireo Mpikaroka
Heverina ho nataon'ireo Rosiana mpisovoka ilay voalaza fa fanafihana ny aterineto izay nitarika fahatapahan-jiro vonjimaika tamin'ny herinaratra Okraniana, araka ny filazan'ireo mpikaroka Amerikana.
Manohy Ny Fanakanana Ny Mediam-bahoaka i Bangladesh, Mandrahona Tetikady Vaovao Amin'ny Fanaraha-maso
Noho ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra nasehon'ny governemanta, mampiahiahy ho an'ny toeran'ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena ny fivoarana mankany amin'ny fanaraha-maso henjana ny Aterineto.
Inona No Fanambin'ny Taona 2016 Atrehin'i Amerika Latina?
Manontany ireo mpamaky mikasika ny hevitr'izy ireo momba ny tantara goavana indrindra ao Amerika Latina tokony hotaterintsika ny Global Voices. Manorata aminay! Na tsara kokoa, manorata ho antsika!
Mandrisika Ireo Mponina Ao Hong Kong Tsy Hanadino Ireo Mpivaro-boky Nanjavona Ny Zava-kanto Andalambe
“Tsy afaka ary tsy tokony hanadino ny fanjavonan'ireo olona dimy iska. Tsy ara-dalàna intsony ny fiainana andavanandro ara-dalàna.".”
Ny Antsipirihany Faran'izay Kely Indrindra Momba Ilay Lalànan'ny Fitorohana Ao Trinidad & Tobago: Mety Hahabe Asa
Natolotra teo anatrehan'ny Parlemanta ao Trinidad sy Tobago tamin'ny Novambra 2015 ny tolodalàna momba ny Fiarovana ny Mpitoroka. Bilaogera iray mpiady amin'ny kolikoly no mifanakalo hevitra momba ilay tolodalàna ary mihaika ireo mpisera ety anaty aterineto mba hirotsaka amin'izany.
Mpikatroka Miezaka Mamafa Ny Fanilikilihana Ateraky Politikan'ny Governemanta Amin'ny Resaka Fanalan-jaza
"Satria mikasika ahy izany, ny fanapaha-kevitra hanala zaza na tsia dia tokony ho zoko samirery."
Mali: Mikononkonona Ankivy Amin'ny Orange, Orinasa Goaibe Marorantsan'ny Antso Amin'ny Finday, Ireo Mpanjifa Tezitra
Misavorovoro ny tontolon'ny bilaogy Maliana tato ho ato ! Ny antony ? tsy faly amin'ny tolotra omen'ny orinasa goaibe marorantsana frantsay Orange ny mpanjifa. Nanapa-kevitra ny hanao ankivy amin'ny tolotra omen'io orinasa misandrahaka any amin'ny firenena afrikana 16 io ireo mpanjifa tamin'ny voalohan'ny volana desambra 2015.