Mandrisika Ireo Mponina Ao Hong Kong Tsy Hanadino Ireo Mpivaro-boky Nanjavona Ny Zava-kanto Andalambe

Photo: Community Art-boratory, via Facebook.

Sary: Fiarahamonina Zava-kanto-laboratoara, tao amin'ny Facebook.

Ity lahatsoratra ity dia nosaratan'i Koel Chu ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 6 Janoary 2016, ary navoaka eto amin'ny Global Voices indray noho ny fifanaraham-piarahamiasa.

Voaravaka teny “Aiza izy ireo?” ny fitaovana ara-java-kanto an-dalambe niseho tao amin'ny distrikan'ny tsena ao afovoan-tanàna Causeway Bay ao Hong Kong nandritra ny harivan'ny 5 Janoary.

Mitondra ny lohateny hoe “Dimy lahy Tsy hita,” setrin'ny fanjavonan'ireo olona dimy vao haingana nanana fifandraisana tamin'ny fivarotam-boky akaiky mifantoka manokana amin'ny lohateny mitsikera ny Antoko Kaoministan'ny fitondrana ao Shina ny fitaovana najoro.

Ahiana ho nalain'ireo mpitandro ny filaminana shinoa an-keriny tao Hong Kong i Lee Bo, anisan'ny tompon'ny fivarotam-boky, izay tsy hita tamin'ny 30 Desambra. Tsy hita tao an-trano fonenan'izy ireo ao Shenzhen sy Thailandy tsirairay avy ihany koa ny efatra hafa avy ao amin'ity fivarotam-boky ity ihany tamin'ny Oktobra.

Nanomboka nanao fanadihadiana momba ny fanjavonan'izy ireo ny polisy ao Hong Kong ary nanontany momba ny satan'i Lee Bo tamin'ny polisin'ny tanibe Shinoa. Hatreto, tsy misy ny valinteny ofisialy avy amin'ny manampahefan'ny tanibe Shinoa mikasika ny toerana misy ireo dimy tsy hita. Saingy namariparitra ilay mpivarotra boky Hong Kong  tsy hita ho “olom-pirenena shinoa hiringiriny” ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Shinoa Wang Yi ho valin'ny “ahiahy goavana” teo amin'ny Sekreteran'ny raharaham-bahiny Britanika Hammond Philip mikasika ny zava-nitranga, satria mitazona pasipaoro Britanika i Lee Bo.

Eo ambanin'ny fitsipika “firenena iray, rafitra roa “, mizaka fahaleovantena ara-pitsarana avy amin'ny tanibe ny fari-pitantanana manokana ao Hong Kong, ary tsy manana fahefana hiasa ao tsy mahazo fankatoavana mialoha ny manampahefana Shinoa.

Nilaza tamin'ny Hong Kong Free Press ny mpanakanto ambadiky ny “Lehilahy Dimy Tsy Hita” fa “misy songodim-panina” sy “maha adaladala” ny zava-misy, ary nampiany fa natao hanakanan-dalana ny zava-kanto najoro satria nisy fiantraikany tamin'ny fiainana andavanandron'ny mponina ny zava-nitranga.

Nanakorontana ny filaminan'ny fiainantsika sy ny soatoavina inoantsika “ity zava-nitranga tamin'ny olona dimy tsy hita ity”. Tsy afaka ary tsy tokony hanadino ity zava-nitranga ity isika,” hoy izy nanoratra tao amin'ny Facebook. “Lasa tsy ara-dalàna intsony ny fiainana andavanandro ara-dalàna.”

Tsy nanao fanehoan-kevitra avy hatrany ny ankamaroan'ny olona nahita ny tsanga-javakanto, hoy ilay mpanakanto, araka ny efa nampoiziny. Na dia nahafantatra momba ny fanjavonan'ireo mpivaro-boky aza ny ankamaroan'ny olona, nijanona tao amin'ny aterineto ihany ny valin-tenin'izy ireo, hoy izy.

Amin'ny famoronana ity asa ity, nilaza ilay mpanakanto fa manantena hanome aingam-panahy ny olona izy mba handinika izay andraikitra tokony horaisin'izy ireo, satria manana “andraikitra hanao zavatra” ny olona.

Jereo ny lahatsary misy ny fametrahana ny zavakanto ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Fiarahamonina Kanto-ratoara ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.