Mali: Mikononkonona Ankivy Amin'ny Orange, Orinasa Goaibe Marorantsan'ny Antso Amin'ny Finday, Ireo Mpanjifa Tezitra

Nalaina avy tamin'ny fanentanan'ny fikambanana 100megamali mba hanaovana ankivy amin'ny Orange, nahazoana alàlana.
Misavorovoro ny tontolon'ny bilaogy maliana tato ho ato ! Ny antony ? tezitra amin'ny tolotry ny Orange, orinasa frantsay goaibe marorantsana, ireo mpanjifa ny antso amin'ny finday. Nanapa-kevitra ny hanbao ankivy amin'ny tolotr'io orinasa, manana masoivoho any amin'ny firenena afrikana16 io ireo mpanjifa azy ny 1 Desambra 2015 teo.
Hazavain'ny ‘Meritocratie Malienne’, ao amin'ny pejy Facebook vao noforonina noho io antony io, ary efa misy mpankafy 14.978, ny anton'io hatezerana io amin'ny alàlan'ny fampitahana ny tolobidy ampiharina any Mali amin'ny an'i Senegal sy Niger, firenena roa mpifanolo-bodi-rindrina izay mampiasa sandam-bola mitovy, ny Franc CFA [€1=656Francs CFA]:
Ankivy amin'ny ORANGE Mali
Inona no maha-zava-dehibe izany ?8.000.000 tamin'ny aprily 2013 ary 12.800.000 tamin'ny 2014 no isan'ny mpanjifan'ny Orange Mali, rantsan'ny France Telecom ( Fifandraisan-davitra Frantsay), orinasa goavana erantany mikirakira ny antso amin'ny finday, izay mandrakotra firenena maro amin'ny fanolorana ho azy ireo ny fifandraisana amin'ny alàlan'ny aterineto azo ekena na tena tsara mihitsy amin'ny vidiny tena tena voalanjalanja .
Azo lazaina fa iray amin'ireo mpanjifa lehibe indrindran'ny vondrona Orange i Mali, rariny raha omena tombony izy, nefa indrisy… NY MIFANOHITRA AMIN'IZANY : any Mali irery ihany no tsy misy ilàna azy ny fifandraisana amin'ny aterineto 3G+ lazaina fa haingam-pandeha no sady lafo, ary izany na dia miaraka amin'ny ‘fibre optique’ aza.
Eritreretinareo :
- Any Senegal 2000 Fcfa no ahazoana 500MO amin'ny haingam-pandeha. – Any Niger 500 Fcfa ny 500MO fa azoazo ny hafainganam-pandeha. – Any Mali, tena mandreraka be, 4700 Fcfa ny 500MO, ny hafainganam-pandeha amin'izany tena ratsy sady miovaova matetika.
Izany no fitaka, fitaka aharihary sady tsy maintsy faranana…. Tsy Orange irery no mpamatsy fifandraisana any Mali …
Raha misy olona iray any amin'ny iray amin'ireo firenena ireo, azony atao ny mandefa indray mandeha ny totalin'ny fahana ho any amin'ny kaontin'ny finday voaloa vola mialoha an'ny mpanjifan'ny Orange na Maroc Telecom, mpikambana aminà tambajotra fandefasana fahana amin'ny tapakila any amin'ny firenena hafa. Loharano : Transfertpays.com
Maneho hatezerana any amin'ny pejy Facebook iray hafa misy mpikambana 1.251, ny Boycott Orange Mali
Tsy misy antso 📞, Tsy misy somaiso, tsy misy fifandraisana amin'ny aterineto ny tontolo andron'ny 1 Desambra 2015. Izany no tanjona ho tratrarina amin'ity tontolo andron'ny fikomiana ity. Namitaka antsika ny Orange nandritra ny taona maro, nisy aza fotoana nahasahian'ny Orange naka ny fahana voalohan'ny mpanjifa,1f/1ko, tsy misy filazàna rehefa lany ny fahana aterineton'ity farany. Eritrereto, ohatrinona ny vidin'ny 1mo amin'izay fotoana izay. Ajanony amin'izay, tafahoatra tena tafahoatra… #boycottorangemali (ankivyamin'nyorangemali ), #stopauxarnaques (ajanonynyfitaka), #libreauxclientsdeseplaindre ( malalakaamin'nyfitarainananympanjifa)
Ho an'ny mpampiasa Bak Doum izay maneho hevitra amin'io pejy io dia mendrika hanaovana ankivy ihany koa ny mpamatsy Malitel :
Tsy ny Orange irery ihany, tsy maintsy ikomiana ihany koa ireto Malitel tsy manjary ireto. Ny sosokevitro dia ny fikarakarana diabe alahady iray miaraka amin'ny filanjana sora-baventy mba hampahafantarana ny haratsian'ny vokatra atolotr'ireo tambajotranà antso roantsika ireo. Atao manerana ny tanàn-dehibe rehetra eto Mali izany diabe izany. Tsy tokony ho ferana amin'ny ankivy aminà tambajotra sosialy fotsiny fa ‘ndao ho eny an-kianja. Misaotra
Ampatsiahivin'i Aboubacrine Assadeck N'diaye ao amin'ny pejy facebook fanintelony izay misy mpanaraka 20.688, fa mety hanome tolotra hanakorontanana ny hetsiky ny mpanjifany tezitra ny goaibe marorantsana frantsay noho io fiandohan'ny volana desambra io :
Ry namana,
efa akaiky ny faran'ny volana ary mba hanaovana ankivy amin'ilay fikomiana efa nomanina ho azy ireo….dia azo antoka ny #Dérange,fa hanome ‘mega’ amboniny mba hanodinana anareo sy hanakorontanana ny sainareo.Aza mihemotra, tsy misy mila izany fanomezana fanampiny tsy misy ilàna azy izany, tsy ny fanomezana fanampiny no hampijanona antsika.
Raha mahita MSG tsy misy fotony avy amin'ny #DÉRANGE ianao, toy ny hoe : Orange dia mampahafantatra anao fa efa nampidinina ny saram-pifandraisana….ANKIVY MIVANTANA, Aza misahirana mamaky ny tohiny akory.
#BOYCOTT_LE_1er_DEC (FIKOMIANA_NY_1_DES) no baiko, Mahatanjaha !
Andriamanitra anie hitahy an'i Mali
Hazavain'i Mouna Koutam ao amin'io pejy Facebook io ny atao hoe “ankivy” sy ny tokony hataon'ny tsirairay amin'ny fandraisana anjara amin'ny hetsiky ny olom-pirenena :
Nofidian'ny #Stop_Aux_Arnaques (ajanony ny fitaka ataon'ny) Orange_Mali ho tontolo andron'ny ankivy amin'ny Orange Mali ny 01 Desambra 2015 ;
Hazavaina aloha ny atao hoe ankivy :
Ankivy : finiavana mandà ny fanjifàna malalaka ny vokatra na ny tolotry ny orinasa. Tambajotranà fandraharahana ny #Orange_Mali. Noho izany, ahoana no atao amin'ny ankivy amin'ny Orange Mali amin'ny 01 desambra 2015 ?
– Tsy mividy fahana ;
– Tsy mampiasa ny fahana aterineto ;
– Tsy miantso avy amin'ny laharana Orange Mali ;
– Tsy mampiasa ny Orange Money ;
Mandritra io tontolo andro io, aoka mba hatsahatra daholo ny hetsika rehetra mandalo amin'ny #Orange_Mali.
Tsotra, raha toa ka voahaja ara-bakiteny io ankivy io, dia hahitsin'ny Orange Mali manontolo ny tolotra omeny ny vahoaka maliana.
#StopAuxArnaquesDeOrangeMali
Mahatonga hatezerana manerana ny firenena afrikana maro ny kalitao atolotry ny orinasa goaibe marorantsana Orange. Any Senegal ohatra, marihan'ny tranonkala lignedirecte.sn fa :
Taorian'ny andro iray voalohany tena nahomby “tamin'ny ankivy tamin'ny Orange” nahitàna mpandray anjara an'arivony izay nanohitra ny mpandraharaha amin'ny antso finday ary nanameloka ny tolotra mifototra amin'ny “fitaka”, dia nankalazaina tamin'ny 12 Novambra 2015 ny “andro faharoa tamin'ny ankivy tamin'ny Orange”.
Eny tokoa, efa nivondrona tao aminà tambajotra sosialy mba hamorona sehatra fifanakalozan-kevitra sy hanebahana ny ‘haratsin'ny tolotry’ ny mpikirakira antso ireo mpanjifan'ny Orange Senegal hatramin'ny 2012. Ohatra, ao amin'ny Facebook, maro ireo pejy noforonina ho amin'izany, ka ny “Si Toi Aussi Tu Te Sens Arnaqué Par Orange“ (” Raha mahatsapa ihany koa ianao fa voafitaky ny Orange”) , izay misy mpikambana dimy arivo sy efatra alina eo ho eo no malaza indrindra.
Nikatso ny vokatry ny orinasa Orange tany Senegal taorian'ny fanehoan-katezerana nataon'ireo mpampiasa. Araka ny tatitry ny fanadihadiana nataon'ny manampahefana amin'ny fifandraiasan-davitra momba ny tsenan'ny fifandraisan-davitra senegale, dia nidina 1,08% ny isan'ny mpanjifan'ny Orange tamin'ny telovolana faha-3-n'ny 2015. Very ihany koa ny anjara tsena 0,95-n'ny aterineto ka lasan'ny Tigo sy ny Expresso.

Fàfana fampitahàna ny sandan'ny aterineto any amin'ireo firenena ao Afikra atsinanana, avy amin'ny 100megaMali
Na izany aza, niakatra be ny vokatra tao anatin'io vanim-potoana iray io tany amin'ireo firenena afrikana 16 izay misy io orinasa goaibe marorantsana io. Ao anatin'ny faritra ara-jeografika mavitrika misy azy, Afrika sy Afovoany Atsinanana mitambatra ho vondrona iray, no ahazoan'ny Orange ny fitomboany betsaka indrindra araka ny fanambaran ‘i Marc A ao amin'ny techofafrica.com :
Ny vola maty (3,5 lavitrisa euro) voaangona tany amin'ny faritra Afrika sy Afovoany Atsinanana ho an'ilay vondron'ny fifandraisandavitra frantsay Orange no vola maty haingam-pitombo indrindra ( maherin'ny 6%), amin'ny volan'ireo sampana hafa rehetra ao anatin'ny vondrona.
“Mitombo +8,2% ny tolotra finday tamin'ny telovolana fahatelo taorian'ny +6,7% tamin'ny telovolana faharoa, Cote d'Ivoire, Ejipta, Mali, Repoblika demokratikan'i Kongo ary Ginea no mitarika” araka ny fanamarihan'ny vondrona ao aminà fanambaràna.
Tokony hamporisika ny orinasa hanaja bebe kokoa ny afrikana mpanjifa azy ireo vokatra miabo ireo, indrindra fa mivarotra vokatra hafa izy, toy ny Orange Money, tolotra fandefasana sy fandoavam-bola amin'ny finday an'ny vondrona Orange, tolotra manerana ny firenena Afrikana rehetra ahitana ny Orange. Ankoatra izay, ao ireo sampan-draharaha misahana ny vola sy ireo fampindramam-bola madinika, ny tolotra “Labaroun Kassoua”, izay manome amin'ny alàlan'ny somaiso ireo torohay momba ny vidin'ireo vokatry ny fambolena sy ny vidin'ny biby fiompy ho an'ny tontolo ambanivohitra manerana ny tsena lehibe any Niger, ny tolotra “Senekela” natomboka tany Mali dia foibenà antso an-telefaona izay ahafahan'ireo manampahaizana momba ny fiompiana sy fambolena mampahafantatra na manoro hevitra ireo mpamboly, ny tantsaha sns…, amin'ny fiteny ao an-toerana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...