Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jolay, 2014
Tsy Tian'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Anti-Gay ao Jamaika Ny Antsoina Hoe Mpankahala Pelaka
Niala an-daharana mba tsy hopetahana anarana "hômôfôby" ireo vondrona manohitra izay mety ho fanafoanana ny lalàna manohitra ny sodomia tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahan-tany. Nilaza kosa ireo bilaogera ao Karaiba fa rehefa hômôfôbia dia hômôfôbia.
Nomelohina Ho Manao Fampihorohoroana Tao Etiopia Ireo Bilaogeran'ny Zone 9
Nolavin'ireo bilaogera sy mpanoratra gazety sivy ireo fiampangana azy, amin'ny 8 Aogositra indray ny fotoam-pitsarana azy ireo manaraka.
Mitarika Ireo Mpianatra Baloutche Amin'ny Fitakiany Ny Fahaleovantena Amin'i Pakistana Ity Vehivavy Ity
Miatrika fanamby maro ireo vehivavy ao Baloutchistan, isan'izany ny fiarahamonina izay manome lanja mavesatra ny raim-pianakaviana ka anjakan'ny lehilahy, ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa ho an'ny fampianarana sy ny haivan'ny taham-pahaizana mamaky teny sy manoratra eo amin'ny vehivavy.
Oscar López Rivera: Porto-Rikàna Nandany 33 Taona Tany Am-ponja Tao Etazonia, Miteny Hoe Tafahoatra Izay
Nisarika ny sain'ireo famoaham-baovao isan-karazany ary avy amin'ireo olona ao amin'ny Firenena Mikambana manohana ny famotsoana azy ny raharaha Oscar Lòpez Rivera tato anatin'ny herinandro vitsivitsy
Ahoana No Hanivahana Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Governemanta Ejipsiana Amin'ny Aterineto
Manolotra tari-dalana hanakanana ny Fanarahamaso ny Aterineto ataon'ny Minisiteran'ny Atitany i Tarek Amr.
Manao Fitakiana Amin'ny Alalan'ny Fampiasana Media Sosialy Ireo Mpiasan'ny NXP Ao Filipina
Nahazo fanohanana manerantany ny hetsika #bringbacknxp24 tao amin'ny media sosialy, izay mitaky karama ara-drariny sy asa raikitra.
Misy Tsara Sy Ratsy Ao Anatin'ilay Lalàna Vaovao Mifehy Ny Asa Ao Kiobà
Ankoatry ny resaka hafa dia niteraka resabe manodidina ny antony miteraka fanavankavahana, sy fifamondronana sendikaly ary ny fandroahana ilay Lalàna vaovao Mifehy ny Asa ao Kiobà.
Mitady Fanohanana Avy Amin'ny Vahoaka ny Fikambanana Mpanao Tantara An-dampihazo iray Hamokarana an'Ity Tantara an-tsehatra “Mahery vaika” mikasika ny fifankantiavan'olon-droa mitovy fananahana ity any Kioba
Mitantara ny fanararaotana ny sy ny fanagadrana ny olon-droa mitovy fananahana mifankatia tany Alemana Nazi ka nitarika ny Ady Lehibe II ny "Bent".
Apoakan'ity Hetsika ity Amin'ny Marina Tsy Tiana Hivoaka Momba ny Mondialy Ny Foiben'ny FIFA ao Brezila
Atsipin'ny mpikatroka amin'ny alalan'ny jiro sy hazavana eo amin'ny rindrin'ny Copacabana Palace Hotel ao Rio de Janeiro ny zavamisy sy ny tarehimariky ny fiantraikan'ny fampiatranoana ilay hetsika ara-panatanjahantena goavana dia goavana.
Nosamborina i Takrooz, Bilaogera Bahrainita Mpanaraby
Nosamborina ilay Bahrainita bilaogera mpanaraby, Takrooz izay voampanga ho "nitarika fankahalana ny fitondrana." Miaka-peo ny mpiserasera ary milaza fa izy ireo no Takrooz manaraka.