
Manoloana ilay fandraisam-bahiny mirentirenty Copacabana Palace ao Rio de Janeiro, 30 Jona 2014. Mivaky hoe “Mampiantrano ny fiadiana ny amboara erantany i Brezila fa tsy afa-mividy na dia iray aza amin'ireo tapakilan'ny FIFA lafo loatra ireo ny Breziliana”. Saripikan'ny Coletivo Projetação zaraina Facebook.
Lasa sehatra fanipazan-kafatra ho fanoherana ny fiadiana ny amboara erantany, tamin'ny 29 jona 2014 ny Fandraisam-bahiny mirentirenty Copacabana Palace Hotel ao Rio de Janeiro — foiben-toeran'ny FIFA ao Brezila — . Atsipin'ireo mpikatroka amin'ny jiro sy hazavana ny zavamisy sy ny tarehimariky ny fiantraikan'ny fampiatranoana ilay hetsika ara-panatanjahantena goavana dia goavana ho an'ny Breziliana, tahaka ny fanerena hifindra toerana hanokafana fananganana foto-drafitrasa.
Coletivo Projetação (fanakambanana ny teny portiogein'ny tetikasa, vinavina ary katroka), vondron'olona mibodo ny toeram-bahoaka ho endrika fanehoan-kevitra politika, mitaky fandraisana andraikitra ao amin'ny hetsi-panoherana. Efa nanao hetsika mitovitovy amin'izao ny vondron'olona tao anatin'ny volana vitsivitsy izao tany an-tanàna Breziliana hafa sy tany ivelany. Tsidiho ny pejy Facebook sy ny habaka Projetacao.org raha hijery sary maromaro kokoa.

Tarehimarika mifandraika amin'ny fanesorana ny olona amin'ny fonenany noho ny tetikasa mifandraika amin'ny mondialy ao Rio de Janeiro.
Na Cidade do rio :
16.700 people relocated
4772 families removed
plus 4.916 families
and 16 communities
with threat of removal
Ao An-tanànan'i Rio:
16.700 ny olona nafindra toerana
4772 ny fianakaviana nesorina
miampy 4.916 ny fianakaviana
sy 16 ny fokonolona mety mbola hafindra