· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2012

Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina

  27 Novambra 2012

Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.

Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra

  26 Novambra 2012

Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.

Made in Libya / Vita Avy any Libia: Bilaogera Ahmed Ben Wafaa

Mpampianatra Siansa i Ahmed Ben Wafaa, izay nanomboka nibilaogy tamin'ny 2000 mba hahafahany milaza amin'ny fombany ny toe-javatra misy ao amin'ny fireneny, ary tamin'ny alalan'ny biloaginy "Made in Libya", na ny Vita avy ao Libya [ar] dia vitany ny tonga tamin'ny toerana maha-loharanom-baovao azy nandritra ny revolisiona Libiana. Nitafatafa taminy i Ahmed Ben Jeddou mba hahalalàna misimisy kokoa mikasika ny fitorahana bilaogy sy ny famoahalalam-baovaon'olon-tsotra ao Libya taloha sy taorian'ny revolisiona

Nahoana No Tsy Tokony Avela Tsy Hisazy Ny Hala-bato Ao Okraina

  23 Novambra 2012

Rakotry ny ahiahy mikasika ny mety ho fisian'ny hala-bato sy endrika kolikoly hafa koa ny fifidianana parlemantera farany teo tao Okraina. Veronica Khokhlova no mampibaribary ny sasany amin'ireo kiana nakarin'ny fiarahamonina sivily Okrainiana manohitra ilay fifidianana, sady milaza fa fotoana izao tokony hiraisan'ny mpanohitra hina manodidina tolona iray iombonana.

Mapa76 : Asa Fanavaon-gazety Angona Mampiseho Ny Fanararaotam-pahefan'ny Jadona Tao Arzantina

  22 Novambra 2012

Mitàna andraikitra fototra amin'ny asam-panadihadiana fanaon'ny gazety ao Arzantina hanadihadiana ny lasa sy ny ankehitrinin'ny firenena ny fanaovan-gazety angona [journalisme de données]. Paula Gonzalo ao amin'ny Periodismo Ciudadano [amin'ny teny espaniola] nanipika ny asan'ilay mpanao gazety Sandra Crucianelli mikasika izany ary nampahafantatra ny tetikasa Mapa 76, sarintany ahafahana mamantatra toerana sy manangom-baovao mikasika...

Fahadisoam-Pamakiana Ny Magnitsky & Kongresy Amerikana Avy Any Rosia

Akon  21 Novambra 2012

Dibo-kafaliana ireo bilaogera mpanohitra Rosiana tamin'ny Asabotsy, taorian'ny fandanian'ny Antenimieram-pirenena Amerikana ilay lalàna antsoina hoe “Lalàna Magnitsky” nahazo fanohanana avy amin'ny Antenimiera roa tonta tamin'ny 16 Novembra 2012. Manilika ny Fanitsian-dalàna Jackson-Vanik ihany koa ny ampahany amin'ny lalàna, ary mandrara tsy hahazo hiditra amin'ny faritr'i Etazonia ireo manampahefana ao amin'ny governemanta...

Bolivia, Manana Aterineto Ve Ianareo?

  20 Novambra 2012

Taorian'ny efa ho folo taona mahery, hatao ny 21 Novambra 2012 izao ny Fanisòm-bahoaka Nasionaly sy ny Trano fonenana ao Bolivia. Ny hany fanontaniana tokana momba ny aterineto dia manadihady fotsiny mikasika ny tolotra, tsy mijery izay karazana fitaovana ampiasaina, ny kalitao, ny fampiasàna azy, ny fivakisana niomerika, sy ny maro hafa, ka very ny fotoana tokony ho fanararaotra hanaovana fandalinana lalina mikasika ity resaka ity.

Shiliana Manao Hetsi-panoherana Ho Fanohanana An'i Gaza

  19 Novambra 2012

Niteraka hetsi-panoherana tsy dia nahazatra loatra teo anoloan'ny Masoivoho Israeliana tao Santiago, Shily ny fifandonana teo amin'ny governemanta Israeliana sy ny Hamas tao amin'ny lemak'i Gaza. Mipoitra ireo fanehoan-kevitra avy aminà firenena iray , izay na eo aza ny elanelan-tany, dia toy ny tanindrazana kosa ho an'ireo Palestiniana manodidina ny 350.000, izay mahatonga ity firenena ity ho manana Palestiana be indrindra mivelona ivelan'ny tontolo Arabo.

Brezila : Mangataka Fivoaran'ny Fanadiovana Ny Mponina Ao Rio

  19 Novambra 2012

Ny tetikasa 'Filàna fototra ny Fahadiovana' nosokafan'ny Fikambanana Meu Rio, dia nijoro ho modely amin'ny fampitomboana isa an' ireo fanentanana fanerem-bahoaka an-tserasera natsangan'ireo olom-pirenena sy ireo hetsi-piaraha-monina cariocas. Araka ny hevitry ny Fikambanana, 'Ny antsasaky ny mponina ao Rio de Janiero hatramin'izao dia tsy mbola manana rano sy famoahan-drano maloto".