Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Janoary, 2019
Serbia: Belgrade ho an'ny Monopoly
Iray amin'ireo kilalao lalaovina amin'ny boritra malaza indrindra eran-tany ny Monopoly, ary misy fifidianana ireo tanàna 24 izay ampidirina anatin'ny Fanontana Manerantany an'ity kilalao ity mandeha amin'izao. Nikarakara hetsipanentanana ireo bilaogera Serba mba hanampiana ny renivohiny, Belgrade, hahazo toerana iray anatin'ny lisitry ny Monopoly.
Bangladesh: Momba ny Zon'Olombelona sy ny Vahoaka Ivelan'ny Sisintany
Fehin'ny bilaogy tao Bangladesh tamin'ny Febroary 2008.
Nesorina ny Mpanazatra an'i Maraoka taorian'ny Fahareseny tamin'ny Fiadiana ny Tompondakan'i Afrika
Nesorina ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Maraokana mpilalao baolina kitra, Henri Michel, taorian'ny voka-dalao ratsy nasehon'i Maraoka nandritra ny CAN: tsy rariny, hoy ireo bilaogera mampiasa ny teny Frantsay.
Bahrain: Valinteny Manoloana ny Fahalasanan'ny Mpitarika ny Hezbollah
Maro mpanohana ny Hezbollah ao Bahrain, ary nisy valiny avy hatrany ireo vaovao nilaza ny fahafatesan'i Imad Mughniyeh, mpitarika ambony ao amin'ny Hezbollah.
Korea: Taombaovao Sinoa, Miady Mafy koa ve ny Lehilahy?
Fialantsasatra goavana ny Taombaovao ao Korea. Mody an-tanindrazany ny vahoaka, mivavaka amin'ireo razambeny, mivory miaraka amin'ireo havana ela tsy hita. Ankehitriny, namokatra ‘Soritr'aretina eo amin'ireo Vehivavy Mpikarakara Tokantrano’ ny Taombaovao noho ny hamafin'ny asa. Kanefa ho an'ny vehivavy ihany ve izany? Tsia. Misy koa ny Soritr'aretin'ny Taombaovao eo amin'ny lehilahy.
MasoArabo: Tsia ho an'ireo Bilaogy ‘Manafintohina’
Mampirisika ireo mpanoratra bilaogy hitatitra ireo bilaogy 'manafintohina' ny Firaisamben'ny Bilaogera Arabo. Ny tanjona amin'izany dia ny hanapahana ny fihanaky ny fitaovana manafintohina anaty aterineto, izay lazain'ny firaisambe fa mandrahona ny fomba fisainantsika, ny fitsipi-pitondrantenantsika ary ny soatoavintsika.