MasoArabo: Tsia ho an'ireo Bilaogy ‘Manafintohina’

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)

Mampirisika ireo mpanoratra bilaogy hitatitra ireo bilaogy ‘manafintohina’ ny Firaisamben'ny Bilaogera Arabo. Ny tanjona amin'izany dia ny hanapahana ny fihanaky ny fitaovana manafintohina anaty aterineto, izay lazain'ny firaisambe fa mandrahona ny fomba fisainantsika, ny fitsipi-pitondrantenantsika ary ny soatoavintsika.

Arab Bloggers Union Logo

Nipoitra tao amin'ny pejin'ny bilaogy Arabo Maktoob ity taratasy manaraka ity, nosoniavin'ny filohan'ny firaisambe, Dr Mohammed Shadi Kaskeen, bilaogera sy poeta Syriana mipetraka any Soeda. Mivaky toy izao izany:

إلى إدارة مدونات مكتوب والسادة المدونين الكرام

يتابع إتحاد المدونين العرب ببالغ الأسف ظهور بعض المدونات المسيئة التي تكيل الإتهامات والهرطقات والشتائم للأديان والرسل والمعتقدات والمقدسات متطاولة على الذات الإلهية مشككة في قيم الأمة ومقدساتها متجاوزة ثوابتنا وأخلاقياتنا.
ولأننا نثق أن موقع ” مكتوب” هو موقع تدويني عربي خالص يلتزم المسجلون فيه بهذه الثوابت والقيم فإن إتحاد المدونين العرب وهو بيت كل مدون وخط الدفاع عن حقوق المدونين وأراءهم ومع كل إلتزامه بحرية المعتقد والرأي والإختلاف الإيجابي البناء يناشد موقع مكتوب حذف اي مدونة تتجاوز حدود إختلاف الرأي والإعتقاد إلى التطاول على الذات الإلهية والرسل الكرام صلوات الله عليهم والأديان والكتب السماوية والأخلاق والقيم ويطالب بحظر تسجيل أصحابها مرة أخرى في موقع مكتوب, كما يناشد الإتحاد السادة المدونين الكرام إبلاغ الإتحاد بريدياً عن أي مدونة من ذا النوع دون نشر رابطها بين المدونات أو الترويج غير المتعمد لإدراجاتها المسيئة وهو هدف كل مسيء ومتطاول, ويلتزم إتحاد المدونين العرب بإبقاء الباب مفتوحاً أمام التعاون مع إدارة مكتوب لوقف هذه الإساءات التي لا تقل عن الحملة العدائية والإستهداف المستمر لأمتنا وقيمنا وأخلاقنا وثوابتنا.

Ho an'ireo mpandrindra ny Maktoob sy ny vondrompiarahamonin'ny fanoratana bilaogy,
Amin'alahelo goavana no nanarahan'ny Firaisamben'ny Bilaogera Arabo ny fipoiran'ireo bilaogy manafintohina sasany, izay mitoraka fiampangana sy mampiasa fomba fiteny manambany ny fivavahana, ireo mpaminany sy ireo finoana, manitsakitsaka ny Masina, mametraka fisalasalana momba ireo soatoavina sy finoan'ny vondrompiarahamonintsika ary manararaotra ny fitsipi-pitondrantenantsika. Ary koa satria mino izahay fa vohikala fanoratana bilaogy Arabo ranoray ny Maktoob, tokony hanaraka ny fitsipi-pitondrantenantsika sy ny soatoavintsika ireo rehetra miditra ho mpikambana ao ary koa satria fonenan'ny bilaogera rehetra ny Firaisamben'ny Bilaogera Arabo no sady fiarovana ny zon'ireo bilaogera sy ny heviny, manohana ny fahalalahana hino sy ny fananan-kevitra, ary ireo fahasamihafàna izay mitondra fanarenana, mampirisika ny Maktoob izahay hamafa izay bilaogy rehetra mihoa-pefy amin'ny fanehoankevitra sy ny finoana amin'ny fanitsakitsahana an'Andriamanitra, ireo Mpaminany, finoana, bokim-pinoana, fitsipi-pitondrantena ary soatoavina. Miantso ny fandrarana ny fiverenan'ireo bilaogera (nandika lalàna) hiditra ireo ao amin'ny Maktoob ihany koa ny Firaisambe. Mampirisika ireo bilaogera ny Firaisambe hanoratra aminy sy hampahafantatra azy mikasika izay bilaogy manafintohina, tsy mamoaka ny rohin'ireto farany mba hiresahana ireo hafany manafintohina ao amin'ny bilaogy satria izany indrindra no tena tanjon'ireo mandika lalàna. Hamela ny varavarana hisokatra ho an'ny fiarahamiasa amin'ny mpandrindra ny Maktoob ny Firaisamben'ny Bialogera Arabo mba hamaranana ny fihetsika manafintohina sahala amin'izao izay fanentanana feno fankahalana sy mikendry ny firenentsika, ireo soatoavintsika ary ireo finoantsika.

Nilaza izao ny mpaneho hevitra iray tao amin'ilay lahatsoratra:

جميل جدا !
اتحاد مدونين يطالب بحذف مدونات !
و يطالب المدونين بالعمل كرقباء و مخبرين على المدونات للمساعدة في حذف أكبر عدد من المدونات !!
Tena mahafinaritra! Miantso ny hamafàna ireo bilaogy ny Firaisamben'ny Bilaogera ary mampirisika ireo bilaogera hiasa ho mpanome vaovao sy hanara-maso ireo bilaogy hanampiana azy ireo hamafa izay bilaogy maro indrindra azony fafàna!!

Nanoratra ny mpaneho hevitra iray hafa:

أظن أن التسميه الصحيحة هي رقابة المدونين العرب ، أو مشنقة المدونين العرب ، كمان اللي أفهمه من كلمة اتحاد انه تجمع لأشخاص مشتركين في صفات معينه ، بيتجمعوا بارادتهم الخالصه لتحقيق أكبر نفع له علاقة بصفاتهم المشتركة
فين النفع في الحاله دي؟
Heveriko fa tokony ho Mpanaramaso ny Bilaogera Arabo no anarana mendrika azy, na ilay Fanantonana ny Bilaogera Arabo. Mino ihany koa aho fa tokony hampivondrona ny olona manana fitoviana ny firaisambe iray, izay mivondrona araka ny sitrapony mba hahazoany tombontsoa betsaka amin'izany fiombonany izany. Aiza ho aiza ny tombontsoa eto?

Nitsikera ny fanintelony:

يادكتور
فيه فرق كبير وكاشف- بين حذف العبارات المخالفة للقانون وبين حذف المدونة
Ry Dr malala,
Misy fahasamihafàna goavana be eo amin'ny famafàna ireo teny manafintohina, izay mandika lalàna, sy ny famafàna ny bilaogy iray manontolo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.