(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)
Maro mpanohana ny Hezbollah ao Bahrain, ary nisy valiny avy hatrany ireo vaovao nilaza ny fahafatesan'i Imad Mughniyeh, mpitarika ambony ao amin'ny Hezbollah.
Mahatsiaro ny fotoana voalohany nahafantarany ny fisian'i Mughniyeh i Ali Abdulemam:
عندما كنت صغيرا كنا نتابع اخبار اختطاف طائرة الجابرية الكويتية، كنت صغيرا حينها، ربما ثمان سنين، لا أعرف لماذا كنت مهتم بها، غير أن مرة أختي اجابت بأن المختطفين شيعة لذلك كانت تتابعها
لم يكن يدر بخلدي أن المدبر لتلك العملية التي استهوتني صغيرا سأكون من المهتمين له مستقبلا ، لا يمر شهر او أسبوع أحيانا لا أقوم بجولة في النت حول هذه الشخصية الغامضة، أحب ان أقرأ عنها
لست هنا في معرض تبيان الكثير من مميزات الراحل، فغوغل يكفيك عناء هذا، ولكني هنا مهتم بتجربتي الشخصية مع الاهتمام بهذه الكاريزما الغامضة
…في زيارتي الاخيرة للبنان، وما قبلها أيضا كنت دائم السؤال عن عماد مغنية، بالرغم من معرفتي بخطورة السؤال، في المرة الأخيرة سألت عضو بالحزب أمام عضو آخر، أحدهم قال محاولا الالتفات على الموضوع وتضليلي، عماد مغنية مات وشبع موت وعظامه تحللت وهن لهلق عم يدوروا عليه، خليهم يدوروا” ولكن الآخر والذي كانت علاقتي معه أقوى نفى ذلك الكلام إجمالا
أكثر ما شدني لهذه الشخصية ، هو درجة الغموض والبطولة المصاغة حولها، العلاقات المتشعبة مع كثير من الحركات الثورية والمؤسسات الثورية، أن لا تستطيع دولة خليجية تعلم بوجوده على اراضيها اعتقاله بل وتسفيره بسرعة كبيرة، أن يعمل أكثر من عملية تجميل لوجهه لتغيير ملامحه زيادة في الاختفاء، أن تكون جائزته هي الأكبر من بين المطلوبين أمريكيا بتهمة الإرهاب، هو هذا وغيره الحاج عماد مغنية
Fony aho mbola tanora, nanaraka ny tantaran'ilay fijirihana ny fiaramanidina Kuwaiti Al Jabiriya aho. Teo amin'ny valo taona teo aho tamin'izany. Tsy haiko izay nahatonga ahy ho liana tamin'ilay izy, ankoatra ny filazan'ny anabaviko fa Siita ireo mpijirika, ary izany no antony nanarahany ireo vaovao.
Tsy tonga saina aho tamin'izany fa mbola hahaliana ahy aty aoriana ilay atidoha nikotrika tao ambadik'ity hetsika ity, izay nisarika ny saiko tamin'ny fahazazàko. Tsy misy iray volana na herinandro akory indraindray no lasa ka tsy nitsidihako ny aterineto momba ity olona mifono zavamiafina ity. Tiako ny mamaky ny momba azy.
Tsy hitanisa ny hatsaran'ny maty aho, hanala ny fahasahirananao ny Google. Eto aho, liana amin'ny zavaniainako manokana momba ny fahalianako amin'ny herimpanahiny mifono zavamiafina. … Nandritra ny fitsidihako farany an'i Libanona, sy ilay iray teo alohany, nanontany tsy tapaka ny momba an'i Imad Mughniyeh aho, na dia haiko aza ny loza mety hateraky ny firesahana io raharaha io. Tamin'ny farany, nanontany ny mpikambana iray tao amin'ilay antoko (Hezbollah) aho, nanoloanà mpikambana iray hafa, izay niezaka nanova resaka sy namitaka ahy. Nilaza izy fa maty i Imad Mughniyeh ary potika ny taolany, ary ireo izay mitady azy dia afaka manohy izany. Nandà izany tanteraka ilay mpikambana iray hafa, izay nanana fifandraisana mafy kokoa tamiko.
Ny tena nanintona ahy tamin'ity olona ity dia ny zavamiafina manodidina azy sy ny famonjena nataony: ny fifandraisany amin'ireo hetsika sy fikambanana maro mpitondra rivopanovàna, ny tsy nahafahan'ny firenen'ny Helodrano Arabo na iray aza, izay nahafantatra ny fisiany teo amin'ny taniny, nisambotra sy nandroaka azy, ny fiatrehany fandidiana maro fanovana endrika mba hanovàna ny tarehiny ka hampanjavona azy kokoa, ary ny fananany ny maripankasitrahana lehibe indrindra ao amin'ny lisitry ny ‘Karohina Fatratra’ any Etazonia, iampangàna azy ho mpampihorohoro – izany rehetra izany ary mbola mihoatra izany i Hajj Imad Mughniyeh.
Manome voninahitra azy ihany koa i Haythoo:
خطابات نعي من الـسيد حسن نصر الله, من الأمام القائد الخامنئي, من الـسيد فضل الله, من الحزب, من الأحزاب المعارضة, من الأحزاب الثورية في كل أنحاء العالم… و يجب على شرفاء وطننا أيضاً أن ينعوا هذا الشهيد البطل, الـذي جعل من الأمريكان دجاجاً راكض, فإستحق فعلاً لقب الثعلب الشيعي
Miraraka ny teny fampiononana avy amin'i Sayyed Hassan Nasrallah, ny Imam Khamenei, i Sayyed Fadlallah, ny antoko, ireo antoko mpanohitra, ireo antoko mpitondra rivopanovàna rehetra manerana izao tontolo izao… ary tokony hisaona ity maritiora sy mpamonjy ity ihany koa ny olona mendrika rehetra eto amin'ity firenentsika ity, izay nampitsoaka ireo Amerikana toy ny akoho, ary tena mendrika ilay fiantsoana hoe ‘Ilay Amboahaolo Siita’.
Lahatsoratra mifandraika ato anatin'ny Global Voices Online:
Syria: Nisy Namono i Imad Mughniyeh