Miora · Jolay, 2010

Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Jolay, 2010

Nizeria: Iza no nampiova hevitra ny Filoha— Facebook sa FIFA?

Taorian'ny nahazoany tsikera an-jatony tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Filohan'i Nizeria dia nanafoana ny fampiatoana ny ekipa nasionalin'ny baolina kitra. Kanefa tena ho valin'ny feon'ireo olona mitaraina ao amin'ny Facebook ve no nampiova ny hevitry ny filoha? Sa noho ny tsindry avy amin'ny mpanolotsaina eran-tanin'ny baoilna kitra?

13 Jolay 2010

Myanmar: Resaka manodidina ny amboara eran-tany

Nahazo ny aretin'ny amboara eran-tany 2010 i Myanmar. Lasa ara-dalàna ny herinaratra any amin'ny renivohitra, afaka mijery ireo lalao maimaim-poana eny amin'ireo fahitalavitry ny fanjakana ireo mpankafy, misokatra mandritry ny sasak'alina ireo bara sy ireo fisotroana dite, ireo gazety ny fanatanjahan-tena dia nahazo fahazahoana hamoaka vaovao isanandro, ary maro ireo mponina faly fa avy any Myanmar ireo mpandihan'i Shakira tamin'ilay hira Waka Waka.

12 Jolay 2010

Brunei: Miteraka resabe ao amin'ny aterineto ny fisarahan'ny Mpanjaka

Tamin'ny volana lasa teo iny, nanambara ny fisarahany tamin'ny vadiny fahatelo avy any Malezia ny Sultanan'i Broney. Taorian'ny fanambarana dia samy nimonomonona mikasika ilay vaovao avokoa ireo twitters sy blaogy, na izany avy any Malezia, na avy any Broney. Maro no naneho ny alahelony raha ny hafa kosa maminavina izay mety ho anton'ilay fisarahana.

07 Jolay 2010

Jordania: Vita avy any Israely

Ny fahitana ireo entana vita avy any Israely dia mbola miteraka hatairana manerana ireo firenena Arabo. Osama Al Romoh avy any Jordania dia mampiseho ny hatairany (Ar) rehefa nahalala fa manome akanjo famoahana voafono kitapo vita avy any Israely an'ireo mpianany ny Anjerimanotolo lehibe iray.

05 Jolay 2010

Egypta: Miketrika valifaty ny Minisitry ny atitany

Nampiasa ny media amin'ny aterineto ireo mafana fo Egyptiana amin'ny fampiharihariana tanteraka ny kolikoly sy ny fampijaliana ataon'ireo mpitandro ny filaminana. Marwa Rakha manoratra mikasika ny fihetsehan'izy ireo niseho vao haingana ary manala sarona ny tranga mikasika ny mafana fo Egyptiana iray voatazona tany Libya ato amin'ity lahatsoratra ity.

03 Jolay 2010