Kôlera, aretina mbola mampanahy hatrany any Mozambika

Miahiahy ny manampahefana fa avy any Malawi ny tranga, firenena manamorona an'i Mozambika ary nahitana trangan’aretina. Sary: Giovana Fleck/Global Voices

Nanomboka ny taona 2000, nahitana trangan’aretina izay tsy dia noresahina firy any amin’ny firenena hafa ny tao Mozambika, nefa mampanahy be ny firenena izany. Kôlerà io na ilay antsoina hoe ‘aretin'ny tanana maloto’. Areti-mifindra miverimberina izy io izay mihatra amin'ny olona an'arivony ao Mozambika isaky ny vanim-potoanan'ny orana, amin'ny fiandohan'ny taona.

Vokatr'izany, tamin'ny 31 janoary tamin'ity taona ity, nampitandrina ny vondron'ny firenena mikambana momba ny fahasalamana OMS fa mampanahy kokoa noho ny COVID-19 any Afrika ankehitriny ny kôlerà, noho ny fiparitahan'ny kôlerà isankarazany ao amin'ny kaontinanta, izay ahitana olona maherin'ny 1.460 no maty ary manodidina ny 45.800 no tratran’ilay areti-mifindra. Ho an'ny OMS, i Malawi no firenena mampanahy indrindra, izay olona maherin'ny 1.000 no maty hatramin'ny volana martsa 2022.

Aretina mipoitra vokatry ny tsy fahampian'ny fahadiovana na ny tsy fahampian'ny fahadiovan’ny rano sy ny fikarakarana ara-pahasalamana tsy maintsy atao amin'ny sakafo, indrindra ny legioma ny kôlerà. Aretina mahatonga aretim-pivalanana henjana raha ny kôlerà manokana. Mety hiteraka fahafatesana noho ny tsy fahampian-drano izy io raha tsy voatsabo haingana na dia azo tsaboina aza, .

Raha ny momba an'i Mozambika, ny taona 2023, efa nahatratra faritra maro any amin'ny firenena ilay aretina ary efa maherin'ny 16 no maty. Ohatra, tamin'ny faramparan'ny volana Janoary [2023], nilaza ny Foibe Afrikana Manara-maso sy Misoroka ny Aretina (Africa CDC) an'ny Vondrona Afrikana, fa manahy ny amin'ny fiparitahan'ny fihanaky ny kôlerà ao Mozambika izy ireo.

Fantatra fa tany Niassa, any avaratry ny firenena, no nahitana ny ankamaroan’ny matin’ny kôlerà ary ahiahian’ny manampahefana ny fiavian’izany ho avy any Malawi, firenena mifanolotra amin’i Mozambika, ary nahitana tranga tamin’ity aretina ity. Tao anaty fepetra fahamailoana, nilaza i Domingos Guiole, avy amin'ny sampana fanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana Mozambikana (MISAU), notaterin’ny fahitalavitra tsy miankina STV tamin'ny 16 Janoary, hoe:

Nós temos um cumulativo de 1.376 casos de cólera e 16 óbitos, que correspondem a uma taxa de letalidade de 1,2%.

Miisa 1.376 ny trangana kôlerà ary miisa 16 ny olona maty, izay mitovy amin'ny taham-pahafatesana 1,2%.

Tamin'ny 1 Febroary [2023], nilaza ny fikambanana misahana ny maha-olombelona Médecins Sans Frontières (MSF), fa manohana ny manampahefana ara-pahasalamana amin'ny fifehezana ny valan'aretina ao Mozambika izy ireo:

Actualmente a situação que se apresenta é já de mais de 1.500 casos no país, com vários distritos e províncias afetadas. Os dados oficiais são de aumento para esta semana, mas os dados exactos, o número exacto de casos e tudo o que é mais importante são as capacidades locais, as capacidades do Ministério da Saúde para travar o surto.

Neste caso, estamos a encontrar, por exemplo, no Niassa, que já há muitos anos não tinha um surto, uma falta de capacidade de gestão dos centros de tratamento de diarreia, de gestão de casos. Há muito tempo que no Niassa não havia casos, portanto carece de pessoal de saúde formado e treinado para tratar dos casos. Portanto, precisam de mais apoio dos parceiros.

Amin'izao fotoana izao, mihoatra ny 1.500 ny tranga eto amin'ny firenena, ary distrika sy faritany maromaro no voakasika. Nahitana fitomboana ny angondrakitra ofisialy amin'ity herinandro ity, fa ny tena angondrakitra marina, ny isan'ny tranga sy ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fahaiza-manao eo an-toerana ary ny fahafahan'ny minisiteran'ny Fahasalamana hampitsahatra ny valan'aretina.

Amin'ity raharaha ity, hitanay, ohatra, ao Niassa, izay tsy nahitana valan’aretina nandritra ny taona maro, ny tsy fahampian'ny fahaiza-mitantana ao amin'ny foiben’ny fitsaboana aretim-pivalanana, ny fitantanana ny tranga. Efa hatry ny ela no tsy nisy tranga tany Niassa, ka tsy ampy ny mpiasan’ny fahasalamana nahavita fianarana sy niofana hiatrika ny raharaha. Noho izany, mila fanohanana bebe kokoa avy amin'ny mpiara-miombon'antoka izy ireo.

Ao amin'ny tambajotra sosialy, nasongadina ho mampanahy ny adihevitra momba ilay aretina, ary isarihana ny sain'ny manampahefana ara-pahasalamana Mozambikana handray fepetra maika. Izao no nilazàn'i Egídio Vaz, mpaneho hevitra ara-politika azy hoe:

No Malawi, a cólera forçou duas grandes cidades, Blantyre e Lilongwe, a adiarem o início das aulas. Agora vejo este anúncio da Secretaria do Estado de Niassa a apelar à mobilização da população para adoção de medidas preventivas. Curiosamente o Distrito do Lago faz fronteira com o Malawi, separando-se do Lago Niassa.

Se a cólera já entrou em Lichinga e isto vem desde Setembro, a situação não deve se limitar à mobilização apenas. O assunto exige atitudes adicionais, que julgo estarem a ser implementadas, porém, carecendo da máxima divulgação. No Malawi, a cólera atingiu níveis preocupantes, em parte, devido a falência dos serviços de saúde, provocada pela deterioração da situação económica do país.

Eto Malawi, nanery tanàndehibe roa, Blantyre sy Lilongwe, hanemotra ny fanombohan'ny fampianarana ny kôlerà. Hitako ankehitriny ny fanambaran'ny Sekreteram-panjakana miadidy an’i Niassa miantso fanetsehana ny mponina handray fepetra fisorohana. Indrindra fa manamorona an'i Malawi ny Distrikan'i Lago, ny Farihy Niassa no manasaraka azy ireo.

Tsy tokony ho ferana amin’ny fanetsehana fotsiny ihany ny raharaha rahefa tafiditra ao Lichinga ny kôlerà ary efa hatramin'ny volana septambra izany. Mitaky fihetsika fanampiny ny zava-misy, izay inoako fa ampiharina, na izany aza, tsy misy fampahafantarana betsaka. Any Malawi, tonga amin'ny ambaratonga mampanahy ny kôlerà, amin'ny ampahany, noho ny tsy fahombiazan'ny sampan-draharaha ara-pahasalamana, vokatry ny toe-karena miharatsy ao amin’ny firenena.

Nandritra izany fotoana izany, nanaparitaka fampahafantarana fanairana sy ireo ohatra amin'ny zavatra azo atao mba hifehezana ny aretina ao amin'ny firenena ny Minisiteran'ny Fahasalamana any an-toerana:

A má higiene das mãos contribui para contrair a #cólera. Lave as mãos com água e sabão ou cinza, depois de usar a latrina, e evite que elas fiquem contaminadas pela bactéria que causa esta doença.
Tire dúvidas ligando sem custos para o Alô Vida: VODACOM 84146; TMCEL 821490 ou 1490; MOVITEL 1490 #MISAU #prevençãodacólera

Manampy amin'ny fihanaky ny #kôlerà ny tsy fahadiovan'ny tanana. Sasao amin'ny savony sy rano na lavenona ny tananao aorian'ny fampiasana ny lavapiringa mba hisorohana izany tsy ho voaloton'ny bakteria miteraka ity aretina ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.