Nanao diabe ny vehivavy nanamarika ny Andron'ny 8 martsa tany Tiorkia, na teo aza ny faneriterena ataon'ny fanjakana

 

Diabe tao Istanbul. Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Niseho feno ny firaisankinan'ny vehivavy manerana an'i Torkia nandritra ny diabe fanao isan-taona amin’ny andro alina ny 8 martsa, hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, na dia teo aza ny fisian'ny polisy maro tany amin'ny tanàndehibe sasany sy fandraràna avy amin'ny governora tany an-toerana. Mba hanakanana ny vehivavy tsy handray anjara amin'ity hetsi-panoherana tao Istanbul ity, nakatona ny fidirana sy ny fivoahana amin'ny zotra fitaterana lehibe mankany amin'ny Kianja Taksim sy Şişhane ora vitsivitsy talohan'ny hanaovana ity diabe amin'ny andro alina ity. Nosakanan’ny polisy ny sisin-dalana maro mihazo ny toerana fihaonana izay nambaran’ny mpikarakara.

Nandritra izany fotoana izany, nampanantena ny antoko mpanohitra fa ity no diabe farany ataon'ny vehivavy ahitana ny fanatrehan'ny polisy maro sy fandrarana. Ao anatin'ny sioka, nilaza toy izao ny antoko mpanohitra lehibe avy amin'ny Antoko Repoblikam-Bahoaka, Canan Kaftancıoğlu filohan'ny faritanin'i Istanbul hoe: “Hifankahita any amin'ny kianja Taksim isika ny 8 martsa amin'ny taona hoavy,” mba ho fanondroana ny biraon'ny governora ao an-toerana izay manidy tsy tapaka ny kianja amin'ny fihetsiketsehana lehibe. Nivoady ny antoko mpanohitra tamin'ny herintaona, talohan'ny diabe fanao isan-taona, fa hampihatra indray ny Fifanarahana tao Istanbul, iray amin'ireo antontan-taratasy iraisam-pirenena lohalaharana manerantany manameloka ny herisetra an-tokantrano. Niala tao amin'ny Fifanarahana tao Istanbul i Tiorkia tamin'ny volana Martsa 2021 noho ny filazan’ny governemanta ao amin'ny Antoko Rariny sy Fampandrosoana (AKP) fa “fanaovana ho ara-dalàna ny fiarahan’ny samy lahy na samy vavy” ilay fifanarahana.

“ Tapa-kevitra izahay ny hampitsahatra ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Rehefa tonga eo amin'ny fitondrana izahay dia mikasa ny hanomboka hampihatra ny Fifanarahana teto Istanbul ao anatin'ny herinandro voalohany. Hampihatra am-pahombiazana ny fifanarahana iraisam-pirenena sy ny lalàna nasionaly izahay, ” hoy i Aylin Nazlıaka, Filohan'ny Sampana Vehivavy ao amin'ny Antoko Repoblikam-Bahoaka, nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety niarahana tamin'ireo lehiben'ny sampana vehivavy any amin'ny faritany miisa 81 sy ireo distrika miisa 973 tamin'ny 8 martsa 2022.

Nilaza ny vehivavy iray nanatrika ny fihetsiketsehana tao Istanbul tamin’ny BBC Tiorka, fa nanatrika ny famoriam-bahoaka izy satria hoy izy hoe “Mbola tanora izahay, saingy torotoro ny fonay, tsy azoko antoka hoe hatraiza ny fanantenanay momba ny fiainana. Izany no mahatonga anay ho eto.”

“Eto aho ho an'ny zon'olombelona, mba tsy hamonoana ahy mora foana; ho an'ny zon'ny LGBT rehetra, ny vehivavy ary ny ankizy. Te ho velona izahay, te ho afaka, te hiaina tahaka ny olombelona ary te hitovy lenta izahay, ” hoy i Florence Konstantina Delight, mpanakanto malaza amin'ny fampisehoana sarimbavy, tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny BBC Tiorka.

Araka ny We Will Stop Femicides, sehatra iray ao an-toerana mitantara ny herisetra atao amin'ny vehivavy, tamin'ny taona 2022, dia vehivavy miisa 334 no novonoin'ny lehilahy raha vehivavy miisa 245 no hita faty tamin'ny fomba mampiahiahy. Mandritra izany,  nilaza ny vondrona vaomiera parlemantera momba ny fahafahana mitovy ho an'ny vehivavy sy ny lehilahy fa hatramin'ny nialan'i Tiorkia tamin'ny Fifanarahana tao Istanbul, vehivavy miisa 603 farafahakeliny no maty nisy namono ary vehivavy miisa 464 no maty tamin'ny fomba mampiahiahy.

Nihiakiaka ny “fialan'ny governemanta” ihany koa ny vehivavy ankoatra ny antso ho amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny fiverenana ho amin'ny Fifanarahana tao Istanbul. Nitranga hatrany ny antso fanakianana ny fanjakana noho ny fahataran'ny fandraisana fepetra haingana sy ny fanampiana tany amin'ny faritany maherin'ny folo tratran'ny horohorontany nandravarava.

“Mailaka ny fanjakana tamin’ny fanavotana ny vatavitsìn'ny (coffre-fort) banky ary nampiasa tsindry sy hery hampanginana ny vahoaka mikomy fa avelany ho faty ireo niandry ny famonjena, voatsindrin'ny korontambato nandritra ny andro maromaro”, hoy ny fivakin’ny fanambaràna navoakan'ireo vehivavy nivory tao Istanbul. Niampanga ny fanjakana ho niaro ireo mpanao herisetra amin'ny vehivavy ihany koa ireo vehivavy ireo. Ary nivoady ny hitana ho tompon’andraikitra ireo izay “nampizàka ny vahoaka mahantra sy ny vehivavy ny vokatry ny krizy ara-toekarena, namadika ny horohorontany ho tombontsoa, ary niantso ny vahoaka izay tsy matiny nandritra ny horohorontany, nitolona tamin'ny hanoanan'ny mpandroba.”

Nisy sora-baventy lehibe notazonin’ireo vehivavy mivaky hoe: “Tezitra izahay, misaona, ao anatin’ny fikomiana feminista izahay”.

Diabe tao Istanbul. Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Rehefa avy namaky ilay fanambaràna ry zareo, dia nisy andiana vehivavy nijanona tao rehefa nanomboka niparitaka ny vahoaka betsaka. Nifandona tamin'ny polisy izy ireo nitaky ny hanokafana ny arabe mba hamela azy ireo hanohy ny diabe mankany amin'ny kianja Taksim. Nampiasa hery sy baomba mandatsa-dranomaso ny polisy. Nanaraka izany ny fanagadrana.

Diabe tao Istanbul. Vehivavy nampiana rehefa avy niharan’ny baomba mandatsa-dranomaso. Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

8 Martsa Andron'ny Vehivavy ary nanomboka izany

Farafahakeliny 30 ny olona notànana vokatr'izany.

Tsapa hatraiza hatraiza ny toe-tsaina feno firaisankina na dia teo aza ny fandraràna sy ny herisetran'ny polisy, eny fa na dia tany amin'ny sambo mampitohy an’i Karakoy-Kadikoy koa aza. Feno vehivavy, lehilahy ary LGBTQ+ izay nihiakiaka, nihira sy nandihy izay notapahin'ilay kapiteny fotoana fohy noho ny fiarahabana ireo vehivavy rehetra tao anaty sambo nandritra ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy. Nihoby sy nitehaka ny olona ho setrin’izany.

Sambo goavambe nanaovana fety izy io. Adinoko mihitsy ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny fisamborana.

Ny fanambaràn'ny kapiteny niarahaba ny vehivavy rehetra #Andron'ny Vehivavy Iraisam-pirenena ny ampahany tsara indrindra

Tao Kadikoy, nisy polisy nilahatra teo ivelan'ny seranan-tsambo, saingy tsy niditra an-tsehatra, satria tsy nitsahatra nihiaka ny vehivavy hoe “Tsy hangina izahay, tsy matahotra, tsy hankatoa.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.