Navoakan'ny Freedom House ny fomba hanoheran'i Mozambika ny fitaoman'i Shina eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao

Santionany amin'ny gazety nivoaka tany Mozambika | nalain'i Dércio Tsandzana ary nahazoana alalana tamin'ny mpanoratra – 23 Aogositra 2018

Tamin'ny tatitra vaovao nataony mitondra ny lohateny hoe “Beijing's Global Media Influence 2022,” ny Freedom House, fikambanana tsy mitady tombontsoa any Etazonia no nanome hazavana vaovao momba ny fitaoman'i Shina eo amin'ny sehatry ny serasera any amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao, anisan'izany i Mozambika .

Ny Beijing's Global Media Influence (BGMI) no fanombanana eran-tany voalohany momba ny dindon'ny Antoko Komonista Shinoa (AKS) amin'ny media sy ny fifaharana demaokratika manoloana izany fitaomana izany notontosain'ny Freedom House. Amin'ny ankapobeny, ny tetikasa BGMI dia mikendry ny HAMPAHAFANTATRA ireo endrika maro azon'ny fitaoman'ny fampitam-baovao ao Beijing — manomboka amin'ny endrika diplaomasiam-bahoaka azo ekena ka hatramin'ny tetika miafina, fanerena, na kolikoly izay mety hanimba ny fahalalahana demaokratika.

Araka ny asehon'ny tatitra, ny sakana amin'ny fiteny ao Mozambika no singa iray manakana an'i Shina tsy hanana hery dindo lehibe kokoa ao amin'ny firenena, raha nampiasa vola be tamin'ny fiteny vahiny lehibe — anglisy, espaniola ary rosiana — i Shina. Na dia maro aza ireo famantarana miabo ho an'ny fampahalalam-baovao Mozambikana amin'ny ankapobeny manoloana ny fitaoman'ny Shinoa, dia noraketin'ny angona ihany koa ny teboka sasany mbola marefo.

Ny tatitra

Nodinihana tao amin'ny tatitra ireo setriny mivantana manoloana ny fitaoman'ny fampitam-baovao AKS any amin'ny firenena miisa 30 sy ireo fahazakàna na faharefoana amin'ny fitaomana miteraka olana na ny ezaka fanodikodinan-dresaka ataon’i Beijing. Ny fotoana teo anelanelan’ny volana Janoary 2019 ka hatramin'ny volana Desambra 2021 no nifantohan’izany.

Ireo singa misongadina dia nahitana ireo lalàna sy fomba fanao miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny halehiben'ny fanangonam-baovao mitsikera sy marolafy mifandraika amin'i Shina sy ny fampiasam-bolan’ny Shinoa amin'ny toekarena eo an-toerana, ary koa ireo fisantaran'andraikitra mahazatra sy manokan’i Shina ataon'ny governemanta sy ny fiarahamonim-pirenena mba hanoherana ny fandisoam-baovao, hanaraha-maso ny fampiasam-bola amin'ny fampitam-baovao, hampitombo ny mangarahara , ary hiarovana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Nofantenana araka ny fepetra maromaro ireo firenena tafiditra ato anatin'ity tatitra ity. Firenena isan-karazany no nofantenana ho fandalinana tsy amin’ny fiezahan'i Beijing amin’ny fitaomana ihany fa amin’ny vokany sy ny fiantraikany eo amin'ny sehatra demaokratika ihany koa. Mba ahafahana manatontosa famakafakana maneran-tany, nisafidy santionany amin'ny lafiny jeografia, fiteny, ary toetran'ny fifandraisan'ny roa tonta amin'i Shina ny Freedom House.

Fahatelo, nitady firenena nahitana porofo mazava momba ny fitaoman'ny fampitam-baovaon'i Shina ny Freedom House ary nitady ohatra tamin'ny fanoheran’ny fampitam-baovao na ny fitaomana ara-politikan’ny AKS. Fahefatra, nodinihany ny maha-zava-dehibe ny lafiny stratejika sy ny habetsahan'ny mponina ao amin'ny firenena iray, ary nosafidiany tamin’izany ireo firenena manana mponina somary betsaka na manan-danja ara-stratejika.

Topimaso ankapobeny momba an'i Shina eo amin'ny sehatry ny serasera

Amin'ny ankapobeny, nanambara ny tatitra fa nanitatra ny fitaomany amin'ny fampitam-baovao maneran-tany ny governemanta Shinoa: voatondro ho Avo na Avo dia Avo any amin'ny firenena miisa 16 amin'ireo 30 nodinihina tamin'ity fanadihadiana ity ny herin’ny ezaka fitaomana ataon'ny fampitam-baovao ao Beijing. Tany amin’ny firenena miisa 18, nitombo ny ezaka nataon’ny fitondrana Shinoa nandritra ireo telo taona nifantohan’ilay tatitra tamin’ny fanadihadiana.

Manazava ny tatitra fa mampiasa paikady lalina sy manery kokoa ny Antoko Komonista Shinoa (CCP) sy ireo omeny fahefana mba hamolavola ny fitantaran'ny fampitam-baovao sy hanafoana ny tatitra manakiana. Anisan'izany ny fizarana faobe ny votoaty tohanan'i Beijing amin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovao mahazatra, ny fanorisorenana sy ny fampitahorana ireo fampahalalam-baovao mamoaka vaovao na hevitra tsy ankasitrahan'ny governemanta Shinoa. Hita ho paikady fototra ny fandrahonana an-habaka, ny tatibaovao diso, ary ny fanentanana fandisoam-baovao efa voakendry.

Fanampin'izay, nambara fa, tany amin'ny firenena miisa 23, nanafika ireo fampitam-baovao nasionaly ny mpitondra politika na nanararaotra ny ahiahy ara-drariny momba ny fitaoman'ny AKS tamin’ny fampiharana fameperana tsy ara-drariny, fikendrena ireo fampahalalam-baovao mitsikera, na ny fandrehetana ny fihetseham-po fankahalana vahiny.

Ny fitaoman'i Shina ao Mozambika: ny sakana amin'ny fiteny

Kely dia kely ny fahitana ny fampitam-baovaom-panjakana Shinoa ao Mozambika, ary voasakana ny fivoarany noho ny zava-misy fa tsy mamoaka votoaty amin'ny fiteny eo an-toerana izy ireo ankoatra ny teny paortiogey, izay ampiasain'ny latsaky ny antsasa-manilan'ny mponina fotsiny ihany.

Gazety any Maputo. Sary: Manuel Ribeiro/GV (nahazoana alalana)

Hita fa nanomboka tamin'ny alalan'ny andiana fifampizaràna votoaty sy ny fifanarahana fiaraha-miasa tamin'ny fampitam-baovaom-panjakana sy tsy miankina talohan'ny vanim-potoana nanangonam-baovao 2019–2021 ny fitaoman’ny fampitam-baovaon'i Beijing tao Mozambika. Zaraina ankolaka amin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana ny ankamaroan'ny votoatim-baovaom-panjakana Shinoa izay mahatratra ireo mpamaky Mozambikana. Na izany aza, mety hitombo ny paikadin'ny fitaoman’ny fampitam-baovao mivantana rehefa mitombo ny fifindrana mankany amin’ny nomerika ao amin'ny firenena.

Raisina manokana, votoaty amin'ny teny paortiogey ihany no avoakan'ny fampitam-baovao Shinoa ikendrena hanatrarana ireo mpamaky Mozambikana, ka mametra ny isan'ny mpihaino (mpamaky). Na dia teny ofisialy aza ny teny paortiogey dia tsy ampy antsasa-manilan'ny mponina no mampiasa azy, ka ireo sangany ara-politika sy ara-toekarena no tena mahafehy azy. Tsapa ankolaka fa tsy fanahy iniana ao Mozambika ny fanoherana ny fitaoman'i Shina, fa noho ny sakana amin'ny fiteny.

Torak'izany ihany koa, nasehon'ny antsafa nakana ny hevi-bahoaka sasany fa nihena ny fanohanana an'i Shina ho maodeli-mpampandrosoam-panjakana nanomboka tamin'ny taona 2015, ary mbola ambany hatrany ny fahalalana ankapobeny momba ny fampiasam-bola Shinoa na ny fanampiam-pampandrosoana ao Mozambika.

Fifaharana miafina sy maivana

Amin'ny ankapobeny, manambara ny tatitra fa manohy manohitra ny mety ho fitaoman’i Shina eo amin'ny sehatry ny serasera i Mozambika na dia eo aza ny fifandraisana ara-tantara lava teo amin'ireo firenena. Raha ny tena izy, araka ny Freedom House, tsy nisy porofo ny fanentanana fandisoam-baovao notohanan'ny fanjakana Shinoa mikendry na mahatratra ny mpanjifa vaovao ao Mozambika nandritra ny vanim-potoana nanangonam-baovao.

Milaza ny ambana lehibe sasany ataon’i Shina ao anatin'ny sehatry ny media ny tatitra. Mifandray amin'ny zava-misy izany fa aseho tsy tapaka ao amin'ny Jornal Notícias, izay gazety lehibe indrindra mivezivezy ao amin'ny firenena, ny lahatsoratra nosoniavin'ny masoivoho Shinoa, ary mivoaka matetika kokoa noho ny an'ny diplaomaty avy amin'ny firenena hafa ny fanehoan-keviny.

Na dia hita aza fa misy ny soritra fifaharana miabo vitsivitsy, dia sokajian'ny tatitra ho marefo ny firenena. Maneho ny maha ampy fitaovana ny firenena iray hamaly ny ezaka fitaomana atrehany ity fanomezan-tsokajy ity. Ho an'i Mozambika, misy ny fironana mampanahy, toy ny fifandraisana ara-tantara matanjaka misy eo amin'ny AKS sy ny Antoko Frelimo eo amin'ny fitondrana, izay azo heverina ho singa iray mitaona sy mampahafanina ny sehatry ny serasera, satria samy manana fironana didy jadona mifototra amin'ny komonisma ny roa tonta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.