Nifidy Ny Filoham-pireneny Faha-4 i Timor Atsinanana Hatramin'ny Niverenan'ny Fahaleovantenany

Fifandimbiasan'ny Fanontaniana sy Valiny teo amin'ny kandidà ho Filoham-pirenena 2017-2020 ao Timor Atsinanana . Eo amin'ny sary , (1) Antonio Maher Lopes Fatuk Mutin, (2) Francisco Guterres Lu-Olo, (3) Amorim Vieira, (4) Jose Samala Rua. Sary: Acacio Pinto/Timor Post, nahazoana alàlana avy amin'ny mpanoratra .

Nifidy Ny Filoham-pireneny Faha-4 i Timor Atsinanana Hatramin'ny Niverenan'ny Fahaleovantena Tamin'ny Laoniny

Voafidy ho Filohan'ny Repoblika vaovao tamin'ny 20 Martsa 2017 tao Timor Atsinanana i Guterres Francisco “Lu-Olo” tamin'ny isanjato 57,08%, araka ny vaovaon'ny STAE (Sekretera teknika Miandraikitra ny Fitantanana ny Fifidianana ) tao amin'ny gazety tsy miankina iray.

Mpitarika revolisionera teo aloha nandritra ny fibodoana Indoneziana i Guterres, ary nandresy noho ny fanohanan'ny fiaraha-mitantana ihany koa izay niforona tamin'ny taona 2007, teo amin'ny antoko roa lehibe indrindra tao amin'ny firenena : ny Manda Revolisionera ara-tantara ao Timor Atsinanana (Fretilin) ​​sy ny Kongresy Nasionaly ho an'ny Fanarenana an'i Timor Atsinanana ( CNRT) izay tarihan'i Xanana Gusmão, ka izy no lasa mpitarika ny Fretilin fahatelo tonga eo amin'ny fitantanana ny fitondram-panjakana nanomboka tamin'ny famerenana amin'ny laoniny ny fahaleovantena.

Antônio da Conceição “Kalohan” no teo amin'ny toerana faharoa, mpitarika ny Antoko Demaokratika (PD), ary nahazo 32,47% tamin'ny vato. Latsaky ny 10% -n'ny vato kosa no azon'ny kandidà enina hafa. :

Nanamafy ny filoha teo aloha,  ilay nahazo ny loka Nobel Fandriampahalemana José Ramos Horta fa mampiseho ny fanirian'ny vahoaka Timorey ho an'ny marimaritra iraisana sy ny fanamarinan-toerana ara-pitantanana ny vokatra. Hoy izy tamin'i Lusa :

O país precisa disso. Não somos um país com décadas de existência, um Estado sólido, e a estabilidade e a boa governação são essenciais acima de tudo

Mila izany ny firenena. Tsy firenena nanam-pisiana am-polo taonany maro isika fa fanjakana mafy orina, ary ny fahamarinan-toerana sy ny fahaiza-mitantana no zava-dehibe mihoatra noho izany rehetra izany.

Ireo mpifidy mampiseho ny rantsan-tànany misy marika rehefa avy nifidy . Sary: Acacio Pinto/Timor-Post, nahazoana alàlana avy amin'ny mpanoratra

Io no fifidianana voalohany hatramin'ny namerenana tamin'ny laoniny ny fahaleovantena izay nahitana ireo Timorey nampihatra ny zony hifidy tany Aostralia sy Portiogaly, ary nahitana vato miisa  246 sy 512 tsirairay avy. Voalaza fa misy Timorey tokony ho 70.000 eo any Aostralia, ary 20.000 any Eoropa.

Niarahaba avy hatrany ny filoha voafidy tao amin'ny tambajotra sosialy ireo Timorey rehefa nahafantatra ny valim-pifidianana . Hoy i Natael Lobato :

Parabens !
Lu-Olo, ema ida ne’ebé “proklama” restaurasaun no agora sa’e ba Prezidénsia timoroan

Arahabaina!
Lu-Olo,  Filohan'ny Timorey ankehitriny ilay olona izay “nanambara” ny fanarenana .

Hoy Natalino De Jesus Dias:

Parabens ba Presidente foun Timor-Leste nian, Dr. Francisco LuOlo periudo 2017 – 2022
“PRESIDENTE IDA DEIT BA TIMOR OAN HOTU HOTU”

Arahabaina ny filoha vaovaon'ny Timor Atsinanana 2017-2022, Dr. Francisco LuOlo
“NY FILOHA HO AN'NY TIMOREY REHETRA “

Hanararaotra izany aho mba hiarahabako ny Filohan'ny Antokoko
.

Nisaotra an'i Xanana Gusmão tao amin'ny Komity Foiben'ny Fretilin nandritra ny fanambarany ny fandresena i Mari Alkatiri, Sekretera Jeneralin'ny Fretilin, noho ny fanohanana an'i Lu-Olo nandritra ny fampielezan-kevitry ny fiadidiana ny filoham-pirenena:

momentu historiku ho prejensa Xanana nian ba Lu-Olo nia kandidatura nudar opurtunidade diak tebes nebe sei loke dalan ba ema tomak atu partisipa iha prosesu dezenvolvimentu Timor-Leste nian.

Fahafahana tsara izay nanokatra ny lalana ho an'ny rehetra mba handray anjara amin'ny fampandrosoana an'i Timor Atsinanana ny fotoana manan-tantara niarahana tamin'i Xanana tamin'ny firotsahan'i Lu-Olo ho fidiana.

Niarahaba ny Filoha voafidin'ny RDTL tao amin'ny pejiny Facebook i Carlos Saky, filoha lefitry ny Antoko Demaokratika (PD) izay nanohana an'i Antônio da Conceição “Kalohan”  :

Parabens ba Dr. Francisco Guterres Lu-Olo, prezidente eleitu RDTL ba periodo 2017-2022. Espera RDTL iha Dr. Lu-Olo nia lideransa nia okos, bele halo buat hotu hodi lori Timor-Leste ba moris hakmatek no diak liu tan.

Arahabaina Dr. Francisco Guterres Lu-Olo, voafidy ho Filohan'ny RDTL ho an'ny fe-potoana 2017-2022. Manantena aho fa hanao ny zava-drehetra mba hanatsarana ny fiainan'ny Timorey iray manontolo eo ambany fitondrana ny Repoblika Demokratikan'i Timor Atsinanana i Dr. Lu-Olo  .

Niarahaba an'i Lu-Olo tao amin'ny hafatra izay nivoaka tao amin'ny pejin'ny Fiadidian'ny Repoblika tao amin'ny Aterineto noho ny fandreseny ihany koa i Marcelo Rebelo de Sousa, Filohan'ny Repoblika Paortigey ka nitso-drano azy mba hahita fahombiazana amin'ny fitondrany .

“Em nome do povo português e de mim próprio, quero felicitar calorosamente Vossa Excelência pela sua eleição como Presidente da República Democrática de Timor-Leste”

“Amin'ny anaran'ny vahoaka paortigey sy ny tenako manokana, dia amin-kafaliana no hiarahabako anao ry Filoha Hajaina noho ny nahavoafidy anao hitondra ny Repoblika Demaokratikan'i Timor Atsinanana”

Ny 20 May 2017 i Guterres no handray ny asany amin'ny fomba ofisialy, izay andro famerenana amin'ny laoniny ny fahaleovantena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.