Naniry, Tena Naniry Fatratra Fifanarahana Visa Maimaim-poana Amin'ny Vondrona Eoropeana I Zeorzia , Ary Tonga Ny Fety Ankehitriny

Ny sainam-pirenena Zeorziana. Asa manokan'ny mpanoratra SKopp miorina amin'ny  ‘Dosie:Brdzanebuleba 31.pdf’ . Tao amin'ny Creative commons.

Nanomboka nankalaza ny roa andro manamarika ny fahombiazan'ny firenena tamin'ny tolotra fifanarahana maharitra ho an'ny olom-pirenena mba hankafy ny visa fandehanana maimaim-poana any amin'ny firenen'ny Vondrona Eoropeana i Zeorzia, firaisana Sovietika teo aloha tamin'ny 28 Martsa .

Nisy vokany ny visa fandehanana maimaim-poana any amin'ny Vondrona Eoropeana !!! Arahabaina, Eoropa i Zeorzia !!!

#ZeorziaEUVisaMaimaimpoana: #Tbilisi #Seranam-piaramanidina Iraisampirenena amin'ny andro voalohan'ny #VondronaEoropeana  tsy mila maka visa ho an'ny olom-pirenena ao #Zeorzia.

Araka ny voalazan'ny tranonkala mifantoka amin'i Zéorzia , Fanaraha-maso Demaokrasia sy Fahafahana tamin'ny tatitra hoe:

There were celebrations in the capital Tbilisi on Monday as Georgian nationals may travel without a visa to Europe’s vast borderless Schengen area from March 28.

Prime Minister Giorgi Kvirikashvili was among government officials who attended a two hour long gala concert on Europe Square marking the end of two days of celebrations. The concert included performances by bands, an orchestra and the opera choir and ended with fireworks and the Georgian national anthem.

From Tuesday, Georgian nationals may visit Europe’s vast borderless Schengen area for up to 90 days in any 180 day period. Also Georgian passport holders living in the breakaway regions Abkhazia and South Ossetia qualify for the visa waiver system.
Customs personnel have been given special instruction to give advice about procedures and check people’s documents, the interior minister said at a special briefing.

Although negotiations started as far back as 2013 with a so-called visa liberalization action plan (VLAP), it took until March this year until Georgia finally signed the agreement. The document was published in the EU journal on March 8 and enters into force on Tuesday.

Nisy ny fankalazana tao an-drenivohitra Tbilisi tamin'ny Alatsinainy satria afaka mitety faritra tsy misy visa ho any amin'ny faritra Schengen midadasika any Eoropa ny teratany Zeorziana nanomboka tamin'ny 28 Martsa.

Anisan'ireo manampahefana nanatrika ny fampisehoana Gala naharitra ora roa ny Praiminisitra Giorgi Kvirikashvili tao amin'ny Kianjan'i Eoropa izay nanamarika ny famaranana ny fankalazana roa andro . Nahitana fampisehoan'ny tarika, ny orkesitra sy ny mpihira opera ny lanonana ary nifarana tamin'ny afomanga sy ny hiram-pirenena Zeorziana.

Afaka mitsidika ny faritra midadasika Schengen ao Eoropa mandritra ny 90 andro ao anatin'ny fe-potoana maharitra 180 andro ireo teratany Zeorziana nanomboka tamin'ny Talata. Afaka mampiasa ny rafitra tsy mila maka visa ihany koa ireo manana pasipaoro Zeorziana monina any amin'ny faritra msintaka Abkhazia sy any Atsimon'i Ossetia .

Nomena toromarika manokana ny mpiasan'ny ladoany mba hanome torohevitra momba ny dingana hatao sy ny fisavana ny antontan-taratasin'ny olona, hoy ny Minisitry ny Atitany tao amin'ny fampahafantarana fohy manokana.

Na dia nanomboka hatrany amin'ny taona 2013 aza ny fifampiraharahana niaraka tamin'ny antsoina hoe drafitry ny hetsika visa malalaka (VLAP), dia tamin'ny volana Martsa tamin'ity taona ity vao nanao sonia ny fifanarahana farany i Zeorzia . Navoaka tao amin'ny gazetin'ny Vondrona Eoropeana ny antontan-taratasy tamin'ny 8 Martsa ary nanan-kery nanomboka tamin'ny Talata.

Naharitra ela vao vita ny fifanarahana, satria toa nanakana izany ireo firenena maro tao amin'ny Vondrona Eoropeana izay niferotr'aina noho ny ” fifindra-monina mandreraka” , ​​hoy ny tatitry ny DFW . Kanefa noraisin'ny fiarahamonina  tamin-kafaliana ny vokatra farany izay lasa miompana bebe kokoa amin'ny Tandrefana ao anatin'ny fihenjanana ara-politika miaraka amin'i Rosia ary nahatratra ny fara tampony nandritra ny ady ara-miaramila tamin'ny faritra nisintaka tamin'ny taona 2008.

Nisioka ny sary nozaraina betsaka tao amin'ny media sosialy izay maneho ny sakafo mahazatra Zeorziana khinkhali (karazana hena baolina) tamin'ny lovia miloko manga ny toniandahatsoratry ny Global Voices any Kaokazy teo aloha sady mpanao gazety monina ao Tbilisi Onnik Krikorian  , izay mampatsiahy ny sainam-pirenen'ny Vondrona Eoropeana .

Tena mahafinaritra. Sary amin'izao fotoana

Mandritra izany fotoana izany, tian'ny Praiminisitra Zeorziana Giorgi Kvirikashvili kokoa ny mihevitra ny sata vaovao ho toy ny fanehoana ny “fiverenana” amin'ny Eoropa noho ny fiheverana izany ho toy ny fandraisana voalohany .

Miverina amin'ny fianakaviana Eoropeana  i #Zeorzia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.