Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

14 Avrily 2019

Tantara tamin'ny 14 Avrily 2019

Niteraka hatezerana ho an'ny vahoaka ny filazan'ny filohan'i Angola tao anatin'ny antsafa fa tsy misy mosary ao amin'ny firenena

"Misy fanampiana ara-tsakafo any Angola ankehitriny, ary tsy misy afaka milaza fa misy hanoanana [goavana] any Angola fa resaka tsy fahampian-tsakafo no misy" hoy ny fanamarihan'ny filohan'i Angola.

Hitsidika an'i Mozambika mandritra ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana amin'ny volana Septambra ny Papa Fransoà

Shina : Sazy valo taona an-tranomaizina ho an’ilay tomponà cybercafe

Voaheloka higadra 8 taona an-tranomaizina i Cao Haibo, 27 taona, tomponà cybercafe iray noho ny fiampangana azy tamin’ny ‘’fanakorontanana ny Fanjakana’’, tamin’ny 31 Oktobra 2012 tao Kunming, tao amin’ny faritanin’i Yunnan, araka ny vaovao avy ao amin’ny New York Times tamin’ny 01 Novambra 2012.

Rosia: Bilaogera nosamborina noho ny tsahotsahon'ny pesta

Nosamborina tamin'ny 3 Desambra i Ivan Peregorodiev, mpianatra mpitsabo sady bilaogera 22 taona noho ny fanaparitahany tsaho momba ny pesta areti-tratra ao an-tanànan'i Saratov. Nampangain'ny manampahefana ho nampiely vaovao tsy marina mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana izy.

Venezoela: Navotsotra i Ortega, ilay mpisera Twitter ‘manakorontana’

VAOVAO FARANY: Navotsotra tany amin'ny paositry ny polisy ny 16 Martsa 2013 i Lourdes Alicia Ortega Perez, ilay vehivavy Venezoeliana  nosamborina taorian'ny fanesoany an'i Hugo Chavez tao amin'ny Twitter . Nentina tany amin'ny fitsarana i Ortega noho ny fiampangana azy ho nanaparitaka vaovao diso sy ny fanaovana hosoka.

Afrika Atsimo: Tsara fanombohana ny Bafana?

Nanoratra momba ny ekipam-pirenena Afrikana Tatsimo ao amin'ny  Fiadiana ny Tompondakan'i Afrika ny South Africa Rocks hoe: "Tsy fanombohana ratsy ao amin'ny Group Of Death (GOD - hafahafa). Mipetraka amin'ny toerana tokana ankehitriny ny ekipa rehetra ao amin'ny vondrona ary farafaharatsiny tsy vodilaharana ao amin'ny vondrona."