03 Septambra 2018

Tantara tamin'ny 03 Septambra 2018

Fantaro ilay bilaogera Sara Abd Al-Maktari

Rising Voices  03 Septambra 2018

Nanomboka nandray anjara tamin'ny atrikasa voalohany natolotry ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices 'Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media' (EWMAT) any Yemen ilay bilaogera Sara Abd Al-Maktari. Nanolontena izy nanomboka tamin'izay tamin'ny fitarihana ny andiana atrikasa mba hampianarana ny vehivavy momba ny fampiasana ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.

Tonizia: Ireo Fifidianana Ao Maoritania, Ilay Ampinga Lehibe Ary Mohamed Abbou

  03 Septambra 2018

Saika tsy dia noraharahain'ny tontolombolongana Toniziana ny fifidianana filoham-pirenena tao Maoritania. I Nadia de Tunis [teny frantsay] irery ihany no misarika ny saina hankamin'io tranga ara-tantara ao amin'ny firenena io, izy izay mpikambana amin'ny UMA (Union du Maghreb Arabe). Ao anatin'ity lahatsoratra ity, resahan' i Nadia ny fanapahankevitra "mahagaga" nikarakarana an'ireo fifidianana, noraisin'ny miaramila iray izay nanangona ny fahefana tamin-kery tao amin'io faritr'i Afrika io, izay tsy isian'ny tetezamita milamina mihitsy. Manao teny tsy loabody ihany koa amin'ny tranga ao anatin'ny sisan'i Maghreb sy ireo firenena afrikana ity lahatsoratra ity.