Tantara tamin'ny 08 Desambra 2016
Ny Tsipika Manify Manasaraka Ny Sivana Politika Sy Ny Ady Manohitra Ny Vaovao Diso Any Iran

Te hifehy ireo ireo kaontim-baovao ao amin'ny media sosialy izay manana mpanjohy maherin'ny 5000 i Iran noho ny loza ateraky ny vaovao sandoka. Nefa ahoana ny mikasika ny lozan'ny fahalalahana miteny?
Niainga Tamin'ny Fikasana Hangalatra Ny Anaran'ny Antoko Mpanohitra Ny Fampielezan-kevi-pifidianana Makedoniana
Fantatra fa hotontosaina amin'ny 11 Desambra 2016 ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana ao Makedonia. Efa nanome vokatra goavana mampiady hevitra sahady ny fampielezan-kevitra ofisialy nanomboka tamin'ny 21 Novambra 21, tsy lazaina intsony ny fofon'ny rivotry ny fiovana.
Nahazo Fankasitrahana Ihany Ilay Bangladeshita Mpiasan'ny Lalamby Namonjy Lehilahy Iray
"Tsara sy mahafinaritra kokoa izao tontolo izao noho ny asan'ny olona be herim-po vitsivitsy sy marina. Manaja an'ilay mpiandry lalamby Billal aho noho ny asany mihevitra ny maha-olona."
Vaovao Lainga, Fifidianana Milamina Sy Zavatra Maro Hafa Ao An-tsain'ireo Ghaneana Alohan'ny Fifidianana
Fampahatsiahivana amin'ny maha-mpinamana , tsy voatanisa ireo valiny maranitra tao amin'ny media sosialy, ny firehetam-po, ny zava-misy sy ny tarehimarika . Isaina ny vatonao . Mandehana mifidy!
Mitohy Ny Fanao Makedoniana: Manentana Ny Ady Amin'ny VIH/SIDA Ny Fanisanandron'ny Twitter Miboridana
Te ho alaina sary miboridana hanaovana asa fanasoavana ve ianao? Manao izany isan-taona ireo mpisera Twitter Makedoniana ary manentana momba ny ady amin'ny VIH/SIDA ny andiany 2016.
“Resaka” Naharitra Ampolony Taona Teo Amin'ireo Mpiangaly Rock Yogoslavy sy ny Poloney
Na dia tsy matetika loatra aza ny fifamatorana ara-kolontsaina eo amin'ny firenena niteraka an'i Yogoslavia sy Polonina, misy ny endri-pifandraisana iray miavaka. Nandritra ny efapolo taona farany, namorona tetezana manokana nampifanakaiky ny olona ao amin'ireo firenena ireo ny mozika rock.