Nahazo Fankasitrahana Ihany Ilay Bangladeshita Mpiasan'ny Lalamby Namonjy Lehilahy Iray
Tany Bangladesh, lasa nalaza ny lahatsarin'ny fakantsary fanaraha-maso nahitana mpiasan'ny lalamby namonjy tovolahy iray izay natory teo amin'ny lalamby raha handeha handalo iny ny fiarandalamby . Nampiseho hakingana sy haranita-tsaina ilay mpanavotra, raha namonjy ilay tovolahy tamin'ny fahafatesana.
Mpiasa mpiandry lalamby eo akaikin'ny garan'ny Chashara, lalamby mampitohy an'i Dhaka amin'i Narayanganj i Billal Hossain Mazumder 58 taona. Tamin'ny marainan'ny 21 Novambra 2016, nanofahofa saina i Billal, niezaka ny hampitandrina ireo mpandeha an-tongotra hanalavitra ny lalamby rehefa nandalo ny fiarandalamby izay ho any Dhaka. Tampoka teo, nisy mpandeha an-tongotra 26 taona, Mamun Hossain, natory teo amin'ny lalamby teo anoloan'ilay fiarandalamby mandeha . Nanofahofa hatrany ny saina i Mazumder ary nanapan-kevitra haingana, hitsambikina teo anoloan'ny fiarandalamby mba hisintona an'i Hossain hiala teo. Raha tara kely fotsiny dia mety maty avokoa izy roalahy. Tatỳ aoriana vao fantatra fa nanapa-kevitra ny hamono tena i Hossain, avy any amin'ny tanànakely Masdail ao Chashara , rehefa nifamaly tamin'ny reniny .
Mpitranga eny amin'ny lalamby ao Bangladesh ny lozam-pifamoivoizana, satria tsy misy mpiandry ny 40%-n'ny fiampitana lalamby izay miisa 2500 eo ho eo, ary tsy manaraka ny fitsipika sy ny famantarana ny olona. Tao anatin'ny enin-taona, 152 ny olona maty tamin'ny loza an-dalamby.
Azo sary tamin'ny fakan-tsary fanaraha-maso ilay mpanavotra be herim-po ary nozaraina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Fiarandalamby ao Bangladesh izany. Tsy ela dia niparitaka be manerana ny sehatra media sosialy isan-karazany ilay lahatsary.
Nilaza ny mpanao gazety Ashif Entaz Rabi fa angamba tsy mahazo sitraka loatra araka izay tokony ho izy tamin'ny asany i Mazumder indrindra araka ny fahitana ny fihetsiny amin'ny fanampiana ny hafa :
বিল্লাল রেলের একজন সাধারণ গেটম্যান। তার কাজ ট্রেন এলে লাল কাপড় উড়ানো।
সেই ১৯৮৪ সাল থেকে তিনি রেলের গেটম্যান। তখন বেতন পেতেন ২৪ শত টাকা। বত্রিশ বছরে বেতন অনেক বেড়েছে। এখন তিনি বেতন পান ৭ হাজার টাকা। এই টাকায় কী করে একটি লোকের পরিবার চলে, আমি ঠিক জানি না।
ও আরেকটি কথা, গত ৩২ বছরেও বিল্লালের চাকরি স্থায়ী হয়নি।
Mpiandry lalamby tsindraindray eo amin'ny Lalambin'i Bangladesh i Billal. Manevaheva saina mena rehefa handalo ny fiarandalamby ny asany.
Hatramin'ny taona 1984 izy no nanao io asa io ary nanomboka tamin'ny karama 2.400 BDT isam-bolana ( 94 dolara, araka ny tahan'ny fifanakalozana tamin'ny 1984). Rehefa afaka 32 taona, 7.000 BDT (90 dolara, araka ny tahan'ny fifanakalozana taona 2016) isam-bolana no karama azony. Ahoana no ahafahany manohana ny fianakaviany amin'ity vola kely ity, tsy fantatro.
Oh, ary tsy mbola mpiasa raikitra izy ao anatin'ny 32 taona.
Tao amin'ny Facebook, maniry mba hisian'ny olona maro tahaka an'i Mazumder i Tareq Alam:
পথেঘাটে বিপদগ্রস্ত মানুষের সাহায্যে এগিয়ে না এসে তাকে সম্পূর্ণরূপে উপেক্ষা করে যাওয়া অথবা দাঁড়িয়ে দাঁড়িয়ে ছবি বা সেলফি তোলার এক নির্মম রেওয়াজ শুরু হয়েছে আজকাল। এমন একটি হতাশাজনক বাস্তবতার ভেতর ব্যতিক্রম অথচ সেটাই সঙ্গত ও স্বাভাবিকÑ এমন কিছু উদাহরণ সৃষ্টি হলে তা সমাজে গভীর প্রভাব রাখতে সক্ষম হয়।
Ankehitriny, lasa mahazatra ny mahita ireo mpandalo tsy mandray andraikitra sy manampy ny olona tra-doza eny an-dalana, aleon'izy ireomaka sary na selfies fotsiny. Mahita ohatra tsara tahaka ity famonjena ny hafa ity isika ao amin'ny zava-misy mampalahelo toy izany, izay tokony ho fihetsika mahazatra, ary misy fiantraikany lehibe eo amin'ny fiarahamonina izany.
Nanome voninahitra ihany koa i Salahuddin Ahammad:
কিছু কিছু সাহসী ও আন্তরিক মানুষের জন্য পৃথিবীকে অনেক সুন্দর মনে হয়। মানবিক এই কাজের জন্য গেট্ম্যান বিল্লালের প্রতি শ্রদ্ধা ও সম্মান।
Tsara sy mahafinaritra kokoa izao tontolo izao noho ny asan'ny olona be herim-po vitsivitsy sy marina. Manaja an'i Billa, mpiandry lalamby, aho noho ny asany mihevitra ny maha-olona.
Niantso fanairana bebe kokoa tokony aseho manoloana ilay lehilahy saika hamono tena i Abu Benin:
এইরূপ অবস্থা থেকে বাঁচাতে পারলে নিকট আত্নীয় যদি পাশে থাকে তাহলে তারা অথবা আইনশৃঙ্খলা বাহিনী, দমকল বাহিনী, যারাই হোক লোকটিকে সাথে সাথে সমবেদনা জানায়, বুকের সাথে জড়িয়ে নেয়, মাথায় হাত বুলিয়ে তাকে আশ্বাস দেয়, ভালবাসা দিয়ে স্বাভাবিক করার চেষ্টা করে, কারণ একজন মানুষ সুস্থ মস্তিস্কে কখনো আত্নহত্যার সিদ্ধান্ত নেয় না।
কিন্তু নারায়নগঞ্জের এই ঘটনায় দেখলাম, লোকটিকে রেল লাইনের বাইরে আনার সাথে সাথে পাশ থেকে জনৈক পুলিশ দৌঁড়িয়ে গিয়ে তাকে লাঠিপেটা শুরু করলো। যেই লোক নিজের জীবন শেষ করে ফেলতে চায়, তাকে লাঠিপেটা করে শায়েস্তা করতে চায় এই পুলিশ!
Raha misy olona voavonjy amin'ny alalan'ny fahagagana, tokony hamihina azy, hampionona azy, miezaka hanao ny zava-drehetra amim-pitiavana hatrany ny olona eo amin'ny manodidina, toy ny olom-pantany, ny mpitandro filamninana na ny mpamonjy voina. Satria tsy mandray ny fanapahan-kevitra ny hamono tena ny olona iray raha tsy manana olana.
Kanefa hitantsika ao amin'ity lahatsary ity fa nihazakazaka nanatona azy ny polisy ary nanomboka nidaroka azy raha vao voavonjy izy. Niezaka ny hamono tena ilay lehilahy ary moa ve te hanome azy lesona ilay mpitandro ny filaminana amin'ny alalan'ny fidarohana azy?
Bangladesh honours humble rail hero after daring rescue https://t.co/Qkfh3Yuge5
— asiankudos (@asiankudos) December 4, 2016
Manome fanajana an'ilay maherifon'ny lalamby be fanetren-tena nanana fahasahiana hamonjy olona i Bangladesh https://t.co/Qkfh3Yuge5
Nankasitraka ny fihetsik'i Mazumder ampahibemaso ny minisiteran'ny lalamby ao amin'ny firenena , ary nanome azy valisoa toy ny akanjo maro sy lelavola 100.000 BDT (1 275 dolara). Nanome toky an'i Billal ny minisitry ny lalamby fa hiezaka izy ireo hanao azy ho mpiasa raikitra, na fara faharatsiny omena asa ao amin'ny orinasan'ny lalamby, araka ny traikefany, ny iray amin'ireo zanany .
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...