Tantara tamin'ny 30 Septambra 2016
Manao Famoriam-bahoaka Hiaro Ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Manokana ny ‘Revolisiona Maroloko’ Makedoniana
Nanambara fihetsiketsehana vaovao nokasaina atao eo anoloan'ny tranoben'ny parlemanta ao Skopje tamin'ny Alatsinainy 28 Septambra ireo mpitarika ao amin'ny "Revolisiona Maroloko", ho fanohanana ny Biraon'ny Mpampanoa lalàna Manokana (SPO).
Vaovao Tsy Tsara Ho An'ny Mahantra Ao Hong Kong Ny ‘Trano Sahaza Ny Moka’
"Mino aho fa tsy olana ara-pahantrana ihany izao, fa olana ara-tsosialy goavana ihany koa.."
Lahatsary Avy Amin'ny Drôna, Mampibaribary Ny Fandoroana Tsy Ara-Dalana Ny Tany Fambolena Voanio Fakàna Menaka Any Indonezia
Lahatsary drôna iray naka sary ny fidadasiky ny fanadiovana ny tany ao andrefan'i Indonezia, izay niteraka zavon-tsetroka nidina tao amin'ny faritra sy ireo firenena manodidina.
Na Dia Nandoro Tena Aza Ny Lehilahy Iray Tao Crimea Mba Hiarovana Ny Trano Fivarotana Kafe An'ny Vadiny, Narodan'ny Fanjakana Ihany Ilay Izy
Tamin'ny herinandro lasa, Alexander Strekalin, 75 taona, efa misotro ronono, no nanondraka solika 'acétone' tao an-damosiny, notselarany afo avy eo, ary nidaraboka teo amorontsirak'i Primorsky izy avy eo. Andro vitsy taorian'izay, maty noho ireo ratra nahazo azy izy.
Zazavavikely Iray 10 Taona Mandresy Lahatra ireo Hery Tandrefana Momba Ny Fandriampahalemana Ao Yemen
Ankizy avokoa ny ampaha-efatr'ireo sivily maty tamin'ny ady tao Yemen.