Na Dia Nandoro Tena Aza Ny Lehilahy Iray Tao Crimea Mba Hiarovana Ny Trano Fivarotana Kafe An'ny Vadiny, Narodan'ny Fanjakana Ihany Ilay Izy

Yalta Harbor. Source: Victoria Vasilieva, Flickr

Seranana Yalta . Loharano: Victoria Vasilieva. Flickr

Tamin'ny herinandro lasa, Alexander Strekalin, 75 taona, efa misotro ronono,  no nanondraka solika ‘acétone’ tao an-damosiny, notselarany afo avy eo, ary nidaraboka teo amorontsirak'i Primorsky, ao afovoan-tanàna. Naterina tao amin'ny hopitaly iray tao an-toerana, ary maty tao andro roa taty aoriana i Strekalin, lefitry ny filohan'ny fitantànam-panjakana ao Yalta, sady mpandray anjara voalohany tamin'ny resaka Chernobyl taona maro tany aloha tany.

Maty tany amin'ny hopitaly ilay lehilahy mpandraharaha avy ao Yalta nandoro tena.

Ny fandoroan-tena nataon'i Strekalin no loza fara tampony indrindra mikasika ny ady momba ny Khottabych, toerana iray fisotroana kafé an'i Mila Seliamieva, vadiny, niorina tao amorontsirak'i Primorsky, ao amin'ny Ranomasina Mainty. Media maro no nitatitra fa namono tena tamin'ny afo i Strekalin mba hanoherana ny ezak'ireo manampahefana ao an-toerana handrava ny Khottabych, izay efa nosorohana hatreto. Tany am-piandohana, nampitandrina ireo manampahefana ao an-toerana i Strakalin fa hamono tena izy raha toa ka afindra toerana ny fanànany ao an-tanàna.

Nanambara tamin'ny gazety Komsomolskaya Pravda i Seliamieva fa tamin'ny May no nanakatonan'ireo manampahefana eo an-toerana ny trano fisotroana kafe izay azy, ary io ezaka farany io no fanimbalony nataon'ny tanàna mba handravàna ny  Khottabych. Toerana tsy azo nolalovana fotsiny tao Primorsky Park ny Khottabych nandritra ny 15 taona, hoy i Seliamieva: “Mandoa hetra ara-dalàna izahay eto an-tanàna ary manana taratasy mazava tsara mikasika ny trano, fahazoandalana hatramin'ny taona 2018.” Mustafa Seliamiev, havan'i Seliamieva, nilaza fa i Strekalin, “tsy vao indray mandeha fa isaky ny misy hirika azo hanaovana azy, dia niezaka foana nandresy lahatra ireo manampahefana amin'izao fotoana ireo… saingy tsy nisy vokany izany. Nandritra ny lohataona manontolo, niady tamin'ireo mpanao asa fanorenana ireo izahay, izay, araka ny didy navoakan'ny tanàna, niezaka nandrava ny trano fivarotany kafe.”

Lahatsary tamin'ny YouTube tamin'ny 28 May no nampiseho ireo mpiasam-panjakana mampihatra ny lalàna hanala an-terisetra an'i Seliamieva sy olona roa hafa, avy eny ambony tafon'ny Khottabych. Olona iray tsy fantatra no nangataka an'i Seliamieva mba hampiseho ireo antontan-taratasiny manambara ny maha-ara-dalàna ny fandraharahàny; taty aoriana, misy andiana lehilahy  nanomboka nandrava tsikelikely ilay tranobe.

Andrei Rostenko, lehiben'ny  fitantanana ny tanànan'i Yalta, niteny tany amin'ny volana May lasa, fa “fanorenana tsy ara-dalàna” ny Khottabych izay “nandika ireo fenitra rehetra tokony natao”. Ireo ‘leasers’, hoy izy, “tsy nanaraka ireo fenitra ara-pahasalamana sy ireo fitsipika mifehy ny areti-mifindra [na] ny fiarovana sy ny lalànan'ny asa” na “nandray fepetra sahaza ho fiarovana amin'ny afo.”

Toa lasibatry ny fanadiovana morontsiraka ataon'ireo manampahefana ny Khottabych. Araka ny voalazan’i Rostenko tamin'ny volana May “Tsy tsiambaratelo intsony ny hoe [tsy] tian'ireo tompontany sy ireo mpitsidika ao Yalta ny zava-nitranga tao amin'ny morontsirak'i Primorsky. Mila mampitsahatra ny korontana isika, izay efa nisy nandritra ny ampolo taonany maro. Raha tsy manao n'inona n'inona izahay, tsy hànana tanàna intsony, fa vohitra iray rakotra talantàlana fivarotana.”

Nidera ny hetsi-panoherana nataon'i Strekalin ny sasantsasany tao Krimea mba ho fitondrana fisarihan-tsaina amin'ny zavatra tafahoatra ataon'ny fanjakana amin'ilay saikinosy. Tahaka an'i Sergei Sardyko monina ao Yalta, nanoratra tamin'ny Facebook taorian'ny fahafatesan'i Strekalin:

Умер Александр Иванович Стрекалин. Своей смертью он обратил внимание всей России на творимые в Ялте беззакония. Мы готовим большой митинг “Ростенко — в отставку!”, просим всех писать письма Путину с просьбой прислать в Ялту правительственную комиссию для проверки земельно-имущественных вопросов и отстранить от работы главу администрации Ростенко. Надеемся, что правоохранители заведут уголовное дело по статье 110 УК РФ “Доведение лица до самоубийства.”

Maty i Alexander Ivanovich Strekalin. Nahatonga saina ny vahoaka maro tao Rosia ny fahafatesany mikasika ireo tsy fanarahan-dalàna natao tao Yalta. Manomana hetsika “fitakiana fialàn'i Rostenko” izahay, ary mangataka ny tsirairay mba hanoratra taratasy iray ho an'i Putin hitakiana fandefasana iraky avy amin'ny governemanta ho any Yalta handamina ireo olana mikasika ny fananantany sy ny fananana, ary hanala an'i Rostenko. Manantena izahay fa hanokatra fanadihadiana mikasika heloka bevava ireo mnampahefana mpampihatra lalàna, miainga amin'ny andininy 110 momba ny Lalàna Fanamelohana Heloka Bevava ao amin'ny Federasiona Rosiana: “fanosehana olona hamono tena”.

Tahaka ny fanentanana efa an-dalana ao Mosko ireo fironana amin'ny fanadiovana ny morontsirak'i Yalta, mba hanalàna ireo “fandraharahàna tsy ara-dalàna” ao an-tanàna. Trano fivarotana sy tranokely fivarotana manodidina ny 100 no narodana tamin'ny alin'ny 8-9 Febroary 2016, tao anatin'ny andiana fandrodanana nantsoina hoe “Alin'ireo Lapelina Lavabe”. Nanoratra tamin'ny tambajotra sosialy Vkontakte ny Ben'ny Tanànan'i Mosko, Sergei Sobyanin, fa “efa nijoro ” hatramin'ny taona 1990 ireo fivarotana ireo  niaraka tamin'ny tsikombakomba sy fanohanan'ireo manampahefana tao amin'ny governemanta ka nanjary “loza ho an'ireo Maoskovita”. Nanao andiana famotehana vaovao iray ny tanàna (ny fahatelo raha atambatra) ny volana aogositra lasa teo.

Tao amin'ireo tanàna roa Yalta sy Maosko, nanao antso mba hanarahana ireo fepetran'ny fanorenana trano sy ireo filàna takiana amin'ny resaka fahasalamana ireo tomponandraikitra monisipaly, ary koa ny fikatsahana ny tombontsoa iraisan'ireo mponina eo an-toerana, mba hanamarinana ny fanosihosen'izay ireo ny zon'ny tsirairay. Ny zo amin'ny fananantany ao Yalta sy Maosko, ary koa toerana hafa ao Rosia dia toa tsy midika inona loatra raha oharina amin'ireo teny midina ataon'ny tanàna, ny fanjakana, eny fa na dia ireo olona manokana  aza. Efa nilaza i Seliamieva fa mikasa hitory ny mpiandraikitra ny tanàna izy, saingy eo  anatrehan'ny “sehatra ambony, fomba toy ny fanaon'i Maosko,” Tolona hamaky tratra ny azy.

Aza manahy, na izany aza: nampanantena ireo manampahefana tao Yalta fa handray “ny maha-olona” ho anaty kajikajy, amin'ny manaraka, rehefa handrodana ireo “fotodrafitrasa tsy nahazoana alalana” ry zareo. Ny filoha lefitry ny fitantanana ny tanàna dia nanambara tao amin'ny fahitalavitra Crimea 24 hoe: “Mazava loatra, fa efa nahazo lesana avy amin'io izahay, ary haka fomba fanao voalanjalanja kokoa hamahàna ny olana tahaka izany amin'ny  hoavy, ho fanehoana ireo karazana fihetsehampon'ny olona iray.”

Ny rarin-tsaina tsy voatsabo no antony voalohany mahatonga ny famonoan-tena. Azo sitranina ny rarin-tsaina ary azo sorohana ny famonoan-tena . Ho an'ireo olon amarefo mety hiditra amin'ny famonoana tena sy ireo olana hafa ara-pihetsehampo, afaka mahazo fanohanana avy amin'ireo laharana miafina ianareo. Tsidiho ny Befrienders.org mba hahitanao laharan'ny sampan-draharaha misahana ny fiarovana ny famonoan-tena ao amin'ny firenenao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.