Tantara tamin'ny 25 Novambra 2015
Tongasoa Eto Amin'ny Hetsika #StandwithRussia (Mijoro miaraka amin'i Rosia)

Momba ny fampitàna amin'i Tiorkia ny fahatsapan'izy ireo ny fanafihana natao an'ilay Su-24 tany ampiandohan'ity herinandro ity, nampiseho fahaizana mamorona ireo Rosiana mpampiasa aterineto.
Polisy vaovao Okrainiana voarara amin'ny fampiasana tambajotra sosialy rosiana

Fihoaram-pefy amin'ny polisy Okrainiana ankehitriny ny miserasera VKontakte sy Odnoklassniki, sehatra rosiana roa malaza indrindra ao Okraina.
Tononkalom-behivavy Iray Ho An'ny Mpitsoa-ponenana Syriana Namoy Ny Ainy Niampita Ny Mediteranea — Anisan'izany Ny Anadahiny
"Raha afaka mampisy tetezana fangorahana ho azy ireo, amin'ny alalan'ny tononkalo aho, dia hiteraka tantaram-pahombiazana mahery vaika izany."
Molenbeek, Zavamisy Mifaningotsingotra Ao Amin'ny Fiarahamonina Vasohan'ny Media
Ao afovoan'ny renivohitra Belza no misy an'i Molenbeek-Saint-Jean, fiarahamonina manana fidiram-bola ambany fandalovan'ireo voarohirohy ho nanatanteraka ny fanafihana tao Parisy sy ireo hetsika feno herisetra hafa.
Aza Ny Gazety Anglisy “The Sun” No Anontaniana Raha Te-hahalala Izay Sainin'ny #Miozolmana1amin5 (#1in5Muslims)
Nitondra ho amin'ny tenifototra mahatsikaiky ny gazety britanika The Sun taorian'ny nanodinkodinany ny vokatry ny fitsapàna hevitra natao tamin'ny antso an-telefaona ho lasa lohateny vaventy makahàla Silamo, manao hoe "1 amin'ny Britanika Miozolmana 5 no Miombom-po amin'ireo jihadis"
Voaràra Manerana An'i Rosia Izao Ny Bitsika ‘Charlie Hebdo’

Noraràn'ny fitsaràna monisipaly iray ao Chechnya ny kaonty Twitter an'ilay gazetiboky frantsay Charlie Hebdo. Tamin'ny 23 Novambra 2015 ilay didim-pitsaràna. Mifanaraka amin'ny lalàna federaly Rosiana, manankery manerana an'i Rosia ilay fandraràna