Tongasoa Eto Amin'ny Hetsika #StandwithRussia (Mijoro miaraka amin'i Rosia)

Image edited by Kevin Rothrock.

Sary navoakan'i Kevin Rothrock.

Taorian'ilay fanafihan'ny tafika an'habakabaka Tiorka ny fiaramanidina Rosiana, Sukhoi Su-24 iray, omaly tany akaikin'ny sisintany Siriana sy Tiorka, nifamory teo ivelan'ny masoivoho Tiorka tao Maosko ireo mpanao hetsi-panoherana, nitoraka vato sy atody, ary nahavaky mihitsy varavarankely iray. Naneho ny hatezerany tety anaty aterineto ry zareo Rosiana, eny, tonga hatramin'ny fandefasany onjanà kintana iray fanehoana kiana tao amin'ny Google Maps ho an'ny masoivohon'ny Tiorkia ao Maosko.

“Manohana ny asa fampihorohoroana ry zareo,” hoy ny iray vao haingana. “Tantaranà mpivarotena hatrany no mba fandraisanareo anjara tao anatin'ny tantaran'izao tontolo izao!” hoy ny nosoratan'ny iray tezitra. “Adinonareo ve r'ilay kentrina ireto hoe iza no nandresy tamin'ny ady valo nifanaovan'ny Rosiana sy Tiorka?” hoy ny fanontanian'ny ramatoa iray antsoina hoe Natalia Vasilyevna.

Screenshot: Google Maps reviews of Turkey's embassy in Moscow.

Dikasary: kiana nanjo ny masoivohon'i Tiorkia ao Maosko, tao amin'ny Google Maps.

Na teo aza ilay onjanà kiana miiba nisy androany, mbola mampiseho isa 4,5 hatrany ny Google Maps ho an'ilay masoivoho, ao anatin'ny fitambarambe manome isanà kiana 44.

Ny RT, tambajotram-baovao fehezin'ny fanjakàna Rosiana, dia namoaka tantara iray tamin'ny 25 Novambra nilaza fa nanomboka nifampizaràn'ireo mpampiasa aterineto manerana ny tany ny tenifototra hoe #StandwithRussia, izay hita ho toy ny manameloka ilay fanafihan'i Tiorkia ny Su-24, izay nitarika ny fahafatesan'ny iray tamin'ireo mpanamory azy io, hatramin'ny fahafatesan'ny miaramila Rosiana iray hafa nandritry ny hetsika fikarohana sy fanavotana nifandray tamin'izany.

Ny iray amin'ireo sary ao amin'ny RT milaza fa ho fanehoany firaisankina amin'i Rosia, mifampizara marika iray ho an'ny fandriampahalemana miaraka amin'ny fiaramanidina iray an'ny tafika napetraka haka afovoany teo amboniny ireo mpampiasa aterineto, mampahatsiahy ilay mariky ny fandriampahalemana nampahafantarin'ny Ministera Rosiana misahana ny Raharaha Ivelany taorian'ny namaritana fa asan'ny mpampihorohoro no nitarika ny fidarabohan'ilay fiaramanidina tany Ejipta tamin'ny 31 Oktobra. (Ity marika fandrampahalemana misy sarinà fiaramanidina tany ampiandohana ity dia mitondra hitodika any amin'ilay marika fandriampahalemana ahitàna ny Tilikambo Eiffel noforonin'ilay Frantsay mpanao sary fanaingoana, Jean Jullien, taorian'ireo fanafihana tao Parisy ny 13 Novambra teo avy hatrany.)

Mangataka ny fanohananareo.

Araka ny lazain'i @AndreyZalgo, mpampiasa Twitter, anefa, dia toy ny sangisangy ihany no namoronany ilay sary famantarana fandriampahalemana ahitàna fiaramanidina, talohan'ny namoahana ho fantatry ny rehetra fa nitarika famoizana aina ilay fanafihan'i Tiorkia ny Su-24 Rosiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.