Tantara tamin'ny 28 Aogositra 2015
Fotoana izao Hampitsaharana Ny Didimpoitram-behivavy Ao Amin'ny Firenena Tokana Ao Amerikana Latina Mbola Ahitana izany
Fomba fahita na ahafantarana ny firenena afrikana sasantsasany ny fanjairana-fandrombinana ny fitaovam-pananahan'ny vehivavy, saingy mbola ampiharina amin'ny fokonolona tompontany-teratany sasantsasany ao Kôlombià izany fomba izany.
Mitondra Fanantenana Sy Fanasitranana Any Palestina Ny ‘Faribohitra Miloko Marevaka’ Ao Gaza
Antsoina hoe "ny faribohitra miloko marevaka" i Al Zaytoun ao Gaza noho ny arabe voaloko mamirapiratra sy ny rindrina voaravaka, ezaka fanavaozana an-drenivohitra taorian'ny ady teo amin'i Isiraely sy Gaza tamin'ny taona 2014.
Indizena Mpiompy Diera, Tezitra Amin'ny Goavan'ny Solika Ao Siberia
Miatrika sazy an-tranomaizina roa taona i Sergey Kechimov, nampangaina ho nandrahona ho faty ireo mpiasa roa avy amin'ny orinasa mpitrandraka solika. Iray amin'ireo teratany Khanty sisa tavela miaina eny akaikin'ny Farihy 'masina' Imlor izy.
Mpiasan'ny Fahasalamàna Mandihy Ho Fankalazàna Ny Famoahana Ilay Marary Farany Tratry Ny Ebola Tao Sierra Leone
Nahafaty olona 3.952 tao amin'ity firenena ao Andrefan'i Afrika ity ny valanaretina Ebola raha ny filazàn'ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Fahasalamàna.
Mitari-dalana Amin'ny Halakin'ny Fitroham-botoaty an'aterineto Ao Amerika Atsimo i Orogoay, i Shily Ary i Brezila
Ny taha ankapoben'ny aterineto ao Amerika latina dia 7,3 Mbps, ary firenena telo ihany no manana fitosahana ambonin'izany : Orogoay, Brezila, Shily.