Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

24 Febroary 2014

Tantara tamin'ny 24 Febroary 2014

Ilay Venezoela Hotsaroako Mandrakariva

Mahatsiaro ilay Venezoela tanyamin'ny taona 1990 ilay Peroviana Gabriela Garcia Calderón, firenena iray tena hafa mihitsy amin'ilay iray izay avoaka any anaty lohateny vaventin'ny fampahalalam-baovao faramparany teo

#EuroMaidan Mpamonjy Voina Voatifitra Teo Amin'ny Tenda, Mibitsika hoe : “Velona aho!”

Voan'ny tifitry ny mpitifitra miafina teo amin'ny tenda i Olesya Zhukovskaya, ary mbola nahavita nibitsika hoe "maty aho". Fahamaivamaivanana goavana no tsapa nanerana izao tontolo izao nony re fa velona soa aman-tsara ihany izy.

Mitady Izay Hoampangaina Tamin'ny Fianjerana Fanorenana Nahafatesan'Olona maro Tao Korea Atsimo

Mpianatry ny kolejy folo no maty ary 105 naratra tamin'ny fianjeran'ny fanorenana iray nandritra ny fotoana fanondroana ny lalam-piofanana tokony atao any amin'ny Oniversite.

Miandry Ny Hahita An'i #WorldBoss Ho Afaka Madiodio Na Ho Voaheloka Ry Zareo Jamaikana

Tsy mbola misy didim-pitsarana mivoaka momba ny fitsarana ny raharaha vonoolona Vybz Kartel , saingy tsy mahatombina miandry izay hivoaka eo ry zareo Jamaikàna - sady mibitsika mikasika izay mety hiseho eo anelanelany eo.

Mpanao Sariitatra Alzeriana Miatrika 18 Volana An-tranomaizina Satria Voalaza Fa Nanimbazimba Ny Filoha

Miatrika sazy 18 volana an-tranomaizaina i Ghanem noho ny sariitatra iray mbola tsy navoaka misy ny sarin'ny filoha Alzeriana, Abdelaziz Bouteflika ary nolazain'ny manampahefana fa manaraby azy.