Tantara tamin'ny 18 Oktobra 2013
Mankalaza Ny Faha-efa Taonan'ny Fikambanana Mpiaro Ny Zon'Olombelona Ny Saodiana
Manamarika ny faha-efa-taona nijoroany ny fikambanana Saodiana miaro ny zo sivily sy politika (ACPRA). Mankalaza ny zava-bitany ireo mpiserasera Saodiana.
Enina Isan-jaton'ireo Mpianatra Ho Mpisolovava 250 Ihany No Afaka Tao Zambia Tamin'ity Taona Ity
Nilaza ny sasany tamin'ireo mpiserasera fa mila havaozina ny rafitra.
Tsy noraharahian'ny Media Ireo Mpamboly Sy Sembana Nibodo Ny Gara Fiaran-dalamby Tao Mumbai
Nampiteraka fitohanana tao amin'ny toby fiantsonan'ny fiaran-dalamby ireo vondrona, tsy mba notaterin'ireo fampahalalam-baovao sy media sosialy izany tranga izany.
Syria: Politika Maloton'i Banksy
Mpanakanto mpanao sariitatra Britanika tsy mitonona anarana, Banksy namoaka lahatsary manaraby ny ady an-trano ao Syria, izay mitondra ny lohateny hoe “Fanafihan'ny mpikomy amin'ny Balafomanga (Rebel Rocket Attack)," ka nampisanganehana sy nandiso fanantenana ireo Syriana sy mpanara-maso akaiky ny ady.
Mashrou’ Leila Miverina Miaka-tsehatra indray Ho Amin'ny #OccupyArabPop (BodoyNyPopArabo)
Talanjona tamin'ny Mashrou' Leila, tarika Libane mpiangaly indie ny Tontolo Arabo. Nijery ny fampiasàn'ilay tarika ny tambajotra sosialy hikasihana ireo mpankafy azy i Ahmed Medien.
1.300 Andro Nanaovana Fihetsiketsehana Ho An'ireo Baloch Nanjavona Tao Pakistan
Tao Baloutchistan, izay namoizan'ain'olona an'arivony sy olona tsy hita marobe nandritra ny tolona nataon'ireo separatista zato taona lasa izay, Manao fihetsiketsehana ao amin'ny toby ho an'ireo lasibatra ilay mpikatroka Abdul Qadeer Baloch.
Mivonona Amin'ny Fetiben'ny Mozika Corona Capital 2013 i Meksika
Mampiasa ny tenifototra #CC13, naneho ny hafanàm-pony tao amin'ny Twitter mikasika ny fetiben'ny Mozika Corona Capital 2013 ireo Meksikana, ka anisan'ireo handray anjara amin'ny fampisehoana i Travis, Stereophonics sy Miles Kane.
Novain'ireo Piraty (Hackers) Ny Sary Tao Amin'ireo Habaky ny Miozolomana Rosiana Nandritra ny Eid

Nandritra ny Eid al-Adha (Kurban-Bairam ao Rosia), tranonkala maro an'ireo fikambanana Miozolomana Rosiana no nisy nanova tamin'ny sarinà loha-kisoa notapahana mihazona Korany eo amin'ny vavany .
Lahatsary: Mihira Firaisankina Ho An'ireo Mpamboly Ny Mpanakanto Kolombiana
Na dia nijanona aza ny fihetsiketsehana sy ny sakan-dàlana, mitohy kosa ny tolon'ireo mpamboly momba ny zo hanana tany.
Rivo-doza Mahafaty, Fanampiana Tara Fahatongavana Nameno Ilay Tanana Rava Ao La Montaña Ireo
Araky ny tatitra maro voaray, andro maromaro vao tonga ireo fanampiana ary tsy ampy ihany koa. Maherin'ny 200 ireo vondrom-piarahamonina no mitoka-monina.