Tantara tamin'ny 02 Mey 2013
Fihetsiketsehana Nandritra ny Fetin'ny Asa Tao Azia Atsimo-Atsinanana [An-Tsary]
Manao jery tamberina ny fihetsiketsehana nandritra ny andron'ny voalohany volana mey notontosaina tany Kambodza, Filipina, Indonezia ary Singapore ny Global Voice. Ny fivoriana izay nokarakaraina hampiako ny fitakiana isan-karazan'ny mpiasa sy ireo vondrona mpiaro (misolo vava ny mpiasa) dia nilamina ihany amin'ny ankapobeny nanerana ny renim-paritra.
Takalon'Aina sy ny Tambiny : Politika Manao Ahoana ny An'i Frantsa ?
Tokony ho telo volana taorian'ny fanapaha-kevitr'i François Hollande hampitsaharana ny fandoavana tambiny ho an'ireo mpanao takalon'aina, dia navotsotra ihany ny ankohonana Moulin-Fournier, izay niteraka sento ho an'ny fianakaviana sy ny...
Niala Tsiny Tao Amin'ny Facebook Noho Ny Ady An-trano Tamin'ny Taona 1994 ny Jeneraly Yemenita
Mananganan-tsaina ny firenena sady miventsoventso teny filamatry ny fahaleovantena, an'arivony ireo tonga tao an-tanàna renivohitry Aden taloha sy tanàna hafa ao Atsimon'i Yemen tamin'ny 27 Aprily 2013, tanàna izay efa...
Mariazy ho an'ny Rehetra : Ahoana ny Eritreritr'ireo Ivoariana ?
Lany tao Frantsa tamin'ny herinandro lasa teo ny lalàna “mariazy ho an'ny rehetra” izay manome alalana ny fanambadiana na eo amin'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy. Ny adi-hevitra...
Venezoela : Mampiseho Harefon'ny Foto-kevitr'i Chavez Ny Valim-pifidianana
Ny valim-pifidianana filoham-pirenena natao ny alahady 14 aprily 2013 dia nahitana taratra sahady ny fanombohan'ny fihemoran'ny foto-kevitra Chavez. Ny elanelana izay tsy misy afa-tsy isan-jato roa sy ny fitarainana samihafa marobe mikasika ny tsy ara-dalàna (eo amin'ny tranga 3.200) nandritra ny asa no nitarika ny Governoram-panjakàn'i Miranda, Henrique Capriles Radonsky, tsy hanaiky ny vokatra [es] raha tsy misy fitsirihana sy famerenana ny fanisam-bato atao tànana