18 Avrily 2013

Tantara tamin'ny 18 Avrily 2013

#Yemen: Vodaroky Ny Drôna Amerikana i Dhamar

Taorian'ny telo volana mba niatoan'ny fanafihana drôna (fiaramanidina kely mpandaroka baomba baikoana avy lavitra) Amerikana tao Yemen, dia namono olona dimy noahiahiana ho Qaeda ny drôna halina 16 Aprily 2013. Halina, i Farae Al-muslimi, Yemenita mpanao gazety sady mpikatroka mafàna fo, avy ao amin'ny tanànan'i Wessab, any amin'ny faritanin'i Dhamar, no namoaka voalohany ny vaovao mikasika ilay fanafihana drôna Amerikana tao amin'ny Twitter.

18 Avrily 2013

Làlana Mihoson-drà Mankany Amin'ny Fifidianana Ao Pakistan

Fanaovana vy very ny aina amin'ny fanapoahana baomba, grenady iray sy fipoahana baikoana avy lavitra - izany rehetra izany anaty andro iray monja. Olona siviambinifolo no maty taminà tranga telo samihafa nikendrena ireo mpirotsaka hofidiana avy aminà antoko politika telo samihafa. Ny 16 Aprily 2013 no andro iray vonton-drà ho an'ireo mpanao fampielezankevitra tao Pakistana.

18 Avrily 2013

Tenenina Tsy Hivoaka An'i Kyrgyzstan Ireo Ankizivavy

Ato ho ato dia mety horaràn'ny antenimiera Kyrgyz tsy hahazo hivoaka ny firenena n y tovovay latsaky ny 23 taona raha tsy nahazo alàlana avy amin'ny ray aman-dreny. Nifanehatra taminà kiana henjana avy amin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona sy ny sasany amin'ny mpisera anaty aterineto ilay volavolan-dalàna izay mikendry ny hisakanana ireo Kyrgyz tanora tovovavy tsy handeha hiasa any ivelany ho lasa "andevon'ny filan'ny nofo".

18 Avrily 2013

Mitolona Mba Ho Velona Ireo Mponina Nafindra Toerana Nohon'ny Toby Famokarana Herinaratra

Rehefa nakisaka ho any Mutum Parana Vaovao – tanàna iray naorin'ny orinasa Energia Sustentável ho toeram-ponenan'ireo enjeniera sy mpiasany – ireo mponina teny amoron-drano izay nakisaka niala tamin'ny vondrom-piarahamonina nisy azy ireo mba hahafahana manone alàlana ny toby famokarana herinaratra ao Madeira River hanafotra rano ilay faritra dia namantana “tanàna matoatoa”, toerana iray izay toa sarotra ho azy ireo ny hiaina ao.

18 Avrily 2013