Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

13 Avrily 2013

Tantara tamin'ny 13 Avrily 2013

Nolavin'ny Fitsarana Avo Momba Ny Lalàm-panorenan'i Portiogaly Ireo Fepetra Fitsitsiana

Nolavin'ny [pt] Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana ao Portiogaly ireo fepetra fitsitsiana noheverin'ny governemanta fa ilaina mba hameno ireo fepetrany mikasika ny lamina ho fanitsiana tetibola mitentina 78 miliara euro, izay mbola manokatra lavaka [amin'ny teny anglisy] eo amin'ny 1.3 miliara euro ao amin'ny tetibola 2013-n'i Portiogaly.

Nankatòavin'i Orogoay Ny Fanambadian'ny Olona Mitovy Fananahana

Nanjary firenena Amerika Latina faharoa mankatò ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana i Orogoay. Tamin'ny 10 Aprily 2013, nankatòavin'ireo mpanao lalàna marobe tao amin'ny Kongresy ny lalàna, izay mamaritra ny fanambadiana ho “firaisana maharitra eo amin'ny olon-droa mitovy na tsy mitovy fananahana,” vato 71 amin'ny 92 no nankasitraka izany. Efa nankatoavin'ny Antenimieran-doholona...