01 Avrily 2013

Tantara tamin'ny 01 Avrily 2013

Lebanona: Fanambadiana Sivily Voalohany “Nankatoavin'ny Fitsaràna”

Tany am-piandohan'ity taona ity, i Kholoud Succarieh sy Nidal Darwich no nanatanteraka ny fanambadiana sivily voalohany indrindra araka ny fomba sivily tany Libanona teo amin'ny tany Libaney, anatinà firenena iray izay ny fanambadiana ara-pinoana irery ihany no afaka natao hatrizay, ary any ny sorapiankohonana dia ny manampahefana ara-pivavahana ihany no manome azy. Milaza izy roa avy nampakarina fa ara-dalàna manaraka ny lalàna Libaney ny fifanarahan'izy ireo, sady napetraka tany amin'ny Ministeran'ny Atitany.

Myanmar : Iza No Nihavian'ny Rotaka Tao Meikhtila ?

  01 Avrily 2013

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana.] Nandritra ny telo andro, nampisafoaka ny fitroaram-bahoaka tao Meikhtila, ao amin'ny faritra Mandalay, ao Myanmar. Nanomboka tamin'ny 20 martsa 2013 ny rotaka, taorian'ilay mpanefy namono mpivarotra volamena roa noho ny fifamaliana mikasika singam-bolamena vaky. Nirohotra ny vahoaka hiaro...