Lebanona: Fanambadiana Sivily Voalohany “Nankatoavin'ny Fitsaràna”

Tany am-piandohan'ity taona ity, i Kholoud Succarieh sy Nidal Darwich no nanatanteraka ny fanambadiana sivily voalohany indrindra araka ny fomba sivily tany Libanona teo amin'ny tany Libaney, anatinà firenena iray izay ny fanambadiana ara-pinoana irery ihany no afaka natao hatrizay, ary any ny sorapiankohonana dia ny manampahefana ara-pivavahana ihany no manome azy. Milaza izy roa avy nampakarina fa ara-dalàna manaraka ny lalàna Libaney ny fifanarahan'izy ireo, sady napetraka tany amin'ny Ministeran'ny Atitany.

Taoran'ire vaovao mifanohitra mikasika ny niafaran'ny fametrahana ny fifanarahm-panambadian'izy ireo tany amin'ny Ministeran'ny Atitany, nifandray tamin'ilay bilaogera Abir Ghattas i Kholoud Sukkarieh mba hitondra fanazavàna mikasika ny raharaham-panambadian'izy ireo. Nampakatra ity fanazavana ity  i Ghattasin tao amin'ny bilaoginy, ny 14 Febroary 2013 :

araka ny ambaran'i Kholoud: “tsy mbola nisy fanapahan-kevitranoraisina.. tsy nilavina ilay izy. raha toa ny efa notapahana kosa ilay izy manoloana ny lalàna“

 

Ny 25 Febroary, nanaraka ny fandehan'ilay raharaha ny Filohan'ny Repoblika, Michel Sleiman, araka ny voalazan'ny bitsika iray avy amin'ny Filoha :

@SleimanMichel: عرض سليمان مع وزير العدل موضوع تسجيل عقد زواج نضال وخلود والمراحل التي بلغتها هذه المسألة. #civilmarriageleb #lebanon #presidency

@SleimanMichel:: Niady hevitra niaraka tamin'ny Minisitry ny Fitsaràna momba ny fanoratna ilay fanambadian'i Nidal sy Kholoud i Sleiman, ary ny fipetraky ny dingana araka ny lalàna amin'izao fotoana izao  #civilmarriageleb #lebanon #presidency

Ary ho famaliany fanontaniana iray, nibitsika ny fanavaozam-baovao farany i Kholoud, nanazavany fa nankatoavin'ny Ministeran'ny Fitsaràna ilay fifanarahana fanambadiana, saingy mbola mila ny fankatoavan'ny Minisitry ny Atitany izy ireo :

@KONi16: @RimaTarabay tsy nankatoavin'ny fitsaràna ilay izy saingy ilainay ny ministeran'ny atitany handrakitra azy io mba hahafahanay manana laharam-pamanatarana ny maha-fianakaviana, mpivady anay.

 

Ny manan-danja indrindra angamba, tahaka ny hoe efa mivonona handray olom-baovao fanampiny ao anatin'ny ankohonana ireto olon-droa!

@KONi16: #happyday #happyheroes ho reny aho ato ho ato mahatsiaro sambatra mitondra vohoka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.