04 Marsa 2013

Tantara tamin'ny 04 Marsa 2013

Rà Mandriaka Sy Bala no Miteny Irery Mialoha Ny Fihaonambem-Pirenena ao Yemen

Nizaka ny vokatry ny fitsidihana tara loatra tao Aden ny filohan'ny Yemenita Abdrabuh Mansur Hadi tamin'ny Alahady hariva 24 Febroary, taorian'ny efatra andro nisian'ny fifandonana mihoson-drà mbola mitohy ankehitriny, izay niseho teo amin'ny polisy sy ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny fahaleovantena tamin'ny [Alakamisy 21 Febroary] izay nahatonga aina nafoy sy...

Nifidy An'i Morsi ny mponina Ejiptiana Satria …

Tao amin'ny Twitter, Nanenina avokoa ireo mponina Ejiptiana izay nifidy an'i Mohamed Morsi tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Ejiptiana tamin'ny 24 Jona - ary mazava tsara ny nenin'izy ireo tao anaty tenifototra iray vaovao izay mivaky hoe: Nifidy an'i Morsi aho satria .. Niteraka fanesoana mifangaro sangisangy io tenifototra [ar] io #انا_انتخبت_مرسي_عشان . Nandresy an'i Ahmed Shafik, praiministr'i Hosni Mubarak farany teo i Morsi, mpilatsaka hofidiana avy amin'ny firahalahiana Silamo, tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Nametra-pialàna i Ahmed Shafik 32 taona taorian'ny hetsi-panoherana izay naharitra 18 andro nokarakarain'ny vahoaka rehetra teo amin'ny firenena hanoherana ny fifehezany.