Rà Mandriaka Sy Bala no Miteny Irery Mialoha Ny Fihaonambem-Pirenena ao Yemen
Nizaka ny vokatry ny fitsidihana tara loatra tao Aden ny filohan'ny Yemenita Abdrabuh Mansur Hadi tamin'ny Alahady hariva 24 Febroary, taorian'ny efatra andro nisian'ny fifandonana mihoson-drà mbola mitohy ankehitriny, izay niseho teo amin'ny polisy sy ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny fahaleovantena tamin'ny [Alakamisy 21 Febroary] izay nahatonga aina nafoy sy naratra marobe. Tsara ny manamarika fa ity no fitsidihana voalohany nataony taminà tanàna ao Yemen, ivelan'ny renivohitra Sanaa, hatramin'ny naha-lasa filoha azy tamin'ny 27 Febroary 2012.
Mpanao gazety Adam Baron naneho hevitra tao amin'ny Twitter:
@adammbaron: tsara marihana? nitsidika an'i Etazonia, Saodita, sy firenena Golfa hafa, sns i hadi, amin'ny maha-filoha azy talohan'ny nitsidihany an'i aden. mbola, fihetsika fetsifetsy. #yemen
Nosamborin'ny polisy ireo mpitarika ny fisintahana iray andro mialoha ny fihetsiketsehana fifanandrinana nokasaina natao ho fankalazana ny tsingerin-taona voalohany nisianà fifidianana tsy notoherina izay nahavoafidy ny filoha Abd Rabbo Mansour Hadi ka namarana ny fitondrana jadon'i Saleh naharitra 33 taona, taorian'ny taona maro nisian'ny fitroarana namoizana ain'olona marobe.

Mpanao fihetsiketsehana milanja marika misoratra amin'ny teny Arabo hoe “firaisana na fahafatesana no teny filamatry ny mpandatsa-drà sy ny kabarin'ny separatista.”
Nanambara ny mpanohana sy ny mpanohitra an'i Hadi [olona avy any Atsimo ihany i Hadi], fa hanatontosa fihetsiketsehana fifanandrinana izy ireo amin'ny Alakamisy, ka niteraka tahotra mety hisian'ny fifandonana ao Aden izany. Niantso fihetsiketseham-panohanana an'i Hadi ao amin'ny distrikan'i Khor Maksar ny Antoko Islamista Al Islah (fanovana), izay toerana nokasain'ireo mpisintaka miantso ho amin'ny fahaleovan-tena hanaovana fihetsiketseham-pahaleovantena ihany koa, amin'ny andro iray sy kianja iray ihany.
Alaa Isam nisioka hoe:
@AlaaIsam: Hetsika feno fitandremana ao an-dalamben'i #Aden…Toa tahaka ny hitranga avokoa ireo zavatra ratsy nahiana. Enga anie mba tsy ho izany, hitahy azy ireo ny Tompo. #Yemen #yf
@AlaaIsam:
#Sary mampiseho ny fankalazana nataon'ny Antoko Islah tao #Aden #SouthYemen #Yemen #yf @hrw pic.twitter.com/gn7XddOV7Y

Fihetsiketsehan'ireo mpanohana an'i Hadi tao Aden nokarakarain'ny Antoko Islah ary narahin'ireo mpitandro ny filaminana
Atiaf Alwazir nampitandrina:
@WomanfromYemen
Nitarika sy niteraka toe-javatra manahirana sahady ireo niantso ho amin'ny fihetsiketseham-panohanana an'i Hadi ao #Aden! # Yémen
Nasser Arrabyee nisioka hoe:
@narrabyee: Niteraka ady tao atsimo ny antoko Islah tamin'ny fisisihana hanatontosa fihetsiketsehana tamin'ny 21 Feb, nesorin'ireo mpikambana tsy handray anjara amin'ny fihaonambem-pirenena ireo avy any atsimo rehetra, Dr Saleh Basura
Hoy izy nanampy:
@narrabyee: Aina nafoy sy olona naratra nandritra ny fifandonana mbola tsy nisy toy izany teo amin'ny Islamista notohanan'ny tafika sy ireo separatista tezitra sy diso fanantenana tao Atsimon'i Yemen, tao Aden.
@narrabyee: 7 namoy ny ainy & maherin'ny 50 ireo naratra androany nandritra ny fifandonana teo amin'ny Islamista notohanan'ny tafika & separatista Crater& Khormakser tao Aden, atsimon'i Yemen.
Mampiseho ny tafika CFS Yemenita manafika ireo tatsimo nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Fahamendrehana tao Kraiter, Aden ity lahatsary narakitr'i Kala'at al Shomookh (قلعة الشموخ) tao amin'ny Youtube ity:
Will Picard nisioka hoe:
@YemenPeaceNews: Nilaza ny tatitra ofisialy avy amin'ny Mpanara-maso ny Zon'olombelona ao Atsimo fa 9 ireo namoy ny ainy ary 53 noratrain'ny mpitandro ny filaminana tao #Aden tamin'ny 21 Feb. #Yemen
Morooj Alwazir nanampy hoe:
@Rooj129: Alakamisy nihoso-drà tao #Aden #Yemen sary & famintinana http://www.adentribune.com/?p=676
“Tokony hampitsahatra ny famoretana feno herisetra mahazatra atao amin'ny fahalalahana hivory ny manampahefana Yemenita,” hoy ny filazan'ny Amnesty International taminà fanambarana fampitandremana nivoaka tamin'ny Alarobia lasa teo. Nampiany hoe: “Nanitsakitsaka ny lalàna momba ny zon'olombelona iraisampirenena ny mpitandro ny filaminana Yemenita tamin'ny fitifirana ireo mpisintaka manao fihetsiketsehana milamina androany tao atsimo, izay niteraka fahafatesan'olona efatra sy naharatrana am-polony tamin'ny Alakamisy.
Vokatr'izany, nidina an-dalambe ireo mpisintaka naratra tamin'ny Asabotsy, nanaka-dalana sy nandoro kodiarana, tao amin'ny distrikan'i Khor Maksar, Mualla, Shaikh Osman sy Dar Saad vao maraimbe tamin'ny Asabotsy, tao anatin'ny antso ho amin'ny famporisihana ny sivily tsy hankatò ka hanao fihetsiketseham-panoherana ny vono olona tamin'ny 21 Febroary, izay mbola nitarika fifandonana vaovao tamin'ny tafika.
Voalaza fa nanafika ny tsenan'ireo tavaratra tao Mukalla ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Asabotsy, ary nandoro birao roa an'ireo Antoko Islamista Al-Islah (Fanovana). Ao an-tanànan'i Sayun, ao amin'ny faritra atsinanan'i Hadramawt, niezaka nampihatra ny tsy fankatoavan'ny sivily ireo mpanao fihetsiketsehana ka voalaza fa nodoran'izy ireo ny mpivarotra iray tao an-tanàna avaratry Yemen, ao Dhamar, naratra mafy ity mpivarotra ity vokatr'izany.

Fandoroana sy fanimban-javatra nataon'ireo mpisintaka tao amin'ny biraon'ny antoko Islah tao Al-Mukalla.
Mbola nifanandrina tamin'ny mpitandro ny filaminana indray ireo mpanao fihetsiketsehana ny Alahady tao an-tanàna atsimo atsinanan'i Mukalla rehefa avy nanakan-dalana tamin'ny fandoroana kodiarana sy vato kely. Tao Aden ihany, namoy ny ainy ary naratra ireo mpanao fihetsiketsehana raha nitifitra tao amin'ny arabe midadasika ao akaikin'i Mualla ireo tafika. Nosakanan'ireo mpanao fihetsiketsehana ihany koa ny lalana mifanakaiky ao Mansura, Sheikh Osman sy Dar Saad. Sary mampihoro-koditra ahitana ireo mpanao fihetsiketsehana separatista novonoin'ny tafiky ny governemanta, tahaka ilay mpikatroka sy mpanao gazety Wajdi AlShuaibi izay novonoin'ireo jiolahy nitam-piadiana sy nisaron-tava tao an-trano fonenany teo anatrehan'ny fianakaviana no niparitaka be tamin'ny Facebook sy Twitter [Tandremo: Mampihoro-koditra ny sary].
Sarah Jamal nisioka hoe:
@Sarah_Sanaa: Namonjy an'i Aden sy Hadramout i Shabwa tamin'ny tsy fankasitrahan'ny sivily ka mitaky fanoloana tsy misy hatak'andro ny governoran'i Aden #Yemen
@Sarah_Sanaa: Anaty afo ny atsimo rehetra. Tifirin'ireo mpitandro ny filaminana ny mpanao fihetsiketsehana ao Aden, Hadramout ary amin'izao fotoana izao Shabwa&governemanta. ary ny fahanginan'ny filoha #Yemen
Fihetsiketsehana anaty firaisankina miaraka amin'i Aden ary hisy ny hetsika fanamelohana ireo karazana herisetra izay hatao ao Sanaa androany [Feb 26].
Sarah Jamal nisioka hoe:
@Sarah_Sanaa:
rahampitso amin'ny 10 maraina, diabe ao Sanaa ho fanoherana ny herisetran'ny mpitandro ny filaminana & ireo karazana herisetra ao atsimo, ary ho fanohanana ny zava-mihatra ny ao Atsimo # Yémen

Mpanao fihetsiketsehana milanja sora-baventy mivaky amin'ny teny Arabo hoe “Ny jeografia fa tsy ny firaisana no tadiavin'izay mamono olona ao atsimo amin'izao fotoana”
Efa imbetsaka nahemotra ny fotoana voalohany amin'ny fihaonambem-pirenena, izay tokony efa natomboka tamin'ny tapaky ny volana Novambra, indrindra noho ny tsy fifankazahoana eo amin'ireo tatsimo. Nahemotra amin'ny 18 Martsa izany ankehitriny, mbola taorian'ilay tranga nihoso-drà farany teo tao Aden sy ny fitomboan'ny isan'ny namoy ny ainy tao amin'ny faritany atsimo, maro ireo miahiahy fa mety mbola hiseho izany araka ny efa fantatra.
Nanameloka ny fampiasana herisetra tamin'ny anaran'ny firaisana CCYRC ny lehiben'ny Komity Teknika mpandrindra ny Fihaonambem-pirenena, Ahmed bin Mubarak, hoy izy nisioka:
#NDC S Dr. AhmedBinMubarak: Tsy azontsika ihodivirana ny fisarahana saingy afaka manamafy ny firaisana amin'ny fametrahana tetezana fifampitokisana isika fa tsy amin'ny teny filamatra #Yemen #Aden
@CCYRC: Filankevi-piarovana ny Fihaonambem-pirenena & mpikambana ao amin'ny CCYRC Dr. AhmedBinMubarak, tsy fantatro inona no tombotsoan'ny famonoana ireo Yemenita milamina & amin'ny anaran'ny revolisiona #Yemen #Aden
Summer Nasser nisioka hoe:
@SummerNasser: #Yemen: Satria efa manakaiky ny datin'ny “Fihaonambem-pirenena” amiin'ny 18 Martsa isika, mety hisy ny ady ao Aden.
Hoy izy nandrisika:
@SummerNasser: Milamìna fotsiny ry tatsimo. Raha vao mampiasa fitaovam-piadiana amin'ireo izay mampahory anareo ianareo, ho andro hanenenanareo izany! #Aden #Yemen
Mai Saleh nisioka hoe:
@A4Mai: Izay mitranga amin'izao fotoana izao ao Aden no famonoana izay rehetra mety ahafahana mahita vahaolana milamina ary tsy lazaina intsony ny fandraisan'anjaran'ny tatsimo ammin'ny Fihaonambem-pirenena #Yemen
Mohammed Jarhum nisioka hoe:
@moejarhum: Nilaza ny lehilahy manantsaina iray fa tsy amin'ny hery no hanaovana fampisarahana na fampitambarana #Yemen #Aden
Nahakely ny herijika isian'ny Fihaonambem-pirenena ny bala sy ny ra mandriaka miteny irery izay nosafidian'ny governemanta ao Aden. Ary mampanahy indrindra eo ankilan'ny fifandonana sy ny ra mandriaka miseho lany amin'izao fotoana ny kabarim-pankahalàna misy eo amin'ny roa tonta mifanditra ao Yemen, izay asongadin'ireo fampahalalam-baovao sy ireo lahatsoratra ao amin'ny tambajotra sosialy.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...