Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

13 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 13 Janoary 2013

Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara

Nahemotra Ny Didim-Pitsarana Ireo Saodiana Mpikatroka Mafàna Fo

Ny didim-pitsarana ireo Saodiana roa mpikatroka mafàna fo sangany amin'ny fiarovana zon'olombelona, i Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid, izay noheverina hivoaka amin'io Alarobia 15 Janoary io, dia nahemotra amin'ny fotoana tsy voafetra.

Zana-Bohitra Palestiniana Vaovao Bab Al Shams Tafapetraka ao Jerosalema Atsinanana

Anisan'ny hetsi-pijoroana ao Palestina ny nananganan'ny mpikatroka Palestiniana 250 ny fananganana zana-bohitra vaovao antsoina hoe Bab Al Shams na “Vavahadin'ny Masoandro”, anisan'ny tany ao atsinanan'i Jerosalema nobaboina ary voasokajin'ny fitondram-panjakana Isiraeliana ho anisan'ny “Area E1“. Nisy Fanambarana ho an'ny gazety navoakan'ny Vaomieram-pandrindrana ny Tolom-Bahoaka ao amin'ny habakany androany vao maraimbe, mamelabelatra...

Avotsory i Bassel: Mpampiasa Aterineto Tandindonin-doza

Nahafeno 9 volana an-tranomaizina i Bassel Khartabil Safadi, mpamokatra rindrambaiko azo tovozina malalaka sady mpikatroka mafàna fo mpandàla demokrasia. Matahotra ny amin'ny ainy ny namany sy ny fianakaviany noho ny fitsarana azy any aminà fitsarana miaramila.

Venezoela: Nanaovana Bemidina Ny Tranon'ny Mpampiasa Twitter Iray

Notafihan'ireo manamboninahitry ny fitsikilovana Venezoelana ny tranon'ilay mpampiasa Twitter, Federico Medina Ravell ny Alahady 6 Janoary, izay araka ny voalaza dia ao ambadik'ilay kaonty @LucioQuincioC. Ahiahiana ho mampiely tsaho momba ny fahasalaman'Atoa Hugo Chávez io mpitoraka bilaogy kiritika io

Fisaonana Ety Anaty Aterineto Ho An'ireo 13 Mpila Ravinahitra Tao Bahrain

Mpiasa telo ambinifolo mpila ravinahitra no maty tamin'ny haintrano iray tao Manama. Maneho hevitra amin'ilay tranga ireo mpisera ety anaty aterineto, manontany ny mombamomba sy ny fomba fitantàna ireo vahiny mpiasa ao Bahrain.