03 Aogositra 2012

Tantara tamin'ny 03 Aogositra 2012

Create UNAOC 2012: Apps Sy Lalao Hisian'ny Fifampiresahan'ny Kolontsaina

Tsy azo odiana fanina intsony fa fitaovana matanjaka, heverina ho azo atao ho fanalahidin'ny fanatrarana ny fanambin'ny taonjato faha-21, ny media sy ny teknolojia vaovao. Azon'ny mpikirakira [développeurs] manerantany araraotina ny mamokatra apps sy lalao finday vaovao mampiroborobo ny fifampiresahan'ny kolontsaina, mba isorohana ny fifandirana sy fifanenjanana manerantany, ny fifaninanana vao...

Mitandroka An'i Rosia ‘Lehibe’ i Georgia ‘Kely’ Miaraka Amin'ny Media Vaovao

  03 Aogositra 2012

Mampiasa ny fanoratana bilaogy mba hametrahana ny fahefana malefaka any Rosia i Zeorzia. Na dia mamoaka amin'ny teny Zeorziana aza ny ankamaroan'ireo bilaogy Zeorziana, dia misy ihany koa maromaro amin'ny Rosiana no mahay ny teny Zeorziana ao amin'ny sehatra fitorahana bilaogy malaza LiveJournal (LJ). Mampiasa tetikady voarindra aza ny governemanta Zeorziana amin'ny fanakaikezana ny vahoaka Rosiana amin'ny fampiasàna am-pahendrena ny media vaovao.