04 Jona 2012

Tantara tamin'ny 04 Jona 2012

Manome Solika 5 Tapitrisa Litatra Ho An'i Malaoi i Zambia

  04 Jona 2012

Tsy ela akory izay dia tonga tamin'ny fetra ambony tsy nampoizina sy nahatalanjona ny olana ara-diplaomatika nisy teo amin'i Malaoi sy Zambia efa ho an-taonany maro, tamin'ny nanoloran'i Zambia solika 5 tapitrisa litatra ho an'i Malaoi. Nambara fa ny antony nanosika ilay fanomezana dia ny fandevenana ny filoha teo aloha Bingu wa Mutharika, izay maty tamin'ny 5 Aprily 2012, taorian'ny fijanonan'ny fony. Kanefa, ny fifandirana ara-politika nahatongavana tamin'ity fihetsika ity dia tantara manana endrika saro-bahana.

Ejipta: Figadrana Mandra-maty Ho An'i Mubarak

Niandry daholo izao tontolo izao satria nitsara nanameloka ny Filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak sy ny Minisitry ny Atitaniny Habib Al Adly higadra mandra-pahafaty ny fitsarana Ejiptiana iray, noho ny andraikitra notanan-dry zareo tamin'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana. Nalefa mivantana tamin'ny haino aman-jery ilay didy manan-tantara, nahatonga ireo mpiondana aterineto hampakatra fanehoan-kevitra tety anivon'ny aterineto arakaraky ny firoson'ny fotoam-pitsarana.

Palestina: Fahatsiarovana Ny Nakba

Ny 15 Mey no Andron'ny Nakba, rehefa mankalaza ny fandroahana sy fakàna fananana izay natao tamin'ny fotoanan'ny nametrahana an'i Israely tamin'ny taona 1948 ry zareo Palestiniana. Anatin'ity lahatsoratra ity, mijery ny fomba nanamarihan'ireo Palestiniana izany andro izany tamin'ity taona ity tany anaty bilaogy sy Twitter isika.