Ejipta: Figadrana Mandra-maty Ho An'i Mubarak

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Revolisiona ao Ejipta 2011.

Niandry daholo izao tontolo izao satria nitsara nanameloka ny Filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak sy ny Minisitry ny Atitaniny Habib Al Adly higadra mandra-pahafaty ny fitsarana Ejiptiana iray, noho ny andraikitra notanan-dry zareo tamin'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana. Nandalo dingana in-49 ilay fitsarana, 250 ora ary tatitra misy pejy 60.000, hoy i Sultan Al Qassemi nibitsika, nitanisa ny voalazan'ilay mpitsara Ahmed Refaat.

Nalefa mivantana tamin'ny haino aman-jery ilay didy manan-tantara, nahatonga ireo mpiondana aterineto hampakatra fanehoan-kevitra tety anivon'ny aterineto arakaraky  ny firoson'ny fotoam-pitsarana. Ireo zanakalahy roa an'i Mubarak, Alaa sy Gamal dia afaka tamin'ny fiampangana ho nanao kolikoly, tahaka izany koa ireo mpiara-miasa ambony akaiky an'i Al Adly, izay nampangaina noho ny fahafatesan'ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ny revolisiona ejiptiana, izay nanomboka ny 25 Janoary 2011.

Taorian'ilay didim-pitsarana, ilay Ejiptiana bilaogera Mahmoud Salem, na Sandmonkey, nibitsika hoe :

@Sandmonkey: Ny fitsarana an'i Mubarak #Mubaraktrial dia nifarana taminù didm-pitsarana mahamenatra : Izy ny sy Minisitry ny Atitaniny dia samy nahazo sazy famonjàna mandra-maty izay mbola azo alefahana ara-pitsarana, afaka ny sisa rehetra.

Nampiany hoe :

@Sandmonkey: Ireo olona ireo ihany izay namono sy nampijaly  ny ejiptiana no afaka miverina an-kalalahana amin'ny asany ankehitriny ao amin'ny MOI (Ministeran'ny Atitany). Mba saintsaino anie izany e #Mubaraktrial

Dikasarinà fàfana nifampizarana tao amin'ny Twitter, avy amin'i Sultan Al Qassemi omaneho an'i Mubarak tonga tao amin'ny fitsarana iny maraina iny

Ary mitatitra i Gigi Ibrahim hoe :

@Gsquare86: Vaky ny korontana tao anatin'ny efitrano fitsarana ary ny hiakiaka hoe “angatahan'ny vahoaka ny fahaleovantenan'ny fitsarana”  “Hosoka!” #MubarakTrial

Nampiany hoe :

@Gsquare86: Tsy azoko mihitsy hoe nahoana Aldy, filoha mitarika ny MOI, no voaheloka nefa tsy misy ireo polisy, na ireo manodidina azy voaheloka na tamin'inona na tamin'inona?!!!! #MubarakTrial

Bel Trew, mpanao gazety no mamintina azy ity :

@Beltrew: Ny fitazonana am-ponja mandra-maty ho an'i  #Mubarak idia tsy ratsy araka izay iheverana azy. Manana zaridaina izy, dobo filomanosana ary & toerana fipetrahana fiaramanidina. http://uk.reuters.com/article/2012/06/01/uk-egypt-trial-mubarak-idUKBRE85017O20120601 #MubarakTrial

Patrick Tombola, mpanao gazety, no manamarika hoe :

@ptombola: #Mubarak‬ & Adly dia samy nampangaina ho tsy nanao na inona na inona hisorohana ny famonoana olona, fa tsy noho ny fanomezany baiko ho azy ireny. Fahasamihafana goavana & ary tsy mampahazo aina na iza na iza. ‪#Egypt‬ ‪#Mubaraktrial

Nefa i Mina Zekri dia mampahatsiahy antsika hoe [ar]:

نذكر الجميع قبل الحكم أنه سيكون حكما ابتدائيا والعبرة بحكم محكمة النقض بعدما يطعن المتهمون على الحكم ‎‫#محاكمة_مبارك‬‏ ‎‪#mubaraktrial
@minazekri: Tiako ny mampahatsiahy anareo fa ity didim-pitsarana ity dia didim-pitsarana voalohany, ary tokony hiandry ny fampakarana didy isika aorian'ny fampakaran'ny voampanga izany eny amin'ny fitsarana mpandrava didy

Asteris Masouras dia manaraka ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto ao amin'ny Twitter ato. Ary eto i Rayna St. no manangona ireo fanehoan-kevitra hafa any amin'ny Storify . Noon Arabia koa dia mizara fanehoan-kevitra eto.

Ho anà fanehoan-kevitra misimisy kokoa, zahao ny tenifototra #Mubaraktrial ao amin'ny Twitter.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Revolisiona ao Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.