10 Avrily 2012

Tantara tamin'ny 10 Avrily 2012

Mali: Mangina Tanteraka Ny Serasera Ao An-toerana

  10 Avrily 2012

Tototry ny bilaogy, tweet, sy lahatsary avy any ivelany ny tontolon'ny aterineto, somary mangingina kosa ny mpiserasera maliana. Satria iharan'ny fahatapahan-jiro lava matetika ny renivohitra Bamako kanefa tsy misy ny lasantsy tokony hampadehanana ny tobim-pamatsiana herinaratra. Tsy ny fandefasana lahatsoratra arak'izany no vaindoha-draharaha fa ny ahitana vaovao momba ny zava-mitranga ao Avaratra.

Sahiran-tsaina Izao Tontolo Izao Noho Ny Zava-mihatra Amin'ilay Mpikatroka Bahrainita

Naneho ny ahiahiny ny mpiserasera manerana izao tontolo izao manoloana ny tsy fanajana ny zon'olombelona izay mihatra amin'ilay mpitolona Bahrainita Abdulhadi Alkhawaja. Sazy an-tranomaizina mandrampahafaty no didy navoakan'ny manampahefana ao Barhein ho azy tamin'ny taon-dasa, ka nitokona tsy hihinankanina izy noho izany nanomboka ny 8 Febroary 2012 mba hanaovana fanairana noho ny fanagadrana az

Ginea-Bisao: Sarin'ilay Mpaka Sary

Rising Voices  10 Avrily 2012

Manana anjara asa goavana ny Fakantsary nomerika ao anatin'ny tetikasan'ny Rising Voices “Youth Voices of Bandim and Enterramento” any Ginea-Bisao, ary  tahaka ny fihiratan'ny maso ho an'ny sasany ny fitazonana kamera...

Malawi: Fihetseham-po Ao Amin'ny Aterineto Manoloana Ny Fahalasan'i Mutharika

  10 Avrily 2012

Manaraka ny fihetsehana ao amin'ny aterineto manoloana ireo vaovao milaza ny fahatafatesan'i Bingu wa Mutharika i Victor Kaonga. Filoha fahatelon'i Malaoi i Mutharika. Maty noho ny fijanonan'ny fitepon'ny fo izy ny marainan'ny Alakamisy. Ity no fotoana voalohany indrindra handevenan'i Malaoi filoha amperin'asa. *fanavaozana: Nanao fianianana amin'ny mahafiloha azy tao amin'ny Parlemanta ao Lilongwe tamin'ny 7 avrily 2012 lasa teo ny Filoha-levitra Joyce Banda.

Andro Iray Eto An-Tany: Nivoaka Ny Rakikira Niaraha-Mientana Manerantany

  10 Avrily 2012

Nisy rakikira an-dahatsary iray nivoaka ho fanomanana ny fiaraha-mijery manerantany [mg] ny sarimihetsika nifarimbonana manerantany One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany], izay hotontosaina any amin'ny toerana maro samihafa manerana ny planeta mandritra ny Andron'ny Tany (22 Avrily 2012). Asongadin'ny lahatsary ny mpihira, poety, mpandihy noraketina an-tsarimihetsika nandritra ny fotoana mitovy 24 oran'ny 10 Oktobra 2012, izay niangalian'i Cut Chemist ny fanapatapahana sy ny fanambatambarana azy.