Naneho ny ahiahiny ny mpiserasera manerana izao tontolo izao manoloana ny tsy fanajana ny zon'olombelona izay mihatra amin'ilay mpitolona Bahrainita Abdulhadi Alkhawaja. Sazy an-tranomaizina mandrapahafaty no didy navoakan'ny manampahefana ao Barhein ho azy tamin'ny taon-dasa, ka nitokona tsy hihinankanina izy noho izany nanomboka ny 8 Febroary 2012 mba hanaovana fanairana noho ny fanagadrana azy. Nolavin’ i Barhain ny famindràna azy any Danemarka na dia olom-pirenena Danoà aza izy.
Nisioka momba ny fanafahana azy ny mpiserasera tamin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra isan-karazany, toy ny #StopKillingKhawaja.
Zanaka vavin'i Abdulhadi Alkhawaja, Maryam Alkhawaja, nibitsika hoe:
@MARYAMALKHAWAJA: herintaona androany 8 aprily no nisamboran an'i Abdulhadi Alkhawaja, nampijaliana mafy izy ka niafara tamin'ny tsy fahatsiarovan-tenany izany teo anoloan'ny fianakaviany, #bahrain
Ny zananivavy hafa, Zainab Alkhawaja, nisioka hoe:
@angryarabiya: Tamin'ny taon-dasa nandritra izany fotoana izany, nalefa teny amin'ny hopitaly miaramila izay misy azy ankehitriny ny raiko #bahrain
@angryarabiya: tsy maintsy niaritra fandidiana eo amin'ny tarehiny mandritra ny adiny efatra izy, nisy nesorina taminy ny taolana tao amin'ny atidohany mba hamerenana ny valanoranony amin'ny laoniny #bahrain
@angryarabiya: Ary androany indray… ao amin'ny fandriana iray ao amin'izany hopitaly izany izy. Noana mafy mila ho faty ho fitakiana ny fanafahana azy izy #bahrain
Ali Abunimah, mpanao gazety sy mpitolona Palestiniana-Amerikana, nisioka hoe:
@AliAbunimah: # StopKillingKhawaja (ajanony ny famonoana an'i Khawaja) a lehilahy manan-tsaina no be herim-po i Abdulhadi al-Khawaja. Mendrika hiaina an-kahalalahana izy.
Mpampianatra sady mpikatroka politika John C. Berg, niantso ny Amerikana mba hanery an'i Bahrain:
@jcberg: Fotoana ho an'i Etazonia tia fandrosoana izao hijerena akaiky ny toe-javatra miseho ao
#Bahrain; nogadraina ny mpitarika ny mpandala ny zon'olombelona, mitokona tsy hisakafo, fahafatesana no miandry azy
Rasha Abdulla, mpampianatra asa fanaovan-gazety sy serasera ao amin'ny oniversite Amerikana ao Kairo, nisioka momba ny fihetsiketsehana ao amin'ny ambasady Bahrainita ao Kairo:
Ruwayda Mustafa, mpanoratra Britanika-Kiorda no sady feminista, nanambara ny hanaovana fihetsiketsehana ao Londres:
@RuwaydaMustafa: Hanao fihetsiketsehana ho firaisankina miaraka amin'i/Abdulhadi al Khawaja ao Londres isika amin'ny Talata. Tongava mamonjy anay! #StopKillingKhawaja
Tamin'ny 8 Aprily, nisy mpikatroka nisovoka ny pejy Facebookn'ny zotra an-habakabaka nasionaly ao Bahrain, Gulf Air, ka nosoloiny sarin'i Abdulhadi Alkhawaja ny sary famantarana (logo) ny orinasa (Gulf Air).