05 Desambra 2011

Tantara tamin'ny 05 Desambra 2011

Liberia:Nomena Anjara Masoandro Indray Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety

  05 Desambra 2011

Namome fotoana kely nisehoan'ny rariny ny fitsarana mikasika ny fanakatonana ny haino aman-jery nahitana fifanoheran-kevitra tany Liberia. Nakaton'ny governemanta Liberiana ny tranon'ny haino aman-jery miisa telo (Love FM/TV, Power FM/TV ary ny Kings FM) tamin'ny 7 novambra 2011 noho ny fitorohana azy ireo no nanely hafatra fifankahalana toa hitarika herisetra.

Syria: Afaho i Razan Ghazzawi

Nosamborin'ny manampahefana Siriana tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Jordania sy Syria androany (Alahady 04 Novambra2011) ilay bilaogera Razan Ghazzawi. Teny an-dàlana hanatrika ny atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny tontolo Arabo izay hatao ao Amman i Ghazzawi no izao voasambotra izao. Niteraka fanakianana sy hatezerana avy amin'ireo bilaogera sy mafàna fo maro manerana ny tany ny fisamborana azy, izay mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatak'andro.